bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Chronicles 10
1 Chronicles 10
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 11 →
1
Ary niady tamin’i Israely ny Filistinina; dia nandositra azy ny Israelita ka faty maro no nitsitsitra teny an-tendrombohitra Gilbôa.
2
Nilofo nanenjika an’i Saoly sy ireo zanany lahy ny Filistinina, ka nahafaty an’i Jônatàna sy i Abinadaba ary i Melkisa izay samy zanakalahin’i Saoly.
3
Nanindry an’i Saoly ny fanafihana, ka sendra ny mpandefa tsipîka izy ary dia natahotra azy.
4
Dia hoy i Saoly tamin’ilay mpitondra ny fitaovam-piadiany: –Raiso ny sabatrao, ka trobaro aho, fandrao ho avy ireo mpanompo sampy ireo ka hanao ahy ho fihomehezana. Fa tsy nanaiky ilay mpitondra ny fitaovam-piadiany satria natahotra mafy. Koa nalain’i Saoly ny sabatra, dia nianjerany.
5
Ary rehefa hitan’ilay mpitondra ny fitaovam-piadiany fa maty i Saoly, dia mba nianjerany koa ny sabany ka maty izy.
6
Dia maty i Saoly ary niara-maty taminy koa ny zanany telo lahy sy ny ankohonany manontolo.
7
Rehefa hitan’ny Israelita rehetra izay nonina tao an-dohasaha fa nandositra ny tafik’i Israely sady maty i Saoly sy ny zanany, dia nandao tanàna izy ka nandositra. Tonga kosa ny Filistinina ka nipetraka tao.
8
Ny ampitso, nony tonga ny Filistinina haka ny zavatra teo amin’ny faty, dia nahita an’i Saoly sy ny zanany nitsitra teo an-tendrombohitra Gilbôa.
9
Dia nendahany i Saoly ary nentiny ny lohany sy ny fiadiany, ka nalefany hitety ny tanin’ny Filistinina hanambaràna izany vaovao izany amin’ny sampiny sy amin’ny vahoaka.
10
Avy eo dia napetrany tao an-tempolin’ilay andriamaniny anankiray ny fitaovam-piadian’i Saoly; ary ny karandohany nohomboany tao amin’ny tempolin’i Dagôna.
11
Rehefa ren’ny mponina rehetra tao Jabesy-Gilehada avokoa ny nataon’ny Filistinina tamin’i Saoly,
12
dia niainga ny lehilahy maherifo rehetra naka ny fatin’i Saoly sy ny fatin-janany, ka nitondra azy ho any Jabesy. Ny taolambalony dia naleviny teo am-pototr’ilay hazo terebinta tao Jabesy; ary nifady hanina nandritra ny fito andro ny olona mba ho fisaonana.
13
Eny, maty i Saoly noho ny fivadihany tamin’ny TOMPO: tsy nitandrina ny tenin’ny TOMPO manko izy, ary koa nanontany ny fanahin’ny maty tamin’ny mpamoha angatra
14
fa tsy nanontany ny TOMPO; ka dia nampamonoiny ho faty izy ary nafindrany tamin’i Davida, zanakalahin’i Jisay, ny fanjakana.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29