bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Chronicles 24
1 Chronicles 24
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 25 →
1
Ny amin’ireo taranak’i Aharôna dia nisy fitsinjarana azy ho antokony. Ny zanakalahin’i Aharôna dia i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara.
2
Maty talohan-drainy sady tsy nanan-janaka i Nadaba sy i Abihò; koa dia i Elehazara sy i Itamara no nanao ny raharaha maha mpisorona.
3
Tatỳ aoriana, dia i Davida sy i Tsadôka taranak’i Elehazara mbamin’i Ahimelèka taranak’i Itamara, no nitsinjara ireo taranak’i Aharôna ho antokony araka ny tandrifin’ny fanompoany avy.
4
Hita ho maro kokoa ireo lehilahy loham-pianakaviana tamin’ny taranak’i Elehazara noho ny tamin’ny taranak’i Itamara; ka ny taranak’i Elehazara dia notsinjaraina hisy loham-pianakaviana 16, ary ny taranak’i Itamara dia notsinjaraina hisy loham-pianakaviana valo.
5
Samy natao antsapaka ny fitsinjarana azy rehetra, satria samy mpiandraikitra ny Toeramasina sy mpiandraikitra ny raharahan’Andriamanitra, na ny avy tamin’ny taranak’i Elehazara na ny avy tamin’ny taranak’i Itamara.
6
I Semahià, izay zanakalahin’i Natanaela sady mpitantsoratra anankiray anisan’ny levita, no nanoratra izany fitsinjarazarana izany teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpanapaka, teo anatrehan’i Tsadôka mpisorona sy i Ahimelèka zanakalahin’i Abiatara, ary teo anatrehan’ny loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny loham-pianakavian’ny levita: hatrany hatrany, dia fianakaviana roa no nalaina antsapaka tamin’ny terak’i Elehazara, vao iray kosa tamin’ny terak’i Itamara.
7
Ny antsapaka voalohany dia azon’i Jôiariba; ny faharoa, azon’i Jedahià;
8
ny fahatelo, azon’i Harima; ny fahefatra, azon’i Sehôrima;
9
ny fahadimy, azon’i Malkià; ny fahenina, azon’i Miamîna;
10
ny fahafito, azon’i Hakôtsa; ny fahavalo, azon’i Abià;
11
ny fahasivy, azon’i Jesoa; ny fahafolo, azon’i Sekanià;
12
ny faha-11, azon’i Eliasiba; ny faha-12, azon’i Jakima;
13
ny faha-13, azon’i Hopà; ny faha-14, azon’i Jesebaba;
14
ny faha-15, azon’i Bilgà; ny faha-16, azon’i Imera;
15
ny faha-17, azon’i Hezira; ny faha-18, azon’i Hapitsetsa;
16
ny faha-19, azon’i Petahià, ny faharoapolo, azon’i Ezekiela;
17
ny faha-21, azon’i Jakina; ny faha-22, azon’i Gamola;
18
ny faha-23, azon’i Delaià; ny faha-24, azon’i Mahazià.
19
Izany no fitsinjarana ny taranak’i Aharôna ho antokony amin’ny fanompoany avy, mba hahatongavany ao an- tranon’ny TOMPO; araka ny fitsipika izay tena nifandraika tamin’ny didy nomen’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely no nampitan’i Aharôna razambeny azy.
20
Ny amin’ireo levita sisa dia izao: Tamin’ny taranak’i Hamrama dia i Sobaela; ary tamin’ny zanakalahin’i Sobaela dia i Jehedeià.
21
Tamin’ny zanakalahin’i Rehabià dia i Jisià no filohany.
22
Tamin’ny zanakalahin’i Jitsehara dia i Selômôta; ary tamin’ny zanakalahin’i Selômôta dia i Jahata.
23
Tamin’ny zanakalahin’i Hebrôna dia i Jerià no lahimatoa, i Amarià no lahiaivo, i Jahaziela no fahatelo ary i Jekamehama no faralahy.
24
Ny zanakalahin’i Hoziela dia i Mikà; ary tamin’ny zanakalahin’i Mikà dia i Samira.
25
I Jisià no rahalahin’i Mikà; ary tamin’ny zanakalahin’i Jisià dia i Zakarià.
26
Ny zanakalahin’i Merarỳ dia i Mahilỳ sy i Mosỳ ary i Jahazià.
27
Ny zafin’i Merarỳ, tamin’i Jahazià zanany, dia i Sôhama sy i Zakora ary i Hibrỳ;
28
ny zafin’i Merarỳ, tamin’i Mahilỳ, dia i Elehazara (izay tsy nanan-janakalahy)
29
sy i Kisy (izay i Jerahimeela no isan’ny zanakalahiny).
30
Ny zanakalahin’i Mosỳ kosa dia i Mahilỳ sy i Hedera ary i Jerimôta. Ireo no taranaky ny levita araka ny fianakaviany avy.
31
Toraka ireo rahalahiny, taranak’i Aharôna, ny levita koa dia mba notsinjaraina fanompoana tamin’ny antsapaka teo anatrehan’i Davida mpanjaka, teo anatrehan’i Tsadôka sy i Abimelèka, ary teo anatrehan’ny loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny loham-pianakavian’ny levita: samy natao antsapaka mifanarakaraka na ny fianakavian’ny zokiny na ny fianakavian’ny zandriny.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29