bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Samuel 3
1 Samuel 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 4 →
1
Nanao fanompoam-pivavahana ho an’NY TOMPO teo anatrehan’i Ely i Samoela zaza. Tamin’izany andro izany dia nahalana ny tenin’NY TOMPO ary tsy nisy fahitana niseho loatra.
2
Indray andro anefa, raha nandry tao amin’ny fandrianany i Ely ary efa nihapahina ny masony tamin’izany ka tsy nahita izy
3
sady tsy mbola maty ny jiron’Andriamanitra, ary i Samoela koa dia nandry tao amin’ny tempolin’NY TOMPO izay nisy ny vata misy ny faneken’Andriamanitra,
4
dia niantso an’i Samoela NY TOMPO, ary hoy izy hoe: Inty aho.
5
Dia nihazakazaka nankeo amin’i Ely izy ka niteny hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Nefa hoy i Ely: Tsy niantso aho, miverena matory. Dia lasa natory izy.
6
Mbola niantso azy indray NY TOMPO hoe: Ry Samoela! Dia nifoha indray i Samoela ka nankao amin’i Ely ary niteny hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Nefa hoy izy: Tsy niantso aho, anaka; andeha miverina matory.
7
Mbola tsy nahafantatra NY TOMPO mantsy i Samoela sady tsy mbola nanehoana ny tenin’NY TOMPO.
8
Ary niantso an’i Samoela fanintelony NY TOMPO. Dia nifoha izy ka nankao amin’i Ely ary niteny hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Tamin’izay dia fantatr’i Ely fa NY TOMPO no niantso ny zaza.
9
Koa hoy i Ely tamin’i Samoela: Andeha matory ihany; ary raha toa miantso anao Izy dia valio hoe: Mitenena, TOMPO ô, fa mihaino ny mpanomponao. Dia lasa natory teo amin’ny fandrianany i Samoela.
10
Ary avy NY TOMPO dia nijoro teo ka niantso toy ny teo ihany hoe: Ry Samoela, ry Samoela ô! Dia namaly i Samoela hoe: Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao.
11
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Samoela: Indro Izaho hanao zavatra eo amin’ny Israely, koa izay rehetra mandre izany dia hangintsina ny sofiny roa.
12
Amin’izany andro izany dia hotanterahiko amin’i Ely izay zavatra rehetra voalazako ny amin’ny taranany; hatomboko izany ka hotanterahiko.
13
Fa efa nambarako taminy fa hotsaraiko mandrakizay ny taranany noho ny heloka izay fantany, satria nahatonga ozona ho an’ny tenany ny zanany nefa tsy nosakanany.
14
Koa izany no nianianako ny amin’ny taranak’i Ely, fa tsy hisy fanatitra hahafaka ny heloky ny taranak’i Ely mihitsy, na fanatitra alatsa-dra izany na fanatitra avy amin’ny zavamaniry.
15
Dia natory i Samoela mandra-paharain’ny andro; nony maraina dia namoha ny varavaran’ny tranon’NY TOMPO izy. Ary natahotra hilaza ny fahitana tamin’i Ely i Samoela.
16
Fa niantso an’i Samoela i Ely ka niteny hoe: Ry Samoela, zanako! Dia hoy izy: Inty aho.
17
Ary hoy izy: Inona no zavatra nolazain’NY TOMPO taminao? Miangavy anao aho, aza afeninao ahy; hataon’Andriamanitra aminao anie izany; eny, mihoatra noho izany aza, raha misy afeninao ahy ny zavatra rehetra nolazainy taminao.
18
Dia nambaran’i Samoela taminy avokoa ny zavatra rehetra fa tsy nisy nafeniny. Dia hoy i Ely: Izy no TOMPO, aoka Izy hanao izay sitraky ny fony.
19
Ary nitombo i Samoela sady nomba azy NY TOMPO ka tsy nisy navelany ho raraka an-tany ny teniny.
20
Ny Israely rehetra koa, hatrany Dana ka hatrany Bery-Sheba, dia nahalala fa tonga mpaminanin’NY TOMPO tokoa i Samoela.
21
Dia mbola niseho tao Silo ihany NY TOMPO, satria niseho tamin’i Samoela tao Silo tamin’ny alalan’ny teniny NY TOMPO.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31