bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Chronicles 15
1 Chronicles 15
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 16 →
1
I Davida dia nanao trano ho an’ny tenany tao «an- tanànan’i Davida », sady nanomana toerana sy nanorina tranolay teo ho an’ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’Andriamanitra.
2
Tamin’izay i Davida dia nilaza hoe; –Aza misy mitondra ilay Vatamasina afa-tsy ny levita ihany, satria ireo no efa nofidin’ny TOMPO hitondra ny Vatamasiny sy hanao ny fanompoana momba izany hatrany hatrany.
3
Dia novorin’i Davida tao Jerosalema i Israely lafy valo mba hampakatra ny Vatamasin’ny TOMPO ho eo amin’ny toerana izay efa namboarina ho azy.
4
Novorin’i Davida koa ny taranak’i Aharôna sy ny levita.
5
Ireto avy ny levita: tamin’ny taranak’i Kehata dia i Oriela lehibeny mbamin’ny namany 120 lahy;
6
tamin’ny taranak’i Merarỳ dia i Hasaià lehibeny mbamin’ny namany 220 lahy;
7
tamin’ny taranak’i Gersôna dia i Jôela lehibeny mbamin’ny namany 130 lahy;
8
tamin’ny taranak’i Elitsafàna dia i Semahià lehibeny mbamin’ny namany roanjato lahy;
9
tamin’ny taranak’i Hebrôna dia i Eliela lehibeny mbamin’ny namany valopolo lahy;
10
tamin’ny taranak’i Hoziela dia i Haminadaba lehibeny mbamin’ny namany 112 lahy.
11
Nantsoin’i Davida ny mpisorona, dia ry i Tsadôka sy i Abiatara, nantsoiny koa ny levita, dia ry i Oriela sy i Hasaià ary i Jôela mbamin-dry i Semahià sy i Eliela ary i Haminadaba,
12
ka nilazany hoe: –Ianareo loham-pianakaviana levita, manaova ny fomba fidiovana ianareo sy ny namanareo, dia ampakaro ilay Vatamasin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, ho eo amin’ny toerana izay efa namboariko ho azy.
13
Fa tamin’ny nampiakarana azy voalohany, dia tsy teo ianareo; noho izany, dia nasian’ny TOMPO Andriamanitsika mafy izahay satria tsy nanontany Azy araka ny fitsipika.
14
Dia nanao ny fomba fidiovana ny mpisorona sy ny levita mba hampakatra ny Vatamasin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.
15
Ary nolanjain’ny levita teny an-tsorony tamin’ny hazo ny Vatamasina, araka izay didin’i Mosesy mifandraika amin’ny tenin’ny TOMPO.
16
Ireo lehiben’ny levita kosa nasain’i Davida hanendry ny namany izay tokony hihira miaraka amin’ny zava-maneno, dia ny valiha sy ny lokanga ary ny kipantsona, ka hampanakoako ny feon-kira ho mariky ny firavoravoana.
17
Dia notendren’ny levita i Hemàna zanakalahin’i Jôela, sy i Asafa zanakalahin’i Berekià sady naman’i Hemàna, ary i Etàna zanakalahin’i Kosaià avy amin’ny fokon’i Merarỳ sady naman-dry i Hemàna sy i Asafa.
18
Miaraka amin’izy telo lahy, amin’ny laharana faharoa, ireto mpiandry vavahady namany ireto: dia i Zakarià zanakalahin’i..., i Jahaziela sy i Semiramôta, i Jehiela sy i Honỳ, i Eliaba sy i Benaià, i Mahaseià sy i Matitià, i Elifalà sy i Mikneià, i Hôbeda-Edôma sy i Jehiela ary i Hazazià.
19
I Hemàna sy i Asafa ary i Etàna mpiventy hira dia nively ny kipantsona varahina;
20
i Zakarià sy i Jahaziela, i Semiramôta sy i Jehiela, i Honỳ sy i Eliaba ary i Mahaseià sy i Benaià no nitendry tamin’ny valiha ireo gadom-peo ambony;
21
i Matitià sy i Elifalà, i Mikneià sy i Hôbeda-Edôma ary i Jehiela sy i Hazazià kosa no nitendry tamin’ny lokanga ireo gadom-peo ambany mba hanaingàn-kira.
22
I Kenanià, lehiben’ny levita nisahana ny fitondrana ny Vatamasina, no nampianatra momba ny fitondrana azy satria nanavanana azy izany.
23
I Berekià sy i Elkanà mpiandry vavahady no teo anilan’ny Vatamasina;
24
toraka izany koa i Hôbeda-Edôma sy i Jehià mpiandry vavahady. Ary ireto mpisorona ireto kosa, dia i Sebanià sy i Jôsafata, i Natanaela sy i Hamasay mbamin’i Zakarià sy i Benaià ary i Elihezera, no nitsoka trompetra teo alohan’ny Vatamasin’Andriamanitra.
25
Feno fifaliana i Davida sy ny loholon ’i Israely mbamin’ny komandin-tafika mifehy arivo no nandeha hampakatra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, avy ao an-tranon’i Hôbeda-Edôma.
26
Ary mba hanampian’Andriamanitra ny levita izay nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, dia notolorana sorona ombilahy fito sy ondrilahy fito Izy.
27
Akanjo rongony fotsy madinika no nanaovan’i Davida; niakanjo toy izany koa ny levita rehetra izay nitondra ny Vatamasina, sy ny mpiventy hira mbamin’i Kenanià lehiben’ny fitondrana ny Vatamasina. Ary ankoatra izany i Davida dia nisalotra ny lambahoany rongony fanaon’ny mpisorona.
28
I Israely lafy valo no nampakatra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO ho any Jerosalema; ka tamin’ny horakora-pifaliana, ombàn’ny feon’anjombona aman-trompetra sy kipantsona miaraka amin’ny tendry valiha sy lokanga, no nampakarany azy.
29
Fa rehefa tonga tao an- tanànan’i Davida ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, dia nitsirika teo am-baravarankely i Mikala, zanakavavin’i Saoly; ka nony nahita an’i Davida mpanjaka nitotorebika nandihy izy, dia naneso azy anakampony.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
Recommended Reading
Commentary
1 Chronicles Commentaries
→
Devotional
1 Chronicles Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→