bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Samuel 29
1 Samuel 29
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 30 →
1
Ary namory ny miaramilany rehetra ho ao Afeka ny Filistina; fa ny Israely kosa dia nitoby teo anilan’ny loharano ao Jezirela.
2
Nandroso nitarika ny miaramilany isan-jato sy isan’arivo ireo andrianan’ny Filistina; fa i Davida sy ny olony kosa dia nandroso teo aoriana niaraka tamin’i Akisy.
3
Hoy ireo andrianan’ny Filistina: Haninona moa ireto Hebreo ireto? Ary hoy i Akisy tamin’ireo andrianan’ny Filistina: Tsy io va no i Davida, mpanompon’i Saoly, mpanjakan’ny Israely, ilay tatỳ amiko elaela ihany izay, ary tsy hitako izay tsininy hatrizay nialany niandany tamiko ka mandraka androany?
4
Dia tezitra taminy ireo andrianan’ny Filistina ka niteny taminy hoe: Avereno ho any amin’ny fonenany izay efa nomenao azy ihany Ilehio fa aza avela hiara-midina amintsika hiady, fandrao ho tonga fahavalontsika raha miady; fa amin’ny inona no hahazoan’io sitraka amin’ny tompony? Tsy amin’ny lohan’ireto olona ireto va?
5
Tsy io moa no i Davida izay nandihizana sy nanaovana hira mifamaly hoe: I Saoly dia nahafaty arivoarivo, fa i Davida dia nahafaty alinalina?
6
Ary niantso an’i Davida i Akisy ka niteny taminy hoe: Raha velona koa NY TOMPO, olona marina ianao sady sitrako ny hiarahanao amiko mivoaka sy miditra eto an-toby satria tsy hitako izay tsininao hatrizay nahatongavanao teto amiko ka mandraka androany; nefa kosa tsy sitrak’ireo andriana ireo ianao.
7
Koa miverena ary mandehana soa amantsara mba tsy hanaovanao izay tsy sitrak’ireo andrianan’ny Filistina.
8
Fa hoy i Davida tamin’i Akisy: Inona no nataoko, ary inona no hitanao tamin’ny mpanomponao hatrizay nitoerako tatỳ aminao ka mandraka androany, no tsy hahazoako mandeha hiady amin’ny fahavalon’ny mpanjaka tompoko?
9
Dia namaly an’i Davida i Akisy hoe: Fantatro fa tsara eo imasoko tahaka ny anjelin’Andriamanitra ianao; nefa ireo andrianan’ny Filistina no niteny hoe: Tsy hiara-miakatra amintsika hiady izy.
10
Koa mifohaza vao maraina ianao mbamin’ny mpanompon’ny tomponao izay nanaraka anao; ary rehefa mifoha maraina ianareo ka mazava ny andro dia mandehana.
11
Ary nifoha vao mangiran-dratsy i Davida sy ny olony mba handeha hiverina maraim-be any amin’ny tanin’ny Filistina. Ny Filistina kosa dia niakatra nankany Jezirela.
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 30 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31