bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Samuel 17
1 Samuel 17
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 18 →
1
Ary namory ny miaramilany hiady ny Filistina ka tafavory tao Soko any Joda izy ireo ary nitoby teo anelanelan’i Soko sy i Azeka, dia tao Efesa-Damima.
2
Dia tafavory koa i Saoly sy ny lehilahin’ny Israely ka nitoby teo amin’ny lohasaha Elaha ary nilahatra hiady amin’ny Filistina.
3
Teo ampita teo amin’ny tendrombohitra iray ny Filistina, ary ny Israely kosa dia teo ampita teo amin’ny tendrombohitra iray, koa ny lohasaha no nanelanelana azy.
4
Nisy lehilahy iray mpihantsy ady nivoaka avy teny amin’ny tobin’ny Filistina, Goliata no anarany; avy any Gata izy. Enina hakiho sy irain-jehy ny halavany.
5
Nisatroka fiarovan-doha varahina izy ary niakanjo varahina tahaka ny kiran-trondro ka ny lanjan’ny akanjony varahina dia dimy arivo sekela.
6
Nanao fiarovan-dranjo varahina tamin’ny tongony koa izy ary nilanja lefom-pohy varahina.
7
Tahaka ny voditenon’ny mpanenona ny haben’ny zaran-defony; ary ny lela lefony dia vy milanja eninjato sekela; nisy nitondra ny ampinga lehibe nandeha teo alohany.
8
Dia nijanona izy ka niantso ny miaramilan’ny Israely ary niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mivoaka hilahatra hiady? Tsy Filistina va aho ary ianareo kosa dia mpanompon’i Saoly? Mifidiana lehilahy iray ianareo hidina etỳ hiady amiko.
9
Raha maharesy ahy izy ka mahavoa ahy dia ho mpanomponareo izahay; fa raha resiko kosa izy ka voako dia ho mpanomponay ianareo ka hanompo anay.
10
Hoy koa ilay Filistina: Mihantsy ny miaramilan’ny Israely aho izao anio izao! Omeo lehilahy iray aho hiady amiko.
11
Nony ren’i Saoly sy ny Israely rehetra izany tenin’ilay Filistina izany dia kivy izy ireo sady raiki-tahotra tokoa.
12
I Davida dia zanak’ilay Efratita avy any Betlehema-Joda antsoina hoe Jese, izay nanana zanaka valo mirahalahy; ary efa antitra i Jese tamin’ny andron’i Saoly.
13
Lasa nanaraka an’i Saoly nankany an-tafika ny zokiny telo lahy tamin’ny zanak’i Jese. Ny anaran’izy telo lahy zanany izay lasa nankany an-tafika dia Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, ary Sama izay fahatelony;
14
i Davida kosa no faralahy. Lasa nanaraka an’i Saoly izy telo lahy zokiny
15
fa i Davida kosa dia nivezivezy tany amin’i Saoly sady niverina mba hiandry ny ondrin’ny rainy tany Betlehema.
16
Ary nanatona marain-tsy hariva ilay Filistina ka niseho nandritra ny efapolo andro.
17
Hoy i Jese tamin’i Davida zanany: Ento ity lango eran’ny efaha ity sy ireto mofo folo ireto ho an’ny rahalahinao; atero haingana ho any an-toby, any amin’ny rahalahinao.
18
Ary ento ho an’ny mpifehy arivony ireto fromazy didiny folo ireto, dia jereo na finaritra ny rahalahinao, na manao ahoana, ary itondray antoka amin’izany aho.
19
I Saoly sy izy telo lahy mbamin’ny lehilahy rehetra amin’ny Israely moa dia teo amin’ny lohasaha Elaha, niady tamin’ny Filistina.
20
Dia nifoha vao maraina i Davida ka namela ny ondriny hotandreman’olona, ary naka ny entany izy ka lasa nandeha araka ny nandidian’i Jese azy; dia tonga teo amin’ny toerana fitobian-tsarety izy; tamin’izay ny antokon’ny miaramila izay efa hivoaka hilahatra dia nanakora hiady.
21
Fa efa nilahatra hiady ny Israely sy ny Filistina ka nifanatrika ny miaramila.
