bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Samuel 16
1 Samuel 16
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 17 →
1
Hoy NY TOMPO tamin’i Samoela: Mandra-pahoviana no halahelovanao an’i Saoly, nefa Izaho efa nandà azy tsy ho mpanjakan’ny Israely? Fenoy diloilo ny tandrokao ka mandehana, fa hirahiko ho any amin’i Jese betlehemita ianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao amin’ny zanany Aho.
2
Fa hoy i Samoela: Hataoko ahoana no fandeha any? Raha ren’i Saoly izany, moa tsy hovonoiny va aho? Hoy NY TOMPO: Mitondrà ombivavy kely ianao ka lazao hoe: Avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO aho.
3
Dia antsoy i Jese mba ho any amin’ny fanatitra, ary Izaho no hampahafantatra anao izay hataonao ka hohosoranao ho Ahy izay holazaiko aminao.
4
Ary nanatanteraka izay nolazain’NY TOMPO i Samoela ka tonga tao Betlehema. Nitsena azy tamin-kovitra ny loholona teo an-tanàna ka niteny hoe: Fihavanana va no iavianao?
5
Dia hoy izy: Fihavanana; avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO aho; hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin’ny fanatitra. Dia nohamasininy i Jese sy ny zanany ka nasainy ho any amin’ny fanatitra.
6
Nony tonga ireo dia nijery an’i Eliaba izy ka niteny hoe: Ny voahosotry NY TOMPO tokoa ity eto anatrehany.
7
Fa hoy NY TOMPO tamin’i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny haavon’ny tsanganany fa efa nolaviko izy; satria tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’NY TOMPO; ny olona dia mijery ny miseho eo ivelany, fa NY TOMPO kosa mijery ny fo.
8
Ary niantso an’i Abinadaba i Jese ka nampandalo azy teo anatrehan’i Samoela. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin’NY TOMPO.
9
Dia nampandalo an’i Sama indray i Jese. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin’NY TOMPO.
10
Nampandalo fito lahy tamin’ny zanany teo anatrehan’i Samoela i Jese, nefa hoy i Samoela tamin’i Jese: Tsy nofidin’NY TOMPO ireto.
11
Ary hoy i Samoela tamin’i Jese: Tapitra eto avokoa va ny zanakao lahy rehetra? Dia hoy izy: Ny faralahy no sisa, fa miandry ondry izy. Hoy i Samoela tamin’i Jese: Maniraha olona haka azy, fa tsy hipetraka hihinana isika raha tsy tonga eto izy.
12
Dia nandefa iraka haka azy izy. Mena volo izy sady bary maso no tsara tarehy. Ary hoy NY TOMPO: Mitsangàna, hosory izy, fa io no izy.
13
Ary nandray ny tandroka feno diloilo i Samoela ka nanosotra azy teo anatrehan’ny rahalahiny; nanomboka tamin’iny andro iny dia tonga tamin’i Davida ny Fanahin’NY TOMPO. Dia nitsangana i Samoela ka nankany Rama.
14
Dia niala tamin’i Saoly ny Fanahin’NY TOMPO, ary nisy fanahy ratsy avy tany amin’NY TOMPO nampahatahotra azy.
15
Hoy ny mpanompon’i Saoly taminy: Indro, misy fanahy ratsy avy any amin’Andriamanitra mampahatahotra anao.
16
Aoka ny tomponay haniraka anay mpanomponao izay eto anatrehanao, mba hitady olona mahay mitendry lokanga; koa rehefa misy fanahy ratsy avy amin’Andriamanitra tonga aminao dia hitendry amin’ny tanany izy ka ho tsara ianao.
17
Hoy i Saoly tamin’ny mpanompony: Mizahà ary izay olona mahay mitendry tsara ka ento etỳ amiko.
18
Hoy ny iray tamin’ny zatovony: Indro, ny iray amin’ny zanak’i Jese betlehemita no hitako mahay mitendry, sady lehilahy mahery sy mpiantafika izy no mahay mandaha-teny sy tsara tarehy, ary NY TOMPO momba azy.
19
Dia nandefa iraka tany amin’i Jese i Saoly hilaza hoe: Iraho hankaty amiko i Davida zanakao izay miandry ondry.
20
Ary naka mofo tokony ho zakan’ny boriky iray sy divay iray siny hoditra ary zanak’osy i Jese ka nampitondrainy an’i Davida zanany ho an’i Saoly ireo.
21
Dia tonga tany amin’i Saoly i Davida ka niseho teo anatrehany; ary tiany indrindra izy ka tonga mpitondra ny fiadiany.
22
Koa nandefa iraka tany amin’i Jese i Saoly hilaza hoe: Miangavy anao aho, avelao i Davida hitoetra eto anatrehako, satria efa mahita fitia amiko izy.
23
Rehefa nisy fanahy avy tany amin’Andriamanitra tonga tamin’i Saoly dia noraisin’i Davida ny lokanga ka notendren’ny tanany; dia maivamaivana sady nihatsara i Saoly, ary niala taminy ny fanahy ratsy.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31