bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Chronicles 7
1 Chronicles 7
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 8 →
1
Efatra ny zanakalahin’i Jisakara: dia i Tôlà sy i Povà ary i Jasoba sy i Simrôna.
2
Ny zanakalahin’i Tôlà dia i Hozỳ sy i Refaià, i Jeriela sy i Jahimay ary i Jibsama sy i Samoela izay samy lohan’ireo fianakaviana nipoitra avy tamin’i Tôlà sady samy lehilahy mahery teo anatrehan’ny taranany. Tamin’ny andron’i Davida, dia 22 600 no isan’ny terak’i Tôlà.
3
Ny zanakalahin’i Hozỳ dia i Jizrahià; ny zanakalahin’i Jizrahià dia i Mikaela sy i Hôbadià ary i Joela sy i Jisià: izy dimy mianaka ireto dia samy loham-pianakaviana avokoa;
4
maro vady aman-janaka ny taranany, isam-pianakaviany, ka lehilahy mahery zatra miantafika 36 000 no nananany.
5
Ireo havany, ho an’ny fianakaviana sisa rehetra avy amin’ny fokon’i Jisakara, dia miisa 87 000 izy rehetra no lehilahy mahery.
6
Telo ny zanakalahin’i Benjamîna: dia i Bela sy i Bekera ary i Jedihaela.
7
Dimy ny zanakalahin’i Bela: dia i Etsebôna sy i Hozỳ mbamin’i Hoziela sy i Jerimôta ary i Hirỳ; samy lohan’ny fianakaviany avy izy dimy ireto, samy lehilahy mahery, ary dia 22 034 no isan’ny taranany.
8
Ny zanakalahin’i Bekera dia i Zemirà sy i Jôhasa, i Elihezera sy i Eliôhenay, i Hômrỳ sy i Jeremôta mbamin’i Abià sy i Hanatôta ary i Halmeta:
9
zanakalahin’i Bekera ireo rehetra ireo, samy lohan’ny fianakaviany avy, samy lehilahy mahery, ary dia 20 200 no isan’ny taranany.
10
Ny zanakalahin’i Jedihaela dia i Bilehàna; ary ny zanakalahin’i Bilehàna dia i Jehisa sy i Benjamîna, i Ehôda sy i Kenahanà mbamin’i Zetàna sy i Tarsisy ary i Ahisahara.
11
Ireo taranak’i Jedihaela rehetra ireo dia samy lohan’ny fianakaviany avy, ka 17 200 tao amin’ireo fianakaviana ireo no isan’ny lehilahy mahery zatra miantafika;
12
...sy i Sofama ary i Hofama. Ny zanakalahin’i Dana dia i Hosîma, izay zanany lahitokana.
13
Ny zanakalahin’i Naftalỳ dia i Jahasiela sy i Gonỳ ary i Jetsera sy i Saloma: samy zafin’i Bilehà ireo.
14
Ny zanakalahin’i Manase dia i Asriela sy i Makira; ilay vehivavy sirianina, vadikelin’i Manase, no niteraka azy roa lahy. I Makira no rain’i Gilehada.
15
Naka vady ho an’i Hopima sy ho an’i Sopima i Makira. Ny anaran’ny vadin’i Makira dia i Mahekà, ary ny anaran’ny lahiaivony dia i Tselôfahada izay tsy nanana afa-tsy zanakavavy.
16
I Mahekà, vadin’i Makira, dia mbola niteraka zazalahy anankiray ka i Peresa no anarana niantsoan-dreniny azy; i Seresa no anaran’ny rahalahin’i Peresa; ny zanak’i Seresa roa lahy dia i Olana sy i Rekema;
17
ary ny zanakalahin’i Olama dia i Bedàna. Ireo no taranak’i Gilehada zanakalahin’i Makira sy zafin’i Manase.
18
I Môleketa, anabavin’i Gilehada, dia niteraka an’i Isehôda sy i Abihezera ary i Mahalà.
19
Ny zanakalahin’i Semidà kosa dia i Ahiàna sy i Sekema ary i Likehỳ sy i Anihama.
