bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Samuel 4
1 Samuel 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 5 →
1
Araka izany dia ho an’ny Israely rehetra ny tenin’i Samoela. Dia nandeha hiady tamin’ny Filistina ny Israely ka nitoby teo anilan’i Ebenezera; fa ny Filistina kosa dia nitoby tany Afeka.
2
Ary nilahatra hiady amin’ny Israely ny Filistina, koa nony raikitra ny ady dia resin’ny Filistina ny Israely ary nahafatesany tokony ho efatra arivo lahy ny miaramila nilahatra tany an-tsaha.
3
Rehefa tonga tany an-toby ny olona dia hoy ny loholon’ny Israely: Nahoana no namely antsika teo anoloan’ny Filistina NY TOMPO androany? Andeha halaintsika avy any Silo ho eto amintsika ny vata misy ny faneken’NY TOMPO, fa rehefa tonga eto amintsika izany dia hamonjy antsika amin’ny tanan’ny fahavalontsika.
4
Dia nandefa iraka nankany Silo ny olona mba haka ny vata misy ny faneken’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izay mipetraka amin’ny kerobima. Ary tao Silo, teo amin’ny vata misy ny faneken’Andriamanitra, izy mirahalahy zanak’i Ely, dia i Hofinia sy i Finehasa.
5
Rehefa tonga teo an-toby ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nihoby mafy ny Zanak’Israely rehetra ka nihorohoro ny tany.
6
Rehefa ren’ny Filistina ny hoby dia hoy izy: Inona re izany hoby mafy any an-tobin’ny Hebreo izany? Ary fantany fa tonga ao an-toby ny vata misy ny faneken’NY TOMPO.
7
Dia raiki-tahotra ny Filistina ka niteny hoe: Andriamanitra no tonga ao an-toby. Ary hoy koa izy: Nahita loza isika! Tsy mbola nisy toy izao.
8
Nahita loza isika! Iza no hamonjy antsika amin’ny tanan’ireo andriamanitra mahery ireo? Ireo no andriamanitra izay namely ny Ejiptiana tamin’ny kapoka rehetra tany an-tany efitra.
9
Mahereza, ary aoka hitomban-dahy ianareo, ry Filistina, fandrao hanompo ny Hebreo tahaka ny nanompoany anareo ianareo; misehoa ho lehilahy ianareo ka miadia.
10
Dia niady ny Filistina ka resy ny Israely; ary samy nandositra ho any an-dainy avy izy rehetra. Be dia be no maty ka lehilahy telo alina mpandeha an-tongotra tamin’ny Israely no niampatrampatra.
11
Dia lasan-ko babo ny vata misy ny faneken’Andriamanitra, ary maty izy mirahalahy zanak’i Ely, dia i Hofinia sy i Finehasa.
12
Nisy lehilahy benjaminita iray nihazakazaka avy tany amin’ny miaramila ka tonga tao Silo androtr’izay ihany; rovitra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany.
13
Rehefa tonga izy, indro nipetraka teo amin’ny sezany i Ely sady nitazana teo amoron-dalana, fa niemponempona ny fony noho ny amin’ny vata misy ny faneken’Andriamanitra. Nony tonga tao an-tanàna Ralehilahy dia nitantara ka nidradradradra ny tao an-tanàna rehetra.
14
Rehefa ren’i Ely ny feo midradradradra dia hoy izy: Inona izao tabataba izao? Ary nanatona haingana Ralehilahy ka nanambara tamin’i Ely.
15
Efa valo amby sivifolo taona i Ely tamin’izay sady efa pahina ny masony ka tsy nahita izy.
16
Hoy Ralehilahy tamin’i Ely: Izaho dia avy tany an-tafika; vao androany no nandosirako niala tamin’ny miaramila. Ary hoy i Ely: Nanao ahoana ny tany, anaka?
17
Dia namaly ilay nitondra teny hoe: Nandositra teo anoloan’ny Filistina ny Israely ka be dia be no maty, ary izy mirahalahy zanakao, i Hofinia sy i Finehasa, dia maty koa, sady lasan-ko babo ny vata misy ny faneken’Andriamanitra.
18
Nony nilaza ny amin’ny vata misy ny faneken’Andriamanitra izy dia lavo nitsilany niala tamin’ny sezany teo anilan’ny vavahady i Ely; folaka ny vozony ka maty izy, satria efa antitra sady mavesatra rahateo. Izy dia nitsara ny Israely nandritra ny efapolo taona.
19
Ary ny vinantovaviny, vadin’i Finehasa, dia nanana anaka ka efa ho teraka; koa nony reny fa lasan-ko babo ny vata misy ny faneken’Andriamanitra sady maty avokoa ny rafozany sy ny vadiny, dia nitanondrika izy ka narary nihetsi-jaza, fa efa ho teraka.
20
Rehefa nadiva hiala aina izy dia niteny taminy ireo vehivavy nitsangana teo anilany hoe: Aza matahotra, fa tera-dahy ianao. Nefa tsy namaly na nihaino izany izy.
21
Dia nataony hoe Ikaboda ny anaran’ny zaza; fa hoy izy: Afaka ny voninahitry ny Israely, satria efa lasan-ko babo ny vata misy ny faneken’Andriamanitra sady efa maty koa ny rafozany sy ny vadiny.
22
Ary hoy izy: Afaka tamin’ny Israely ny voninahitra, fa lasan-ko babo ny vata misy ny faneken’Andriamanitra.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31