bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Samuel 28
1 Samuel 28
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 29 →
1
Tamin’izany andro izany ny Filistina dia namory ny miaramilany mba hanafika ny Israely. Ary hoy i Akisy tamin’i Davida: Aoka ho fantatrao tsara fa hiara-mandeha amiko hanafika ianao sy ny olonao.
2
Hoy i Davida tamin’i Akisy: Ho fantatrao amin’izao tokoa izay hain’ny mpanomponao atao. Hoy kosa i Akisy tamin’i Davida: Raha izany dia hataoko mpiambina ahy manokana mandrakizay ianao.
3
Efa maty i Samoela, ary ny Israely rehetra dia nisaona azy sy nandevina azy tao Rama, tao an-tanànany. Efa noroahin’i Saoly hiala amin’ny tany koa izay mpanontany amin’ny maty sy izay mpanandro.
4
Ary nivory ny Filistina dia tonga nitoby tao Sonema, fa i Saoly kosa dia namory ny Israely rehetra ka nitoby tao Gilboa.
5
Raha nahita ny miaramilan’ny Filistina i Saoly dia raiki-tahotra sady niemponempona tokoa ny fony.
6
Dia nanontany tamin’NY TOMPO i Saoly nefa tsy namaly azy NY TOMPO, na tamin’ny nofy, na tamin’ny Orima, na tamin’ny mpaminany.
7
Hoy i Saoly tamin’ny mpanompony: Itadiavo vehivavy mpanontany amin’ny maty aho hankanesako any hanontaniako aminy. Ary hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy vehivavy mpanontany amin’ny maty ao Eny-Dora.
8
Dia nanova tarehy i Saoly ka niakanjo fitafiana hafa. Ary nandeha niaraka tamin’ny olona roa lahy izy ka tonga tao amin-dRavehivavy nony alina. Hoy izy: Miangavy anao aho, manaova sikidy ho ahy hiantso fanahin’ny maty iray ka ampiakaro ho eto amiko izay hotononiko aminao.
9
Hoy Ravehivavy taminy: Indro, fantatrao izay nataon’i Saoly tamin’ny namongorany ny mpanontany amin’ny maty sy ny mpanandro hiala amin’ny tany; koa nahoana ianao no mamandrika ny aiko hahafaty ahy?
10
Ary nianiana tamin’NY TOMPO i Saoly ka niteny taminy hoe: Raha velona koa NY TOMPO dia tsy hisy heloka hahazo anao amin’izao zavatra izao.
11
Hoy Ravehivavy: Iza ary no hampiakariko ho eto aminao? Ary hoy izy: I Samoela no ampiakaro ho eto amiko.
12
Nony hitan-dRavehivavy i Samoela, dia nidradradradra tamin’ny feo mahery izy ka niteny tamin’i Saoly hoe: Nahoana no namitaka ahy ianao? I Saoly ianao.
13
Hoy ny mpanjaka taminy: Aza matahotra! Inona no hitanao? Hoy Ravehivavy tamin’i Saoly: Mahita andriamanitra miakatra avy amin’ny tany aho.
14
Ary hoy izy taminy: Manao ahoana ny endriny? Dia hoy izy: Lehilahy antitra manao akanjobe ivelany no miakatra. Dia fantatr’i Saoly fa i Samoela izay ka niankohoka niondrika tamin’ny tany izy.
15
Hoy i Samoela tamin’i Saoly: Nahoana no helingeleninao aho ka ampiakarinao? Dia hoy i Saoly: Sahirana loatra aho, fa miady amiko ny Filistina nefa Andriamanitra efa nahafoy ahy ka tsy mamaly teny ahy intsony, na amin’ny alalan’ny mpaminany, na amin’ny nofy; koa izany no niantsoako anao mba hampahafantaranao ahy izay hataoko.
16
Hoy i Samoela: Nahoana no manontany amiko ianao, nefa NY TOMPO efa mahafoy anao ka tonga fahavalonao?
17
NY TOMPO efa nanatanteraka izay nampilazainy ahy; fa efa nendahin’NY TOMPO hiala amin’ny tananao ny fanjakana ka nomeny olon-kafa, dia i Davida.
18
Satria tsy nihaino ny feon’NY TOMPO ianao ka tsy nahatanteraka ny fahatezerany mirehitra tamin’ny Amalekita, dia izany no nanaovan’NY TOMPO izao zavatra izao taminao androany.
19
Indray hatolotry NY TOMPO ho eo an-tanan’ny Filistina ny tenanao sy ny Israely; ary rahampitso dia ho etỳ amiko ianao sy ny zanakao; ary ny miaramilan’ny Israely koa dia hatolotry NY TOMPO ho eo an-tanan’ny Filistina.
20
Dia lavo niampatra tamin’ny tany niaraka tamin’izay i Saoly ka raiki-tahotra indrindra noho ny tenin’i Samoela, sady efa tsy nisy hery intsony izy, satria tsy nihinan-kanina indray andro sy indray alina maninjitra.
21
Nankao amin’i Saoly Ravehivavy ka nahita azy raiki-tahotra indrindra dia niteny taminy hoe: Indro, ny mpanompovavinao nihaino ny feonao dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nihaino ny teninao izay nolazainao tamiko.
22
Koa ankehitriny, miangavy anao aho, mba henoy kosa ny tenin’ny mpanompovavinao, ary aoka aho handroso sombin-kanina kely eo anoloanao; dia hano izany mba ho tanjaka ho anao rehefa handeha amin’ny alehanao ianao.
23
Fa nandà izy hoe: Tsy hihinana aho. Ny mpanompony sy Ravehivavy anefa dia mbola nanery azy ihany, hany ka nihaino ny feony ihany izy. Dia nitsangana avy teo amin’ny tany izy ka nipetraka teo am-parafara.
24
Ary Ravehivavy dia nanana zanak’omby mifahy tao an-trano; dia nandeha haingana izy ka namono izany, ary naka koba izy dia nofetafetainy ka nendasiny ho mofo tsy misy masirasira.
25
Dia narosony teo anoloan’i Saoly sy teo anoloan’ny mpanompony izany ka nihinana izy ireo, dia niainga ary lasa nandeha tamin’iny alina iny ihany.
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 29 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31