bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Chronicles 9
1 Chronicles 9
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 10 →
1
Dia vita isa, araka ny firazanany avy, ny Israelita rehetra; ary indro efa voasoratra ao amin’ny boky firaketan’ny mpanjakan’i Israely izany. Ny olona tao Joda dia nentina ho babo tany Babilôna, noho ny fahotany.
2
Ireo tafaverina voalohany teo amin’ny taniny sy teo amin’ny tanànany aloha dia sarambabem-bahoaka israelita, vao ny mpisorona sy ny levita ary ny mpanampy azy ireo tao an- tempoly.
3
Tao Jerosalema no nonina ny sasany tamin’ny taranaky ry i Joda sy i Benjamîna ary i Efraîma sy i Manase.
4
Tamin’ny taranak’i Joda: avy tamin’ny terak’i Peretsa, dia i Hotahy zanakalahin’i Hamihoda sy zafin’i Homrỳ sy zafiafin’i Imrỳ ary zafin-dohalik’i Banỳ;
5
avy tamin’ny terak’i Selà, dia i Asaià lahimatoa sy ireo zanany lahy;
6
avy tamin’ny terak’i Zerà, dia i Jehiela. Ireo mbamin’ny havany rehetra dia nisy 690 tao Jerosalema.
7
Tamin’ny taranak’i Benjamîna: dia i Salò zanakalahin’i Mesolama sy zafin’i Hôdavià ary zafiafin’i Senoà;
8
i Jibneià zanakalahin’i Jerôhama; i Elà zanakalahin’i Hozỳ sy zafin’i Mikrỳ; i Mesolama zanakalahin’i Sefatià sy zafin’i Rehoela ary zafiafin’i Jibnià.
9
Samy lohan’ny fianakaviany avy ireo lehilahy rehetra ireo; izy mbamin’ny havany rehetra, araka ny firazanany avy, dia nisy 956 tao Jerosalema.
10
Tamin’ny mpisorona: dia i Jesahià, zanakalahin’i Jehôiakima; i Jehôiariba, zanakalahin’i Hazarià;
11
i Seraià, zanakalahin’i Hilkià sy zafin’i Mesolama sy zafiafin’i Tsadôka sy zafin-dohalik’i Meraiôta ary zafin-kitrokelin’i Ahitoba mpanapaka ny tempoly;
12
i Hadaià, zanakalahin’i Jerôhama sy zafin’i Pasehora ary zafiafin’i Malkià; i Mahesay, zanakalahin’i Hadiela sy zafin’i Jahazerà sy zafiafin’i Mesolama sy zafin-dohalik’i Mesilemôta ary zafin-kitrokelin’i Imera.
13
Ireo mbamin’ny mpisorona havany, izay samy lohan’ny fianakaviany avy, dia nisy 1 760: lehilahy mahery teo amin’ny fanaovana fanompoana tao an-tranon’Andriamanitra izy rehetra.
14
Tamin’ny levita: dia i Semahià, zanakalahin’i Hasoba sy zafin’i Hazrikama ary zafiafin’i Hasabià izay isan’ny taranak’i Merarỳ;
15
i Bakboko, zanakalahin’i Heresa sy zafin’i Galala; i Matanià, zanakalahin’i Mikà sy zafin’i Zikrỳ ary zafiafin’i Asafa;
16
i Hôbadià, zanakalahin’i Semahià sy zafin’i Galala ary zafiafin’i Jedotòna; i Berekià, zanakalahin’i Asà sy zafin’i Elkanà, izay nonina tao amin’ireo tanànan’ny Netôfatita.
17
Ny mpiandry vavahady dia ry i Saloma sy i Hakoba ary i Talmôna sy i Ahimàna mbamin’ireo namany; ka i Saloma no filohany.
18
Ireo no mpiandry vavahady tamin’ny tobin’ny levîta; ary ny taranany, mandraka izao, no eo amin’ny vavahadin’ny mpanjaka, dia ny vavahady atsinanana.
19
I Saloma, zanakalahin’i Kôrà sy zafin’i Abiasafa ary zafiafin’i Kôra, mbamin’ny Kôrahita havany satria fianakaviana iray razana aminy, ireo no mpanao fanompoana amin’ny fiandrasana ilay varavaran’ny Tranolay fihaonana; ary ny razany koa dia mpiandry an’ilay varavaran’ny tobin’ny TOMPO.
20
Taloha i Pinehasa, zanakalahin’i Elehazara, no mpanapaka ireo; ary nomba an’i Pinehasa ny TOMPO.
21
Ary i Zakarià, zanakalahin’i Meselemià, dia isan’ireo mpiandry ilay varavaran’ny Tranolay fihaonana.
