bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Chronicles 11
1 Chronicles 11
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 12 →
1
Dia nivory teo amin’i Davida tao Hebrôna i Israely manontolo ka nanao hoe: –Indreto izahay havanao sy tapakao.
2
Fahiny, fony mbola nanjaka aza i Saoly, dia ianao ihany no mpitarika ny miaramilan’i Israely tamin’ny ady. Ary ny TOMPO Andriamanitrao efa nilaza taminao hoe: «Ianao no hitondra ilay Israely vahoakako, ary ianao no ho mpanapaka azy.»
3
Tonga tao amin’ny mpanjaka tao Hebrôna avokoa ny loholon ’i Israely. Ary tao Hebrôna dia nanaovan’i Davida fanekempihavanana teo anatrehan’ny TOMPO ry zareo, ka nanosotra azy ho mpanjakan’i Israely araka ny tenin’ny TOMPO nampilazainy an’i Samoela.
4
Ary nandeha i Davida sy ny Israelita rehetra hanao fahirano an’i Jerosalema, izay natao hoe Jebosa satria ny Jebosita, mponina tao amin’io faritany io, no nitoetra tao.
5
Dia hoy ireo mponina tao Jebosa tamin’i Davida: –Tsy ho tafiditra ato an-tanànanay ianao! Kanjo azon’i Davida ihany ny tanànamimanda, dia i Tsiôna izay hatao hoe « Tanànan’i Davida ».
6
Dia hoy i Davida: «Izay hamely voalohany ny Jebosita dia hatao filohan’ny tafika». Ary i Jôaba, zanakalahin’i Tseroià, no nanafika voalohany; koa izy no nanjary filohan’ny tafika.
7
Ary nipetraka tao amin’ilay tanànamimanda i Davida, koa izany no niantsoana azy hoe «Tanànan’i Davida».
8
Dia narafitr’i Davida ny tanàna manodidina, manomboka hatreo Milao ka miafara amin’ny trano fonenany; fa i Jôaba kosa no nanamboatra ny sisa tamin’ny tanàna.
9
Dia nihanatanjaka hatrany i Davida, satria ny TOMPOn’izao rehetra izao no niaraka taminy.
10
Ireto no filohan’ireo kalazan’i Davida, dia ireo kalaza nifikitra taminy nandritra ny nanjakany, ka efa niaraka tamin’i Israely lafy valo mba hampanjaka azy teo amin’i Israely araka ny tenin’ny TOMPO.
11
Izao no lisitr’ireo kalazan’i Davida: I Isbahala, zanakalahin’i Hakmônỳ sady filohan’ny «Tariky ny telo lahy». Izy no ilay nampandihy lefona hamelezana fahavalo telonjato lahy ka nahafaty azy tamin’ny ady indray mandeha monja.
12
Manaraka azy dia i Elehazara, zanakalahin’i Dôday avy any Ahôa sady anisan’ny «Tariky ny telo lahy» kalaza.
13
Niaraka tamin’i Davida izy tao Efesa-Damîna raha tafangona hiady tao ny Filistinina, ka vaky nandositra ny tafik’i Israely. Ary nisy tanimbary feno vary ôrza tao an-tsaha;
14
koa nanotrika tao afovoan’ny tanimbary i Elehazara sy ny olony, ka sady nanavotra ny tanimbary no namely ny Filistinina. Dia nomen’ny TOMPO fandresena miezinezina i Israely.
15
Indray andro, dia nisy telo lahy anisan’ny «andian’ny telopolo lahy» nidina ho eny amin’i Davida teo amin’ny harambato akaikin’ny zohin’i Hadolama, fa nisy tafiky ny Filistinina nitoby tao an-dohasahan’ny Refaîta.
16
Ary i Davida efa tao amin’ny fiereny raha mby tao Betlehema ny andia-miaramilan’ny Filistinina.
17
Tamin’izay, dia velom-paniriana tampoka i Davida ka nanao hoe: –Iza no hitondra rano hosotroiko avy amin’ilay fantsakana eo akaikin’ny vavahadin’i Betlehema?
18
Dia namakivaky ny tobin’ny Filistinina izy telo lahy ireto ka nanovo rano tamin’ilay fantsakana teo akaikin’ny vavahadin’i Betlehema, ary nitondra izany ho any amin’i Davida; kanjo tsy nety nisotro i Davida fa nanolotra izany ho an’ny TOMPO kosa ho fanatitra araraka,
19
sady hoy izy hoe: –Fady ahy eo anatrehan’Andriamanitra ny hisotro izany, fa midika ho misotro ny ran’ireo lehilahy nandeha nanao vy very ny ainy naka azy! Koa tsy nety nisotro i Davida. Izany no zava-bitan’ireo telo lahy maherifo ireo.
