bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Chronicles 16
1 Chronicles 16
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 17 →
1
Dia nentina ny Vatamasina ka napetraka tao afovoan’ny tranolay izay efa namboarin’i Davida ho azy. Avy eo dia nisy sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana natolotra teo anatrehan’Andriamanitra.
2
Ary rehefa nahavita ireo sorona ireo i Davida, dia nitsodrano ny vahoaka tamin’ny anaran’ny TOMPO.
3
Nasainy nizaràna sakafo ny Israelita rehetra teo, ka na lehilahy na vehivavy dia samy nahazo mofo boribory iray sy didin-kena voatono iray ary ampempam-boaloboka iray avy.
4
Nisy levita sasany notendren’i Davida ho amin’ny fanompoana teo anoloan’ny Vatamasin’ny TOMPO mba hampahatsiaro sy hidera ary hanome voninahitra ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.
5
I Asafa no filohany, ary i Zakarià no lefitra. I Jahaziela sy i Semiramôta, i Jehiela sy i Matitià, i Eliaba sy i Benaià ary i Hôbeda-Edôma sy i Jehiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa i Asafa no nively ny kipantsona.
6
I Benaià sy i Elihezera mpisorona kosa no mpitsoka ny trompetra mandrakariva eo anoloan’ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’Andriamanitra.
7
Koa tamin’io andro io no voalohany nanendren’i Davida an’i Asafa sy ny namany hidera ny TOMPO.
8
Miderà ny TOMPO ianareo: ataovy antso avo ny lazany, ampahafantaro ny firenen-kafa ny asany lehibe!
9
Mihirà ho Azy ary mankalazà Azy amin-java-maneno; tantarao ny asa mahagaga rehetra nataony.
10
Ireharehao ny anarany masina; aoka hifaly ny fon’ireo mitady ny TOMPO.
11
Katsaho ny TOMPO mahery; tadiavo lalandava ny fanatrehany.
12
Ry taranak’i Israely mpanompony sady terak’i Jakôba voafidiny, tsarovy ny asa mahagaga nataony, dia ny zava-mahatalanjona vitany sy ny didim-pitsarana navoakany.
14
Izy no TOMPO Andriamanitsika; manerana ny tany tontolo ny fanapahany.
15
Tsarovy hatrany ny fanekempihavanany, dia ny fampanantenana izay napetrany ho an’ny taranaka arivo mifandimby:
16
Fanekempihavanana nataony tamin’i Abrahama sy fianianana nataony tamin’i Itsehàka.
17
Naoriny ho zo raikitra ho an’i Jakôba izany ho fanekempihavanana mandrakizay ho an’ny taranak’i Israely,
18
fony Andriamanitra nilaza hoe: «Homeko ho anao ny tany Kanahàna ho anjara lova ho anao sy ny taranakao ».
19
Tamin’izay ianareo mbola mora isaina, mpifindra monina vitsy kely teo amin’ny tany;
20
nivezivezy nitety firenena ianareo ka niala tamin’ny fanjakana iray hankany amin’ny vahoaka hafa.
21
Kanefa tsy nisy navelan’Andriamanitra hampahory anareo fa nampitandrina ny mpanjaka Izy noho ny aminareo hoe:
22
«Aza kasihina ireo voahosotro, ary aza asian-dratsy ireo mpitondra hafatro!»
23
Mihirà ho an’ny TOMPO, ry mponin’ny tany tontolo, torio isan’andro isan’andro ny namonjeny antsika.
24
Ambarao amin’ireo firenena ny voninahiny, lazao amin’ny vahoaka rehetra ny zava-mahagaga nataony.
25
Fa lehibe ny TOMPO ka mendrika hoderaina fatratra sady mahatahotra mihoatra noho ny andriamanitra rehetra.
26
Tsinontsinona avokoa ireo andriamanitry ny firenen-kafa, fa ny TOMPO kosa no nanao ny lanitra.
27
Fahalehibeazana sy famirapiratana no manodidina Azy, ary hery sy fifaliana no mameno ny fonenany.
28
Ianareo fianakaviamben’ny firenen-drehetra, tolory haja ny TOMPO fa be voninahitra sy hery.
29
Tolory haja ny TOMPO satria be voninahitra Izy. Mitondrà fanatitra ka mankanesa eo anatrehany; dia miankohofa eo anatrehan’ny TOMPO, rehefa miseho ny fahamasinany.
30
Mangovita eo anoloany, ry mponin’ny tany tontolo, fa izao rehetra izao voaorina mafy ka tsy hihontsona.
31
Aoka hifaly ny lanitra, ary hiravoravo ny tany! Lazao amin’ny olona hoe: «Ny TOMPO no mpanjaka!»
32
Aoka hirohondrohona ny ranomasina mbamin’izay ao anatiny! Aoka hibita-kafaliana ny saha mbamin’izay rehetra ao aminy!
33
Aoka ny hazo any an’ala hihoby mba hitsena ny TOMPO, satria tamy Izy. Eny, tamy Izy mba hifehy ny tany.
34
Miderà ny TOMPO ianareo fa tsara Izy: Eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany.
35
Lazao hoe: «Vonjeo izahay, ry Andriamanitra mpamonjy anay ô! Afaho avy any amin’ny hafa firenena izahay ka angony mba hideranay ny anaranao masina, sy hireharehanay amin’ny fankalazana Anao!»
36
Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay. Ary ny vahoaka rehetra niredona hoe: « Amen!» sy hoe: «Ankalazao ny TOMPO!»
37
Dia teo anoloan’ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO teo i Davida no nanankina adidy tamin-dry i Asafa sy ny namany mba hanao fanompoam-pivavahana tsy an-kiato eo, araka ny raharaha tokony hatao isan’andro;
38
nanankinany adidy koa ry i Hôbeda-Edôma sy ny namany 68 lahy, sy ilay Hôbeda-Edôma zanakalahin’i Jeditòna, ary i Hôsà mba ho mpiandry vavahady.
39
Ny adidy nankinin’i Davida tamin’i Tsadôka mpisorona sy ny mpisorona namany kosa dia ny raharaha teo anoloan’ny Tranolain ’ny TOMPO izay tao amin’ny toeram-panasinana any Gibehôna.
40
Izy ireo no hanatitra sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO tsy an-kiato marain-tsy hariva ary eo amin’ny alitara fisoronana sy hanao izay fandraharahana rehetra voasoratra ao amin’ny lalàna nandidian’ny TOMPO an’i Israely,
41
Niaraka tamin’ny mpisorona ry i Hemàna sy i Jedotòna ary ireo sisa voafidy sy voatondro anarana mba hidera ny TOMPO noho ny fitiavany maharitra mandrakizay.
42
Niaraka tamin’i Hemàna sy i Jedotòna, dia nisy trompetra sy kipantsona natao hampanenoina ary zava-maneno hafa natao hanarahana ny hira ho an’Andriamanitra; ary ny zanakalahin’i Jedotòna no mpiandry vavahady.
43
Farany, dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra; ary i Davida koa lasa nody mba hiarahaba ny ankohonany.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29