22
Ny isan’izy rehetra voafidy ho mpiandry vavahady sy varavarana dia 212. Voasoratra tany amin’ny tanàna fiaviany avy ireo. I Davida sy i Samoela, ilay mpaminany isehoam-pahitana, no nanendry ny razambeny hanao izany raharaha izany noho ny toetra mahatoky nananany;
23
ka dia ireo sy ny taranany hatrany no teo amin’ny vavahadin’ny tranon’ny TOMPO sy teo akaikin’ny Tranolay fihaonana, mba hiambina azy.
24
Izy efa-dahy filohan’ny mpiandry vavahady no nanankinana ny vavahady efatra, dia teo atsinanana sy andrefana ary teo avaratra sy atsimo;
25
ny havany mpiara-miasa aminy kosa dia nonina tany amin’ny tanànany avy ary nasaina ho tonga, isaky ny fotoanandrony, mba hiasa mandritra ny herinandro.
26
Toetra mahatoky manko no nananan’ireo efa-dahy filohan’ny mpiandry vavahady ireo sady levita rahateo izy, ka niadidy ny efitrano fitahirizana mbamin’ny rakitry ny tempoly;
27
ary teny amin’ny fonenana manodidina ny tempoly no nandriany, satria adidiny koa ny fiambenana azy sy ny famohana azy isa-maraina.
28
Ny sasany tamin’ny mpiandry vavahady dia niadidy ny fanaka momba ny fanompoam-pivavahana, ka nanisa ireo fanaka entina hampiasaina sy entina haverina.
29
Ny sasany kosa notendrena hiadidy ny tavoara, dia ireo tavoara masina rehetra, ary koa hiadidy ny koba lafarinina sy ny divay ary ny menaka mbamin’ny vovo-javamanitra sy ny zava-mamerovero hafa;
30
kanefa dia mpisorona no tena mpiandraikitra ny fampifangaroana zava-manitra.
31
I Matitià, anankiray tamin’ny levita, dia lahimatoan’i Saloma izay taranak’i Kôra; noho ny toetra mahatoky nasehony, dia tonian’ny fanendasana mofomamy fanao fanatitra izy.
32
Ary i Benaià, taranak’i Kehata sady anankiray tamin’ireo levita, no tonian’ny mofo apetraka eo anatrehan’Andriamanitra ka namboatra azy isan- tsabata.
33
Ny mpiventy hira kosa, izay loham-pianakaviana teo amin’ny levita, dia nitoetra tao amin’ny efitrano voatokana ho azy; ary tsy nanana andraikitra hafa ireo satria nanao ny raharahany andro aman’alina.
34
Ireo àry no loham-pianakaviana teo amin’ny levita, dia loham-pianakaviana ho an’ny taranany avy, ary nonina tao Jerosalema.
35
Tao Gibehôna no nonina i Jehiela, ilay mpanorina io tanàna io; ary ny anaran’ny vadiny dia Mahekà.
36
I Habdôna no zanany lahimatoa, dia i Tsoro sy i Kisy, i Bahala sy i Nera, i Nadaba
37
sy i Gedôra mbamin’i Ahiao sy i Zakarià ary i Miklôta.
38
I Miklôta no ray niteraka an’i Simamy: izy mianaka ireto dia niara-nonina tamin’ny mpiray foko namany tany Jerosalema ka nifanandrify fonenana taminy.
39
I Nera no ray niteraka an’i Kisy; i Kisy, ray niteraka an’i Saoly; i Saoly, ray niteraka an-dry i Jônatàna sy i Melkîsa ary i Abinadaba sy i Esbahala.
40
Ny zanakalahin’i Jônatàna dia i Meribahala; i Meribahala no ray niteraka an’i Mikà.
41
Ny zanakalahin’i Mikà dia ry i Pitôny sy i Melèka ary i Taharea sy i Ahaza.
42
I Ahaza no ray niteraka an’i Jahirà; i Jahirà, ray niteraka an-dry Halemeta sy i Hazmavety ary i Zimrỳ; i Zimrỳ, ray niteraka an’i Môtsà;
43
i Môtsà, ray niteraka an’i Binehà. I Refaià no zanakalahin’i Binehà; i Elehasà no zanakalahin’i Refaià; ary i Atsela no zanakalahin’i Elehasà.
44
Nanan-janaka enina mirahalahy i Atsela ka ireto avy no anarany: i Hazrikama (lahimatoany) sy i Jismahela, i Seharià sy i Hazarià ary i Hôbadià sy i Hanàna; ireo no zanakalahin’i Atsela.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29