22
Ary namela ny entany teo an-tanan’izay niambina entana i Davida dia nihazakazaka nankeny amin’ny laharan’ny miaramila ary tonga ka nanontany ny amin’izay momba ny rahalahiny.
23
Raha mbola niresaka taminy izy dia indro, tamy niakatra avy teo amin’ny laharan’ny miaramilan’ny Filistina ilay mpihantsy ady, Goliata no anarany; lehilahy filistina avy any Gata izy. Niteny tahaka ny teo aloha ihany izy ka ren’i Davida.
24
Nandositra io lehilahy io ny lehilahy rehetra teo amin’ny Israely rehefa nahita azy, satria natahotra loatra.
25
Hoy ny lehilahin’ny Israely: Efa hitanareo va io lehilahy miakatra io? Hihantsy ny Israely no iakarany; koa izay lehilahy mahafaty io dia hataon’ny mpanjaka ho manankarena be tokoa, ary homeny azy ho vadiny koa ny zanany vavy sady tsy hampandoavin-ketra amin’ny Israely ny taranaky ny rainy.
26
Dia hoy i Davida tamin’ny olona teo anilany: Ahoana sy ahoana ange no hatao amin’izay lehilahy mahafaty io Filistina io ka mahafa-tondro-maso ny Israely? Fa zinona moa io Filistina tsy mifora io no mba hihantsy ny miaramilan’Andriamanitra velona?
27
Dia nolazain’ny olona taminy fa araka izay voalaza no hatao amin’izay lehilahy mahafaty azy.
28
Ary nandre azy niresaka tamin’ny olona i Eliaba zokiny dia nirehitra tamin’i Davida ny fahatezerany ka hoy izy: Nahoana ianao no midina etỳ? Ary amin’iza moa no namelanao ireny ondry vitsy ireny any an-tany efitra? Fantatro ny avonavonao sy ny faharatsian’ny fonao, fa hizaha ny ady no idinanao etỳ.
29
Hoy i Davida: Fa inona moa izao no nataoko afa-tsy ny niresaka?
30
Dia niala teo aminy hankany amin’ny sasany koa izy ka niteny tahaka ny teo; ary namaly azy tahaka ny teo aloha ihany ny olona.
31
Nony ren’ny olona ny teny izay nataon’i Davida dia nambarany tamin’i Saoly ka nampiantso azy izy.
32
Dia hoy i Davida tamin’i Saoly: Aoka tsy ho ketraka amin’Ilehio ny fon’ny olona; fa ny mpanomponao dia handeha hiady amin’io Filistina io.
33
Fa hoy i Saoly tamin’i Davida: Tsy tohanao ny handeha hiady amin’io Filistina io, satria mbola tanora loatra ianao, nefa izy dia mpiady hatramin’ny fahazazany.
34
Hoy i Davida tamin’i Saoly: Ny mpanomponao dia niandry ny ondrin’ny rainy ary nisy liona sy bera tonga tao ka naka zanak’ondry teo amin’ny andian’ondry;
35
dia nanenjika azy aho ka namely azy ary azoko teny am-bavany ilay zanak’ondry; nony handramatra ahy izy dia nohazoniko tamin’ny somony ary nasiako ka matiko.
36
Ny liona sy ny bera dia samy novonoin’ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny iray amin’ireny, satria nihantsy ny miaramilan’Andriamanitra velona izy.
37
Ary hoy koa i Davida: NY TOMPO izay namonjy ahy tamin’ny tanan’ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin’ny tanan’io Filistina io. Dia hoy i Saoly tamin’i Davida: Mandehana ary, homba anao anie NY TOMPO.
38
Dia nampiakanjo an’i Davida ny akanjo fiadiany i Saoly ka nanisy fiarovan-doha varahina tamin’ny lohany sy nampiakanjo azy akanjo fiarovan-tratra.
39
Namehy ny sabany tamin’ny akanjo fiadiany i Davida dia nanandrana nandeha; nefa tsy mbola nahazatra azy izany ka hoy izy tamin’i Saoly: Tsy afa-mandeha amin’ireto aho fa tsy mbola nahazatra ahy; dia nesorin’i Davida ireo.
