bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Samuel 5
1 Samuel 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 6 →
1
Dia nalain’ny Filistina ny vata misy ny faneken’Andriamanitra ka noentiny niala tany Ebenezera ho any Asdoda.
2
Nony azon’ny Filistina ny vata misy ny faneken’Andriamanitra dia noentiny tao an-tranon’i Dagona ka napetrany teo anilany.
3
Nony ampitson’iny dia nifoha vao maraina ny Asdodita ka indro i Dagona potraka niankohoka tamin’ny tany, teo anoloan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO; dia narenin’ny olona izy ka naveriny teo amin’ny fitoerany indray.
4
Ny ampitson’iny indray dia nifoha vao maraina ny olona ka indro i Dagona potraka niankohoka tamin’ny tany indray, teo anoloan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO, ary tapaka teo amin’ny tokonam-baravarana ny lohan’i Dagona sy ny felatanany roa, fa ny tenabeny ihany no sisa.
5
Izany no tsy anitsahan’ny mpisoron’i Dagona, na izay miditra ao an-tranony, ny tokonam-baravaran’i Dagona ao Asdoda, mandraka androany.
6
Nitambesatra tamin’ny Asdodita ny tanan’NY TOMPO, fa nandringana azy Izy; nasiany vay ny tao Asdoda sy ny tany amin’ny taniny rehetra.
7
Rehefa hitan’ny mponina tao Asdoda fa izany no zava-nitranga dia hoy izy: Aoka tsy hitoetra eto amintsika intsony ny vata misy ny faneken’ny Andriamanitry ny Israely, fa mitambesatra amintsika sy amin’i Dagona andriamanitsika ny tanany.
8
Dia nandefa iraka izy hanangona ireo andrianan’ny Filistina rehetra hankeo aminy hiteny hoe: Hataontsika ahoana ny vata misy ny faneken’ny Andriamanitry ny Israely? Dia hoy ireo: Aoka hafindra hankany Gata ny vata misy ny faneken’ny Andriamanitry ny Israely. Dia nafindrany ny vata misy ny faneken’ny Andriamanitry ny Israely.
9
Rehefa voafindra anefa ny vata misy ny Fanekena dia namely ny tanàna ny tanan’NY TOMPO ka nampangorohoro azy indrindra, fa Izy namely ny mponina tao an-tanàna, na kely na lehibe, ka nisy vay nipoipoitra tamin’izy ireo.
10
Dia naterin’ny olona nankany Ekrona ny vata misy ny faneken’Andriamanitra. Ary raha vao tonga tany Ekrona ny vata misy ny faneken’Andriamanitra dia nitaraina ny Ekronita hoe: Nafindran’ny olona ho atỳ amintsika ny vata misy ny faneken’ny Andriamanitry ny Israely mba hahafaty antsika sy ny firenentsika.
11
Dia nandefa iraka izy hanangona ireo mpitondra rehetra tamin’ny Filistina ka hiteny hoe: Alefaso hiala eto ny vata misy ny faneken’ny Andriamanitry ny Israely, ary aoka haverina any amin’ny toerany izy mba tsy hahafaty antsika sy ny firenentsika. Nanerana ny tanàna mantsy ny horohoron’ny fahafatesana, satria navesatra tao tokoa ny tanan’Andriamanitra.
12
Ny olona izay tsy maty dia voan’ny vay, ary niakatra ho any an-danitra ny fitarainan’ny tao an-tanàna.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31