bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Samuel 18
1 Samuel 18
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 19 →
1
Rehefa nitsahatra niteny tamin’i Saoly izy dia niraiki-po tamin’i Davida i Jonatana. Tia azy tahaka ny tenany mihitsy i Jonatana.
2
Dia nandray azy i Saoly tamin’io andro io ka tsy namela azy hody tany an-tranon’ny rainy intsony.
3
Dia nanao fanekena tamin’i Davida i Jonatana noho ny fitiavany azy toy ny tenany.
4
Nesorin’i Jonatana ny akanjony ivelany izay teny aminy ka nomeny an’i Davida mbamin’ny akanjo fiadiany sy ny sabany sy ny tsipìkany ary ny fehikibony.
5
Ary nandeha niantafika i Davida ka hita fa nahomby tamin’izay rehetra nanirahan’i Saoly azy; dia notendren’i Saoly hifehy ny miaramila izy sady nankasitrahan’ny vahoaka rehetra sy ireo mpanompon’i Saoly koa.
6
Nony vory ny olona tamin’ny niverenan’i Davida avy namono ilay Filistina dia nivoaka avy tamin’ny tanànan’ny Israely rehetra ny vehivavy ka nihira sy nandihy nitsena an’i Saoly mpanjaka tamin’ny ampongatapaka sy ny fifaliana ary ny kipantsona.
7
Dia nihira ireo vehivavy mpandihy hoe: I Saoly dia nahafaty arivoarivo fa i Davida dia nahafaty alinalina.
8
Dia tezitra mafy i Saoly satria tsy nankasitrahany izany teny izany ka hoy izy: Nomena an’i Davida ny alinalina fa ny ahy kosa dia arivoarivo ihany. Ny fanjakana no sisa tsy mbola azony.
9
Hatramin’izany andro izany dia ratsy fijery an’i Davida i Saoly.
10
Nony ampitson’iny dia nisy fanahy ratsy avy tany amin’Andriamanitra tonga tamin’i Saoly ka nihetsiketsika teo ampovoan-trano izy; i Davida moa dia nitendry lokanga tamin’ny tanany tahaka ny fanaony isanandro ihany, ary nisy lefona teny an-tanan’i Saoly.
11
Dia natorak’i Saoly ny lefona; fa hoy izy: Hamely an’i Davida aho ka hataoko miboroaka mihatra amin’ny rindrina. Fa niala izany indroa teo anatrehany i Davida.
12
Ary natahotra an’i Davida i Saoly satria NY TOMPO nomba azy, fa i Saoly kosa dia nialany.
13
Dia nesorin’i Saoly tsy ho eo aminy i Davida ary nataony mpifehy arivo ka nitarika ny olona nandroso sy niverina tamin’ny ady.
14
Ary nahomby tamin’izay rehetra nataony i Davida sady NY TOMPO nomba azy.
15
Nony hitan’i Saoly fa mahomby hatrany i Davida dia natahotra azy izy.
16
Ny Israely sy ny Joda rehetra kosa dia tia an’i Davida satria nitarika azy nandroso sy niverina tamin’ny ady izy.
17
Hoy i Saoly tamin’i Davida: Indro omeko ho vadinao i Meraba zanako vavimatoa, nefa aoka kosa ianao hahery ho ahy, ary miadia ny adin’NY TOMPO. Fa hoy i Saoly: Aoka tsy ny tanako no hamely azy fa ny tanan’ny Filistina.
18
Fa hoy i Davida tamin’i Saoly: Zinona moa aho, ary zinona moa ny fianakavian’ny raiko ao amin’ny Israely, no ho vinanton’ny mpanjaka aho?
19
Kanjo nony tamin’ny andro tokony ho namoahana an’i Meraba, zanakavavin’i Saoly, ho vadin’i Davida, dia nomena ho vadin’i Adriela meholatita izy.
20
Tia an’i Davida kosa anefa i Mikala, zanakavavin’i Saoly; ary nisy nanambara izany tamin’i Saoly ka sitrak’i Saoly izany.
21
Dia hoy i Saoly: Homeko azy izy, mba ho fandrika aminy ka hamelezan’ny tanan’ny Filistina azy. Indroa izany no nitenenan’i Saoly tamin’i Davida hoe: Aoka ho vinantoko ianao ankehitriny.
22
Nandidy ny mpanompony i Saoly hoe: Miresaha mangingina amin’i Davida ka lazao hoe: Indro, ankasitrahan’ny mpanjaka ianao ary ny mpanompony rehetra koa dia tia anao; koa maneke ihany ho vinanton’ny mpanjaka ianao.
23
Ary ny mpanompon’i Saoly dia nilaza izany teny izany teo an-tsofin’i Davida. Nefa hoy i Davida: Moa heverinareo ho zavatra kely va izany ho vinanton’ny mpanjaka izany? Tsy hitanareo va fa izaho dia olona mahantra sady fanivaiva?
24
Dia notaterin’ny mpanompon’i Saoly taminy izay nambarany hoe: Toy izany no navalin’i Davida.
25
Ary hoy i Saoly: Izao no holazainareo amin’i Davida: Ny mpanjaka dia tsy mila harena be ho vodiondry, fa saron-tsotsòkan ’ny Filistina zato lahy ihany, mba ho famaliana ny fahavalony. Kanjo hevitr’i Saoly hahafaty an’i Davida amin’ny tanan’ny Filistina izany.
26
Rehefa nambaran’ny mpanompon’i Saoly tamin’i Davida ireo teny ireo dia sitrak’i Davida ny ho vinanton’ny mpanjaka. Koa na dia tsy mbola tapitra aza ny fetrandro
27
dia niainga i Davida. Nandeha izy sy ny olony ka nahafaty Filistina roanjato lahy, ary nitondra ny saron-tsotsòka i Davida ka nanisa azy teo anatrehan’ny mpanjaka mba hahavinanton’ny mpanjaka azy. Dia nomen’i Saoly ho vadiny i Mikala zanany vavy.
28
Ary nahita sy nahalala i Saoly fa NY TOMPO nomba an’i Davida; i Mikala zanakavavin’i Saoly koa moa dia tia azy.
29
Dia vao mainka natahotra an’i Davida i Saoly ka tonga fahavalon’i Davida hatrany izy.
30
Ary ireo andrianan’ny Filistina dia nanafika, koa isaky ny nanafika izy dia i Davida no hita fa mahomby noho ny mpanompon’i Saoly rehetra, koa dia tena nisandratra ny anarany.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31