40
Dia nandray an-tanana ny tehiny izy sady nifidy vatokilonjy dimy tao amin’ny lohasahan-driaka ka nataony tao anatin’ny kitapo fitondran’ny mpiandry ondry izay teny aminy, ary teny an-tanany koa ny antsamotadiny; dia nanatona ilay Filistina izy.
41
Ary nandroso nanatona an’i Davida ilay Filistina sady teo alohany ilay lehilahy mitondra ny ampinga lehibe.
42
Nony nijerijery an’i Davida ilay Filistina ka nahita azy dia nianjonanjona taminy, satria tanora izy, sady mena volo no tsara tarehy.
43
Dia hoy ilay Filistina tamin’i Davida: Alika angaha aho no hatonin’Ialahy amin’ny tehina? Ary nanozona an’i Davida tamin’ireo andriamaniny ilay Filistina.
44
Hoy koa ilay Filistina tamin’i Davida: Manatòna ahy fa homeko ny voromanidina sy ny bibidia ny nofon’Ialahy.
45
Fa hoy kosa i Davida tamin’ilay Filistina: Ianao dia manatona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa dia manatona anao amin’ny anaran’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny miaramilan’ny Israely, izay efa nohantsianao.
46
Anio no hanoloran’NY TOMPO anao ho eo an-tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voromanidina sy ny bibidia ny fatin’ny miaramilan’ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra ny fisian’ny Andriamanitry ny Israely.
47
Ary ho fantatr’izao fiangonana rehetra izao fa tsy amin’ny sabatra na amin’ny lefona no amonjen’NY TOMPO; fa an’NY TOMPO ny ady ka hanolotra anareo ho eo an-tananay Izy.
48
Nony niainga ilay Filistina ka nanatona hitsena an’i Davida dia nandroso haingana i Davida ka nihazakazaka ho eo amin’ny laharan’ny miaramila mba hitsena ilay Filistina.
49
Dia natsofok’i Davida tao anaty kitapo ny tanany ka naka vato tao izy; nalefany tamin’ny antsamotady izany ka nahavoa ilay Filistina teo amin’ny handriny; nilentika tamin’ny handriny ny vato, ary potraka niankohoka tamin’ny tany izy.
50
Toy izany no nandresen’i Davida ilay Filistina tamin’ny vaton’antsamotady; namely ilay Filistina izy ka nahafaty azy, nefa tsy nisy sabatra teny an-tanan’i Davida.
51
Dia nihazakazaka i Davida ka nitsangana teo anilan’ilay Filistina, ary nalainy ny sabatr’Ilehio ka notsoahany tamin’ny tranony dia namonoany azy sy nanapahany ny lohany. Nony hitan’ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny dia vaky nandositra izy ireo.
52
Dia nitsangana ny lehilahin’ny Israely sy ny Joda ka nanakora sy nanenjika ny Filistina hatrany akaikin’i Gata sy ny vavahadin’i Ekrona; ary ireo izay lavo tamin’ny Filistina dia niampatrampatra teny amin’ny lalana mankany Saraima, hatrany Gata ka hatrany Ekrona.
53
Rehefa niverina avy nanenjika ny Filistina ny Zanak’Israely dia nambabo ny tobiny koa.
54
Dia noraisin’i Davida ny lohan’ilay Filistina ka noentiny tany Jerosalema; fa ny fiadiany kosa dia napetrany tao an-dainy.
55
Nony nahita an’i Davida nandeha hiady tamin’ny Filistina i Saoly dia hoy izy tamin’i Abnera, komandin’ny miaramila: Ry Abnera, zanak’iza moa iny zatovo iny? Ary hoy i Abnera: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka, tsy fantatro velively.
56
Hoy ny mpanjaka: Anontanionao hoe zanak’iza marina iny zatovo iny.
57
Nony niverina avy namono ilay Filistina i Davida dia nalain’i Abnera izy ka noentiny teo anatrehan’i Saoly, ary mbola teny an-tanany ihany ny lohan’ilay Filistina.
58
Dia hoy i Saoly taminy: Zanak’iza moa ianao, ry zatovo? Hoy i Davida: Zanak’i Jese, betlehemita mpanomponao aho.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31