bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Chronicles 18
1 Chronicles 18
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 19 →
1
Taorian’izany, dia nandresy ny Filistinina i Davida ka nampilefitra azy ary nalainy teo an-tanan’ny Filistinina i Gata sy ireo tanàna kely manodidina azy.
2
Nandresy ny Môabita koa izy; dia tonga olom-pehezin’i Davida ireo sady mpandoa hetra ho azy.
3
Mbola resin’i Davida koa i Hadadehezera mpanjakan’i Tsôbà, akaikin’i Hamata; tamin’iny nanitaran’i Hadadehezera ny fanjakany teny amoron’ny ony Eofrata iny indrindra no nandresen’i Davida azy.
4
Kalesy arivo sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila an-tongotra 20 000 no voababon’i Davida taminy; saingy nasain’i Davida nokapain-tongotra avokoa ny soavalin-kalesy fa ny tokony ho amin’ny kalesy zato ihany no sisa notazoniny.
5
Dia tonga ny Sirianina avy any Damasy mba hamonjy an’i Hadadehezera mpanjakan’i Tsôbà; kanefa nahafatesan’i Davida miaramila 22 000 koa ny Sirianina.
6
Nametrahan’i Davida governora tany Siria, faritr’i Damasy; ka dia tonga olom-pehezin’i Davida sady mpandoa hetra ho azy ny Sirianina. Fa nampandresy an’i Davida tamin’izay fanafihany rehetra ny TOMPO.
7
Ary nalain’i Davida ny ampinga volamena izay teny amin’ny mpanompon’i Hadadehezera ka nentiny tany Jerosalema.
8
Nahazoan’i Davida halimo be dia be koa tao Tibihata sy Kona, izay samy tanànan’i Hadadehezera; ka izany halimo izany no nanaovan’i Salômôna ilay fitobian-drano boribory goavana mbamin’ireo andry sy ireo fanaka halimo (tao an- tempoly).
9
Ren’i Tôhỳ, mpanjakan’i Hamàta, fa resin’i Davida avokoa ny tafik’i Hadadehezera mpanjakan’i Tsôbà;
10
dia nirahin’i Tôhỳ ho any amin’i Davida mpanjaka i Hadôrama zanany lahy mba hiarahaba sy hidera azy noho ny niadiany tamin’i Hadadehezera ka nandreseny azy, satria mpiady tamin’i Tôhỳ io Hadadehezera io; koa fanaka volamena sy volafotsy ary halimo isan-karazany no nampitondrain’i Tôhỳ ho an’i Davida.
11
Ireo fanaka ireo koa dia natokan’i Davida mpanjaka ho an’ny TOMPO, niaraka tamin’ny volafotsy sy volamena izay nentiny avy any amin’ny firenena hafa rehetra: dia ny Edômita sy Môabita ary Hamônita mbamin’ny Filistinina sy Hamalekîta.
12
I Abisay, zanakalahin’i Tseroià, dia nandresy ny Edômita tokony ho 18 000 lahy, tao amin’ny Lohasahan-tsira.
13
Dia nametrahany governora tao Edôma, ka tonga olom-pehezin’i Davida ny Edômita rehetra; ary nampandresy an’i Davida tamin’izay fanafihany rehetra ny TOMPO.
14
Dia nanjaka tamin’i Israely manontolo i Davida ka nanao ny rariny sy ny fahamarinana tamin’ny vahoakany rehetra.
15
I Jôaba zanakalahin’i Tseroià, no lehiben’ny tafika; i Jôsafata zanakalahin’i Ahiloda, no mpitondra tenin’ny mpanjaka,
16
i Tsadôka zanakalahin’i Ahitoba mbamin’i Abimelèka zanakalahin’i Abiatara no mpisorona; i Savesà no mpitantsoratra;
17
i Benaià, zanakalahin’i Jôiadà, no lehiben’ny Keretita sy Peletita mpiambina ny mpanjaka; ary ireo zanakalahin’i Davida kosa dia mpiara-miasa akaiky amin’ny mpanjaka.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29