bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Chronicles 14
1 Chronicles 14
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 15 →
1
Nandefa iraka ho any amin’i Davida i Hirama mpanjakan’i Tiro, sady nandefa hazo sedera sy mpipai-bato ary mpandrafitra hazo mba hanao lapa ho azy.
2
Dia fantatr’i Davida tamin’izay fa ny TOMPO mihitsy no efa nanao azy ho mpanjaka teo amin’i Israely satria voasandratra avo ny fanjakany noho ny amin’ilay Israely vahoakan’Andriamanitra.
3
Dia mbola naka vady indray i Davida tao Jerosalema ka niteraka zazalahy sy zazavavy.
4
Ireto no anaran’ireo zanany teraka tao Jerosalema: i Simehà sy i Sôbaba, i Natàna sy i Salômôna,
5
i Jibehara sy i Elisoa, i Elpeleta
6
sy i Nôgà, i Nefega sy i Jafia,
7
i Elisamà sy i Beheliadà ary i Elifelety.
8
Nony ren’ny Filistinina fa efa voahosotra ho mpanjaka amin’i Israely manontolo i Davida, dia niakatra ny Filistinina rehetra mba hambabo an’i Davida. Nahare izany i Davida, ka nivoaka hifanehatra amin’ireo.
9
Dia tonga ny Filistinina ka nandroba tao amin’ny lohasahan’ny Refaîta.
10
I Davida kosa nanontany an’Andriamanitra hoe: –Handeha hamely ny Filistinina ve aho? Ary hatolotrao ho eo an-tanako ve ireo? Ka hoy ny TOMPO taminy: –Mandehana fa hatolotro ho eo an-tananao ireo.
11
Dia niakatra nankao Bahala-Peratsima i Davida ka namely ny Filistinina tao. Ary hoy i Davida hoe: –Ny tanako no namakian’Andriamanitra ny fahavaloko hipariaka toy ny rano vaky. Izany no nanaovana ny anaran’io toerana io hoe Bahala-Peratsima.
12
Dia nilaozan’ny Filistinina teo ireo andriamaniny ka nasain’i Davida nodorana tamin’ny afo.
13
Avy indray ny Filistinina ka nandroba tao amin’ny lohasahan’ny Refaîta.
14
Dia mbola nanontany an’Andriamanitra indray i Davida ka novaliany hoe: –Aza miakatra hanenjika azy; fa mivilia lavidavitra azy, dia manatòna azy avy eo amin’ny tandrifin’ny foto-boaroihazo.
15
Ary rehefa mahare hoatra ny figodongodon’olona eny an-tendron-kazo ianao, dia miaingà amin’izay hiady, satria efa miainga mialoha anao Andriamanitra mba handresy ny tafiky ny Filistinina.
16
Dia nanao araka izay nandidian’Andriamanitra azy i Davida, ka nandresy ny tafiky ny Filistinina hatreo Gibehôna ka hatrany Gezera.
17
Dia niely eran’ny tany rehetra ny lazan’i Davida, ary nataon’ny TOMPO matahotra an’i Davida ny firenena rehetra.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29