20
I Abisay, rahalahin’i Jôaba, no filohan’ny «andian’ny telopolo lahy». Izy no ilay nampandihy lefona hamelezana fahavalo telonjato lahy ka nahafaty azy, kanefa tsy tafiditra anarana tao anatin’ny «Tariky ny telo lahy».
21
Nomen-kaja avo roa heny kosa i Abisay teo amin’ny «andian’ny telopolo lahy» ka lasa lehibeny; saingy tsy afaka nifaninana tamin’ny «Tariky ny telo lahy» izy.
22
I Benaià, avy any Kabitseela, dia zanakalahin’i Jôiadà sady zafikelin’ny miaramila anankiray maherifo. Nahavita asa goavana maro i Benaià: izy no nahafaty ireo Ariela roa lahy avy any Môaba; izy koa ilay nidina tanaty lavaka iray ka nahafaty liona tao tamin’ny indray andro nisy oram-panala.
23
Mbola izy koa no nahafaty ilay Ejiptianina izay roa metatra sy sasany ny halàvany sady nirongo lefona lehibe toy ny voditenon’ny mpanenona. Tehina no namelezany azy, dia nosarihany teny an-tanan’ilay Ejiptianina ny lefony ka iny ihany no namonoany azy ho faty.
24
Ireo no zava-bitan’i Benaià, zanakalahin’i Jôiadà; kanefa tsy tafiditra anarana tao anatin’ny «Tariky ny telo lahy» kalaza izy.
25
Nomen-kaja i Benaià tao amin’ny «andian’ny telopolo lahy», kanefa tsy afaka nifaninana tamin’ny «Tariky ny telo lahy». Izy no voatendrin’i Davida hifehy ny mpiambina azy.
26
Ireto kosa ny kalaza maherifo hafa: i Hasahela, rahalahin’i Jôaba; i Elehanàna, zanakalahin’i Dôday, avy any Betlehema;
27
i Samôta, avy any Harôra; i Heletsa, avy any Palôna;
28
i Hirà, zanakalahin’i Hikesy, avy any Tekôa; i Abihezera, avy any Hanatôta;
29
i Sibekay, avy any Hosà; i Hilay, avy any Ahôa;
30
i Maheray, avy ao Netôfà; i Heleda, zanakalahin’i Bahanà, avy any Netôfà;
31
i Itahy, zanakalahin’i Ribay, avy any Gibehà-n’ireo taranak’i Benjamîna; i Benaià, avy any Pirehatôna;
32
i Horay, avy any amin’ny lohasahan-driakan’i Gahasa; i Abiela, avy any Harabà;
33
i Hazmavety, avy any Bahorîma; i Eliahabà, avy any Sahalbôna;
34
i Hasema, avy any Gizôna; i Jônatàna, zanakalahin’i Sagè, avy any Harara;
35
i Ahiama, zanakalahin’i Sakara, avy any Harara; i Elifala, zanakalahin’i Ora;
36
i Hefera, avy any Mekerà; i Ahià, avy any Palôna;
37
i Hetsirao, avy any Karmela; i Naharay, zanakalahin’i Ezbay;
38
i Jôela, rahalahin’i Natàna; i Mibihara, zanakalahin’i Hagrỳ;
39
i Tselèka, ilay Hamônita; i Naharay, avy any Beerôta, mpitondra ny fiadian’i Jôaba zanakalahin’i Tseroià;
40
i Hirà sy i Gareba, samy taranak’i Jetera;
41
i Orià, ilay Hetita; i Zabada, zanakalahin’i Ahelay;
42
i Hadinà, zanakalahin’i Sizà, anankiray amin’ireo lohandohan’ny foko robenita, sady ombàn’ny namany 30 lahy koa;
43
i Hanàna, zanakalahin’i Mahekà; i Jôsafata, avy any Metèna;
44
i Hozià, avy any Hastarôta; i Samà sy i Jehoela, samy zanakalahin’i Hôtama, avy any Harôhera;
45
i Jedihaela, zanakalahin’i Simrỳ, sy i Jôhà rahalahiny, avy any Titsa;
46
i Eliela, avy any Mahavà; i Jerihay sy i Jôsavià, zanakalahin’i Elnahama; i Jitmà, avy any Môaba;
47
i Eliela sy Hôbeda ary i Jahasiela, avy any Tsôbà.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29