bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Samuel 8
1 Samuel 8
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 9 →
1
Rehefa antitra i Samoela dia ny zanany no nataony mpitsara ny Israely.
2
Joela no anaran’ny lahimatoany, ary Abia kosa no anaran’ny faralahiny; mpitsara tany Bery-Sheba izy ireo.
3
Tsy nanaraka ny dian’ny rainy anefa ny zanany fa nivily nitady vola aman-karena ka nandray kolikoly sy nanao fitsarana miangatra.
4
Ary nivory tao Rama ny loholon’ny Israely rehetra mba ho any amin’i Samoela
5
ka niteny taminy hoe: Indro, efa antitra ianao, ary ny zanakao dia tsy manaraka ny dianao; koa manendre mpanjaka mba hitsara anay, tahaka ny firenena hafa rehetra.
6
Tsy sitrak’i Samoela anefa ny nitenenan’ny olona hoe: Omeo mpanjaka izahay hitsara anay. Dia nivavaka tamin’NY TOMPO i Samoela.
7
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Samoela: Henoy ihany ny tenin’ny olona amin’izay rehetra lazainy aminao; fa tsy ianao no laviny, fa Izaho no laviny tsy hanjaka aminy.
8
Araka ny asa rehetra izay nataony hatramin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany Ejipta ka mandraka androany, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nanompoany andriamanitra hafa, dia toy izany koa no ataony aminao.
9
Ary ankehitriny, henoy ihany ny feony, kanefa lazao marina aminy ka ambarao aminy ny ho fanaon’ny mpanjaka izay hanjaka aminy.
10
Dia nambaran’i Samoela tamin’ny olona izay nangataka mpanjaka taminy ny teny rehetra nolazain’NY TOMPO.
11
Hoy izy: Izao no ho fahefan’ny mpanjaka izay hanjaka aminareo: Ny zanakareo lahy dia halainy ka hotendreny ho amin’ny kalesy fitondrany miady sy ho mpitaingin-tsoavaliny ary hihazakazaka eo alohan’ny kalesiny;
12
hotendreny ho mpifehy arivo sy ho mpifehy dimampolo, ary hiasa ny taniny sy hijinja ny vokany ary hamboatra ny fiadiany sy ny fanaka momba ny kalesy fitondrany miady izy;
13
ny zanakareo vavy dia halainy ho mpangaroharo zava-manitra ary ho mpahandro sy mpanao mofo;
14
ny tsara indrindra amin’ny sahanareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny tanin’olivanareo dia halainy ka homeny ny mpanompony;
15
ny ampahafolon’ny voan-javatrareo sy ny tanim-boalobokareo dia halainy ka homeny ny tandapany sy ny mpanompony;
16
ny mpanompolahinareo, ny mpanompovavinareo, ny zatovonareo tsara indrindra ary ny borikinareo dia halainy ka hampanaoviny ny asany.
17
Halainy koa ny ampahafolon’ny ondry aman’osinareo; ary ny tenanareo dia ho tonga mpanompony.
18
Dia hitaraina ianareo amin’izany andro izany noho ny mpanjakanareo izay nofidinareo ho anareo, nefa tsy hamaly anareo NY TOMPO amin’izany andro izany.
19
Kanefa tsy nety nihaino ny tenin’i Samoela ny olona, fa hoy izy: Tsia, fa aoka ihany hisy mpanjaka hanjaka aminay,
20
mba ho tahaka ny firenena hafa rehetra koa izahay ka ny mpanjakanay no hitondra anay sy handeha eo alohanay ary hitarika ny adinay.
21
Dia ren’i Samoela ny teny rehetra nolazain’ny olona ka nolazainy teo anatrehan’NY TOMPO.
22
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Samoela: Henoy ny teniny ka manendre mpanjaka ho azy. Dia hoy i Samoela tamin’ny lehilahin’ny Israely: Samia ary mandeha ho any amin’ny tanànanareo avy ianareo rehetra.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31