bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Samuel 11
1 Samuel 11
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 12 →
1
Ary niakatra i Nahasy amonita ka nitoby tandrifin’i Jabesy-Gileada; dia hoy ny mponina rehetra tao Jabesy tamin’i Nahasy: Manaova fanekena aminay, dia hanompo anao izahay.
2
Fa hoy i Nahasy amonita: Izao no hanaovako fanekena aminareo: Hopotsirina ny masonareo havanana rehetra ka hataoko fandatsana ny Israely rehetra izany.
3
Nefa hoy ny loholon’i Jabesy taminy: Omeo hafitoana izahay mba hanirahanay olona ho any amin’ny tanin’ny Israely rehetra, koa raha toa tsy misy olona hamonjy anay dia handeha hanatona anao izahay.
4
Dia tonga tany Gibean’i Saoly ny iraka ka nanambara ny teniny teo anatrehan’ny vahoaka; dia nanandratra ny feony ny vahoaka rehetra ka nitomany.
5
Ary indro, tonga avy tany an-tsaha i Saoly, sady nandroaka omby no niteny hoe: Inona izato manjo ny olona no mitomany izy? Ary nambarany azy ny tenin’ny mponina tao Jabesy.
6
Dia tonga tamin’i Saoly ny Fanahin’Andriamanitra teo am-pandrenesana izany teny izany ka nirehitra mafy ny hatezerany.
7
Dia naka omby roa izy ka norasainy ireo ary nampitondrainy ny iraka ho any amin’ny faritry ny tanin’ny Israely rehetra ka hoy izy: Na iza na iza no tsy mandeha hanaraka an’i Saoly sy i Samoela dia tahaka ireny no hanaovana ny ombiny. Dia nahazo ny olona ny fahatahorana NY TOMPO ka nandeha toy ny olona iray izy.
8
Ary nandamina azy tany Bezeka i Saoly. Telo hetsy no isan’ny Zanak’Israely ary telo alina no isan’ny lehilahin’ny Joda.
9
Hoy i Saoly tamin’ny iraka izay tonga teo: Izao no holazainareo amin’ny mponina ao Jabesy-Gileada: Rahampitso, rehefa mafampana iny ny andro dia hisy famonjena ho anareo. Dia tonga ny iraka ka nanambara izany tamin’ny mponina tao Jabesy, dia faly ireo.
10
Ary hoy ny mponina tao Jabesy: Rahampitso no hivoahanay ho eny aminareo ka hataonareo aminay izay rehetra sitrakareo.
11
Nony maraina dia nozarain’i Saoly ho telo toko ny olona ka tonga teo amin’ny toby izy ireo tamin’ny fotoam-piambenana maraina, ary namely ny Amonita mandra-pahafampanan’ny andro. Izay sisa kosa dia niely patrana ka tsy nisy na dia olona roa aza tafaraka.
12
Hoy ny vahoaka tamin’i Samoela: Iza moa no niteny hoe: I Saoly va no hanjaka aminay? Atolory anay ireny olona ireny hovonoinay ho faty.
13
Nefa hoy i Saoly: Tsy hisy olona hovonoina ho faty anio; fa androany no nanaovan’NY TOMPO famonjena teo amin’ny Israely.
14
Ary hoy i Samoela tamin’ny vahoaka: Andeha isika hankany Gilgala hanamafy ny fanjakana any.
15
Dia lasa nankany Gilgala ny vahoaka manontolo, ary tany Gilgala no nananganany an’i Saoly ho mpanjaka teo anatrehan’NY TOMPO; tany koa no nanolorany fanati-pihavanana teo anatrehan’NY TOMPO, dia nifaly indrindra teo i Saoly mbamin’ny lehilahin’ny Israely rehetra.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31