bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Chronicles 27
1 Chronicles 27
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 28 →
1
Ny lehilahy israelita, na isam-batan’olona na loham-pianakaviana, na komandin-tafika mpifehy arivo sy mpifehy zato, na manampahefana, dia samy nanompo ny mpanjaka. Io fanompoana io dia ny raharaha rehetra momba ny antokon-tafika, izay nifandimby isam-bolana mandavan-taona. Isaky ny antokon-tafika dia nisy andiany 24;
2
ka ireto avy no mpibaiko azy: Volana voalohany: I Jasôbehama, zanakalahin’i Zabdiela sady isan’ny taranak’i Peretsa; filohan’ireo mpifehy miaramila rehetra izy amin’ny volana voalohany. Volana faharoa: i Dôday, avy any Ahôa; ilay komandy atao hoe Miklôta no manampy azy.
3
Volana fahatelo: i Benaià, zanakalahin’i Jôiadà mpisorombe. Lehilahy mahery anisan’ireo «Telopolo lahy» i Benaià; ary rehefa nanjary mpitarika ny «Telopolo lahy» izy, dia i Hamizabada zanany lahy no mpibaiko ny antokon-tafika.
4
Volana fahefatra: i Hasahela, rahalahin’i Jôaba; ary dia i Zebadià zanany lahy kosa tatỳ aoriana. Volana fahenina: i Hirà, zanakalahin’i Hikesy, avy any Tekôa. Volana fahafito: i Heletsa, avy any Peleta, isan’ny taranak’i Efraîma. Volana fahavalo: i Sibekay, avy any Hosà, isan’ny taranak’i Zera.
5
Volana fahasivy: i Abihezera, avy any Hanatôta, isan’ny taranak’i Benjamîna. Volana fahafolo: i Maharay, avy any Netôfa, isan’ny taranak’i Zera. Volana faha-11: i Benaià, avy any Pirehatôna, isan’ny taranak’i Efraîma. Volana faha-12: i Helday, avy any Netôfà, isan’ny taranak’i Hôtniela.
6
Ireto avy no filohan’ny fokon’i Israely: Tamin’ny fokon’i Reobena, dia i Elihezera zanakalahin’i Zikrỳ. Tamin’ny fokon’i Simehôna, dia i Sefatià zanakalahin’i Mahekà.
7
Tamin’ny fokon’i Levỳ, dia i Hasabià zanakalahin’i Kemoela. Tamin’ny taranak’i Aharôna, dia i Tsadôka.
8
Tamin’ny fokon’i Joda, dia i Elihò izay isan’ny rahalahin’i Davida. Tamin’ny fokon’i Jisakara, dia i Hômrỳ zanakalahin’i Mikaela.
9
Tamin’ny fokon’i Zebolòna, dia i Jismahià zanakalahin’i Hôbadià. Tamin’ny fokon’i Naftalỳ, dia i Jerimôta zanakalahin’i Hazriela.
10
Tamin’ny fokon’i Efraîma, dia i Hôsea zanakalahin’i Hazazià. Tamin’ny antsasa-pokon’i Manase, dia i Jôela zanakalahin’i Pedaià.
11
Tamin’ny antsasa-pokon’i Manase tao Gilehada, dia i Jidao zanakalahin’i Zakarià. Tamin’ny fokon’i Benjamîna, dia i Jahasiela zanakalahin’i Abnera.
12
Tamin’ny fokon’i Dana, dia i Hazarela zanakalahin’i Jerôhama. Ireo no filohan’ny fokon’i Israely.
13
Tsy nanisa ny hatramin’ny roapolo taona no ho midina i Davida, satria ny TOMPO efa nilaza hampitombo ny Israelita ho tahaka ny kintana eny amin’ny habakabaka.
14
Nanomboka fanisana i Jôaba zanakalahin’i Tseroià fa tsy namarana, noho ny fahatezeran’Andriamanitra vokatr’izany tamin’i Israely; ka tsy voasoratra ao amin’ilay boky atao hoe «Tantaran’i Davida mpanjaka » ny isan’ny mponina.
15
I Hazmavety, zanakalahin’i Hadiela, no mpiandraikitra ny zava-tsarobidin’ny mpanjaka. I Jônatàna, zanakalahin’i Hozià, no mpiandraikitra ny trano fitahirizam-bokatra, na tany ambanivohitra na tamin’ny tanàn-dehibe na tamin’ny tanàna kely na tamin’ny tilikambo fiarovana.
16
I Hezrỳ, zanakalahin’i Keloba, no mpiandraikitra ny tantsaha mpiasa tany.
17
I Simehỳ, avy any Ramà, no mpiandraikitra ny tanimboaloboka. I Zabdỳ, avy any Sefama, no mpiandraikitra ny tahirin-divay any amin’ny tanimboaloboka.
18
I Bahala-Hanàna, avy any Bety-Gedera, no mpiandraikitra ny voly ôliva sy aviavy any amin’ny lemak’i Sefelà. I Jôhasa no mpiandraikitra ny tahirin-diloilo.
19
I Sitray, avy any Sarôna, no mpiandraikitra ny omby nandrasana tany Sarôna. I Safata, zanakalahin’i Hadlay, no mpiandraikitra ny omby nandrasana tan-dohasaha.
20
I Ôbila, izay Jismahelita, no mpiandraikitra ny rameva. I Jehedeià, avy any Merônôta, no mpiandraikitra ny borikivavy.
21
I Jaziza, izay Hagrita, no mpiandraikitra ny ondry aman’osy. Ireo rehetra ireo no mpiandraikitra ny fananan’i Davida mpanjaka.
22
I Jônatàna, rahalahin-drain’i Davida sady lehilahy hendry sy be fahalalana, dia mpanolotsain’ny mpanjaka; ary i Jehiela, zanakalahin’i Hakmôny, no teo amin’ny zanaky ny mpanjaka.
23
I Ahitôfela koa dia mpanolotsain’ny mpanjaka; ary i Hosay, izay Arkita, no sakaizan’ny mpanjaka.
24
Ny nandimby an’i Ahitôfela dia ry Jôiadà zanakalahin’i Benaià sy ry Abiatara. Ary ny komandin’ny tafiky ny mpanjaka dia i Jôaba.
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 28 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29