bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Samuel 31
1 Samuel 31
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
1
Ary niady tamin’ny Israely ny Filistina. Dia nandositra teo anoloan’ny Filistina ny lehilahin’ny Israely ka niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.
2
Nanenjika mafy an’i Saoly sy ny zanany ny Filistina ka matin’ny Filistina i Jonatana sy i Abinadaba ary i Malky-Soa, zanak’i Saoly.
3
Mafy tamin’i Saoly ny ady; nifanehatra tamin’ny mpandefa tsipìka izy ka nangorohoro tokoa noho ny mpandefa tsipìka.
4
Dia hoy i Saoly tamin’ny mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny sabatrao ka tsatohy miboroaka aho, fandrao avy irerỳ tsy mifora irerỳ ka hotsatohany miboroaka aho, dia hataony ho fihomehezana. Nefa tsy nety ny mpitondra ny fiadiany fa natahotra loatra. Dia nalain’i Saoly ny sabatra ka nianjerany.
5
Rehefa hitan’ny mpitondra ny fiadiany fa maty i Saoly dia mba nianjera tamin’ny sabany koa izy ka niara-maty taminy.
6
Dia niara-maty androtr’izay ihany i Saoly sy ny zanany telo lahy sy ny mpitondra ny fiadiany ary ny olony rehetra.
7
Nony hitan’ny lehilahin’ny Israely teny andafin’ny lohasaha sy teny andafin’i Jordana fa nandositra ny lehilahin’ny Israely, ary maty i Saoly sy ny zanany, dia nandositra niala tao an-tanàna izy ireo, ary tonga ny Filistina ka nonina tao.
8
Nony ampitso, raha tonga haka ny zavatra teo amin’ny maty ny Filistina, dia nahita an’i Saoly sy ny zanany telo lahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa.
9
Dia notapahiny ny lohany sady nalainy ny fiadiany ary nandefa iraka tany amin’ny tanin’ny Filistina manodidina izy mba hanambara izany zavatra mahafaly izany ao amin’ny tranon’ny sampiny sy amin’ny olona.
10
Dia napetrany tao amin’ny tranon’ireo Astarta ny fiadiany; ary ny fatiny dia nofantsihany teo amin’ny mandan’i Bety-Sana.
11
Nony ren’ny mponina tany Jabesy-Gileada izay nataon’ny Filistina tamin’i Saoly
12
dia niainga ny lehilahy mahery rehetra ka nandeha nandritra ny alina ary naka ny fatin’i Saoly sy ny fatin’ny zanany teo amin’ny mandan’i Bety-Sana; ary tonga tao Jabesy izy ireo ka nandoro azy tao.
13
Ary noentiny ny taolany ka naleviny tao ambanin’ilay hazo tamarisika tao Jabesy, dia nifady hanina hafitoana izy ireo.
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31