bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Chronicles 26
1 Chronicles 26
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 27 →
1
Ny amin’ny mpiandry vavahady, dia izao no fitsinjarana azy ho antokony: Tamin’ny taranak’i Kôra dia i Meselemià zanakalahin’i Kôra sady zafin’i Abiasafa.
2
Nisy fito lahy ny an’io Meselemià io ny zanany: dia i Zakarià lahimatoa, i Jedihaela lahiaivo, i Zebadià fahatelo, i Jatniela fahefatra,
3
i Helama fahadimy, i Jôhanàna fahenina, ary i Eliôhenay faralahy.
4
Ny an’i Hôbeda-Edôma dia nisy valo lahy ny zanany: i Semahià lahimatoa, i Jôzabada lahiaivo, i Jôà fahatelo, i Sakara fahefatra, i Natanaela fahadimy,
5
i Hamiela fahenina, i Jisakara fahafito, i Peholetahy faralahy; fa Andriamanitra efa nitahy an’i Hôbeda-Edôma.
6
I Semahià zanany dia niteraka zazalahy maromaro izay samy olom-banona ka tonga mpanapaka tao amin’ny isam-pianakaviany avy.
7
Ny zanakalahin’i Semahià dia i Hôtnỳ sy i Refaela ary i Hôbeda sy i Elzabada mbamin’ireo rahalahiny anankiroa izay samy olom-banona, dia i Elihò sy i Semakià.
8
Anisan’ny taranak’i Hôbeda-Edôma ireo rehetra ireo. Ny taranaka ombàn-janaka sy havana dia nisy 62 lahy ny an’i Hôbeda-Edôma no mpiandry vavahady: samy olom-banona avokoa sady mahery fo amin’ny fanompoany.
9
Ny an’i Meselemià dia nisy 18 lahy ny zanany sy ny havany no mpiandry vavahady: samy olom-banona avokoa.
10
Ny an’i Hôsà, izay anisan’ireo taranak’i Merarỳ, dia nisy efa-dahy ny zanany: i Simrỳ no voalohany (tsy lahimatoa izy kanefa nataon-drainy lohalaharana),
11
i Hilkià faharoa, i Tebalià fahatelo ary i Zakarià fahefatra. Ny an’i Hôsà dia nisy 13 lahy ny zanany sy ny havany rehetra no mpiandry vavahady.
12
Anjaran’ny antokon’ireo mpiandry vavahady sy anjaran’ny filohan’ireo vatan-dehilahy ireo ny manao fanompoana ao an- tranon’ny TOMPO, teo anilan’ireo levita rahalahiny.
13
Nanao antsapaka izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, araka ny fianakaviany, ny amin’ny vavahady tsirairay avy.
14
Ny amin’ny vavahady atsinanana, dia azon’i Selemià ny antsapaka. Ny amin’ny vavahady avaratra, dia i Zakarià zanany, izay mpanolotsaina hendry, no niantefan’ny antsapaka natao.
15
Ny amin’ny vavahady atsimo, dia azon’i Hôbeda-Edôma, ary ny amin’ny trano fitahirizana entana, dia azon’ireo zanany.
16
Ny amin’ny vavahady andrefana mbamin’ilay vavahady atao hoe Saleketa izay eo an-tampon’ny lala-miakatra dia azon’ny Hôsà. Nisy anjara fiambenana nifandimbiasana:
17
ka tamin’ny vavahady atsinanana, nisy levita enina isan’andro; tamin’ny vavahady avaratra, nisy levita efatra isan’andro; tamin’ny vavahady atsimo, nisy levita efatra isan’andro; tamin’ny trano fitahirizana entana, nisy sokajy anankiroa samy levita roa avy;
18
tamin’ny trano fanampiny, teo andrefana, nisy levita efatra ho an’ny lalana ary nisy levita roa ho an’ny trano.
19
Dia ireo no antokon’ny mpiandry vavahady tamin’ny taranak’i Kôra sy tamin’ny taranak’i Merarỳ.
20
Ny levita naman’ireo kosa dia nisy mpiandraikitra ny zavatra sarobidy tao an- tempolin’Andriamanitra, zavatra sarobidy izay voatokana ho an’Andriamanitra.
21
Tamin’ny taranak’i Lahadàna, ilay Lahadàna zanakalahin’i Gersôna, dia i Jehielỳ
22
sy ireo zanakalahin’i Jehielỳ, ary koa i Zetama sy i Jôela rahalahin’i Jehielỳ, samy loham-pianakaviany avy, no mpiandraikitra ny zavatra sarobidy tao an-tranon’ny TOMPO.
23
Ho an’ny Hamramita sy Jitseharita ary Hebrônita sy Hozielita,
24
dia i Sobaela, zanakalahin’i Gersôma sy zafin’i Mosesy, no mpiandraikitra ny zavatra sarobidy.
25
Ny havan’i Sobaela, avy amin’i Elihezera (rahalahin’i Gersôma), dia ireto avy: i Rehabià zanakalahin’i Elihezera, i Jesahià zanakalahin’i Rehabià, i Jôrama zanakalahin’i Jesahià, i Zikrỳ zanakalahin’i Jôrama, ary i Selômôta zanakalahin’i Zikrỳ.
26
Io Selômôta io sy ny havany no mpiandraikitra ny zavatra sarobidy voatokana ho an’Andriamanitra, dia ireo zavatra natokan’i Davida mpanjaka sy ireo loham-pianakaviany ary ny komandin-tafika mpifehy arivo sy mpifehy zato.
27
Tamin’ny fitaovana azon’ireo tamin’ny ady mantsy no nisy nanokanany mba hoenti-miahy ny tranon’ny TOMPO.
28
Ny zavatra rehetra, natokan’i Samoela mpaminany manam-pahitana sy natokan’i Saoly zanakalahin’i Kisy ary natokan’Abnera zanakalahin’i Nera sy natokan’i Jôaba zanakalahin’i Tseroià ho an’Andriamanitra, dia i Selômôta sy ny havany no mpiandraikitra ny fitahirizana azy.
29
Tamin’ny taranak’i Jitsehara, dia i Kenanià sy ny zanany no voatendry hanao ny raharaha fandaminana teo amin’i Israely, ka ho mpifehy sy mpitsara.
30
Tamin’ny taranak’i Hebrôna, dia i Hasabià sy ny havany, izay nisy olom-banona 1 700 lahy, no mpifehy ny faritr’i Israely andrefan’i Jôrdàna amin’ny raharaha rehetra momba ny TOMPO sy momba ny fanompoana ny mpanjaka.
31
Tamin’ny taranak’i Hebrôna, dia i Jerià no filoha; ny taona fahefapolo nanjakan’i Davida no nanaovana fikarohana ny amin’ny taranak’i Hebrôna araka ny tetiarana isam-pianakaviana, ka nahitana vatan-dehilahy olom-banona tao Jahizera any Gilehada.
32
I Jerià mbamin’ny havany dia nisy 2 700 lahy, samy olom-banona loham-pianakaviany avy, ka notendren’i Davida mpanjaka hifehy ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasam-pokon’i Manase amin’ny raharaha rehetra momba an’Andriamanitra sy momba ny mpanjaka.
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
Recommended Reading
Commentary
1 Chronicles Commentaries
→
Devotional
1 Chronicles Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→