bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Samuel 10
1 Samuel 10
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 11 →
1
Ary nandray tavoara feno diloilo i Samoela ka nanidina izany teo an-dohan’i Saoly sady nanoroka azy ary niteny hoe: Tsy nanosotra anao mba ho mpanapaka ny lovany va NY TOMPO?
2
Rehefa misaraka amiko ianao anio dia hahita olona roa lahy eo anilan’ny fasan’i Rahely, ao amin’ny faritry ny tanin’ny Benjamina, ao Zelza, ary hilaza aminao izy ireo hoe: Efa hita ny boriky izay notadiavinao; ary indro, tsy ny boriky intsony no heverin’ny rainao fa ianareo kosa indray no mampanahy azy ka hoy izy: Ahoana re no hataoko ny amin’ny zanako?
3
Handroso hiala avy eo ianao ka ho tonga eo amin’ny hazo terebinta any Tabara, dia hifanena amin’ny olona telo lahy miakatra ho any amin’Andriamanitra any Betela, ny iray dia mitondra zanak’osy telo, ny iray dia mitondra mofo telo ary ny iray dia mitondra divay eran’ny siny hoditra;
4
ary hiarahaba anao ireo sady hanome anao mofo roa, dia horaisinao avy amin’ny tanany izany.
5
Aorianan’izay dia ho tonga any Gibean’Andriamanitra izay misy tobin’ny miaramilan’ny Filistina ianao; rehefa tonga ao an-tanàna ianao dia hifanena amin’ny mpaminany maro iray dia, midina avy ao amin’ny toerana fanaovana sorona, mitondra lokanga sy ampongatapaka ary sodina sy valiha eo alohany, dia haminany ireo.
6
Ary ho tonga aminao ny Fanahin’NY TOMPO ka hiaraka haminany aminy ianao dia ho voaova ho olom-baovao.
7
Rehefa tonga aminao ireo famantarana ireo dia ataovy izay azon’ny tananao atao, fa Andriamanitra no momba anao.
8
Hidina eo alohako ho any Gilgala ianao, ary indro, hidina ho any aminao aho mba hanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana. Koa hafitoana no hiandrasanao mandra-pahatongako eo aminao, dia holazaiko anao izay hataonao.
9
Raha vao nihodina niala teo amin’i Samoela i Saoly dia nomen’Andriamanitra fo vaovao; ary tanteraka avokoa, tamin’io andro io ihany, ireo famantarana rehetra ireo.
10
Rehefa tonga tany Gibea izy dia indro, nisy mpaminany maro iray dia, nifanena taminy; ary tonga tamin’i Saoly ny Fanahin’Andriamanitra ka naminany teo anivon’ireo izy.
11
Nony hitan’izay rehetra nahafantatra azy talohan’io fa indro, maminany miaraka amin’ny mpaminany izy dia nifampilaza ny olona hoe: Inona izao tonga amin’ny zanak’i Kisy izao? I Saoly koa va mba isan’ny mpaminany?
12
Ary hoy koa ny iray tamin’izy ireo: Fa iza moa no rain’ireny? Izany no nisehoan’ny fitenenana hoe: I Saoly koa va mba isan’ny mpaminany?
13
Rehefa nitsahatra naminany i Saoly dia nankeo amin’ny toerana fanaovana sorona.
14
Hoy ny rahalahin-drain’i Saoly taminy sy tamin’ny mpanompony: Taiza no nalehanareo? Ary hoy ny navaliny: Nitady ny boriky izahay. Nony tsy hitanay dia nankany amin’i Samoela izahay.
15
Hoy ny rahalahin-drain’i Saoly: Miangavy anao aho, lazao amiko izay nolazain’i Samoela taminao.
16
Dia hoy i Saoly tamin’ny rahalahin-drainy: Nambarany taminay tokoa fa efa hita ny boriky. Fa ilay nolazain’i Samoela ny amin’ny fanjakana dia tsy mba nambarany taminy.
17
Ary namory ny vahoaka ho any amin’NY TOMPO any Mizpa i Samoela
18
ka niteny tamin’ny Zanak’Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Izaho no nitondra ny Israely niakatra avy tany Ejipta ka namonjy anareo tamin’ny tanan’ny Ejiptiana sy tamin’ny tanan’ny fanjakana rehetra izay nampahory anareo.
19
Nefa ianareo kosa androany dia nandà an’Andriamanitrareo izay mamonjy anareo amin’ny zavatra manjo anareo sy ny fahorianareo rehetra, satria hoy ianareo Taminy: Tsia, fa manendre mpanjaka ho anay. Koa ankehitriny, mijoroa eo anatrehan’NY TOMPO araka ny fokonareo sy ny fianakavianareo avy.
20
Dia nampanatona ny foko rehetra teo amin’ny Israely i Samoela ka ny fokon’i Benjamina no voatendry.
21
Ary nampanatona ny fokon’i Benjamina araka ny antokony avy izy ka ny antokon’i Matrita no voatendry. Dia voatendry i Saoly, zanak’i Kisy; kanefa rehefa nitady azy ny olona dia tsy nahita azy.
22
Dia nanontany tamin’NY TOMPO indray ny olona, na mba efa tonga ao Ralehilahy, na tsia. Hoy NY TOMPO: Indro, miery ao amin’ny entana izy.
23
Dia nihazakazaka ny olona ka naka azy tao; ary rehefa nitsangana teo afovoan’ny olona izy dia hita fa nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin’ny sorony noho miakatra ny halavany.
24
Ary hoy i Samoela tamin’ny vahoaka rehetra: Hitanareo va izay nofidin’NY TOMPO? Tsy misy tahaka azy eo amin’ny vahoaka rehetra! Dia nihoby ny vahoaka rehetra ka niteny hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!
25
Ary nilaza tamin’ny olona izay satan’ny fanjakana i Samoela, dia nosoratany tamin’ny taratasy izany ka napetrany teo anatrehan’NY TOMPO. Ary samy nalefan’i Samoela hody any an-tranony avy ny vahoaka rehetra.
26
Dia mba nandeha nody tany Gibea koa i Saoly, ary nomba azy ny olona maro izay nokasihin’Andriamanitra ny fony.
27
Fa nisy kosa olona tena ratsy fanahy niteny hoe: Hataon’io lehilahy io ahoana no famonjy antsika? Dia nanazimbazimba an’i Saoly ireo ka tsy nitondra fanomezana ho azy. Nangina anefa i Saoly.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31