20
Ny zanakalahin’i Efraîma dia i Sotela sy i Hezera ary i Elehada. (I Bereda no zanakalahin’i Sotela, i Tahàna zanakalahin’i Bereda, i Elehadà zanakalahin’i Tahàna, i Tahata zanakalahin’i Elehadà,
21
i Zabada zanakalahin’i Tahata, i Sotela zanakalahin’i Zabada). I Hezera sy i Elehada dia novonoin’ireo lehilahy tompon-tany tao Gata ho faty, satria nidina hangalatra ny biby fiompiny.
22
Nisaona azy mirahalahy ela i Efraîma rainy, ary tonga ireo havany hampionona azy.
23
Niray tamin’ny vadiny indray i Efraîma, dia nanana anaka ravehivavy ka nitera-dahy; ary nataon-drainy hoe Berihà ny anaran’ny zaza, satria nitoetra tao an-trano hatrany ity reniny noho ny fahoriana nidona.
24
Ny zanakavavin’i Efraîma dia i Seerà, izay nanorina an’i Bety-Hôrôna ambany sy i Bety-Hôrôna ambony ary i Ozena-Seerà.
25
I Refa no zanakalahin’i Berihà, i Resefa zanakalahin’i Refa, i Telà zanakalahin’i Resefa, i Tahàna zanakalahin’i Telà,
26
i Lahadàna zanakalahin’i Tahàna, i Hamihoda zanakalahin’i Lahadàna, i Elisamà zanakalahin’i Hamihoda,
27
i Nona zanakalahin’i Elisamà, i Josoa zanakalahin’i Nona.
28
Ny anjara tany amam-ponenan’ny taranak’i Efraîma dia ireto avy: i Betela mbamin’ireo tanàna kely miankina aminy; i Naharà, teo atsinanana; i Gezera mbamin’ireo tanàna kely miankina aminy, tao andrefana; i Sekema mbamin’ireo tanàna kely miankina aminy, hatrany Haià mbamin’ireo tanàna kely miankina aminy.
29
Teo am-pelatanan’ny taranak’i Manase kosa i Bety-Seàna sy i Tahanàka ary i Megidao sy i Dôra, mbamin’ireo tanàna kely samy miankina aminy avy. Tamin’ireo tanàna ireo no nonenan’ny taranak’i Jôsefa, zanakalahin’i Jakôba.
30
Ny zanakalahin’i Asera dia ry i Jimnà sy i Jisvà ary i Jisvỳ sy i Berihà; (i Sera no anabavin’ireo).
31
Ny zanakalahin’i Berihà dia i Hebera sy i Malkiela: (ity Malkiela ity no mpanorina an’i Birzaîta).
32
I Hebera niteraka an-dry i Jafleta sy i Semera ary i Hôtama mirahalahy mbamin’i Sohà anabavin’ireo.
33
Ny zanakalahin’i Jafleta dia i Pasako sy i Bimehala ary i Hasvata: ireo no zanakalahin’i Jafleta.
34
Ny zanakalahin’i Semera, rahalahin’i Jafleta, dia i Ahỳ sy i Rôhagà ary i Hobà sy i Arama.
35
Ny zanakalahin’i Hôtama, rahalahin’i Semera, dia i Tsôfa sy i Jimnà ary i Selesa sy i Hamala.
36
Ny zanakalahin’i Tsôfa dia i Soha sy, i Harnefera, i Sohaly sy i Berỳ, i Jimrà
37
sy i Betsera, i Hôda sy i Samà mbamin’i Silsà sy i Jitràna ary i Beerà.
38
Ny zanakalahin’i Jitràna dia i Jefonè sy i Pispà ary i Erà.
39
Ny zanakalahin’i Holà dia i Ara sy i Haniela ary i Ritsià.
40
Taranak’i Asera avokoa ireo: samy loham-pianakaviany avy, samy olomanga, samy lehilahy mahery, samy mpitondra mamiratra; ary dia 26 000 teo amin’ny taranak’i Asera no isan’ny miaramila mpiantafika.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29