bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Chronicles 21
1 Chronicles 21
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 22 →
1
Dia nitsangana hampidi-doza an’i Israely i Satàna ka nitaona an’i Davida hanisa ny vahoaka israelita.
2
Dia hoy i Davida tamin’i Jôaba sy tamin’ireo lehiben’ny vahoaka: –Ndeha isao ny Israelita manomboka ao Beera-Seba ka miafara any Dana; ary ento atỳ amiko ny tena isany mba ho fantatro.
3
Dia hoy i Jôaba hoe: –Ry andriamanjaka ô, hampitomboin’ny TOMPO ho injaton’izao anie ny isan’ny vahoakany! Efa mpanomponao izy rehetra. Koa nahoana ianao, ry andriamanjaka, no mitady an’izany fanisam-bahoaka izany? Nahoana ianao no hitarika fahotana ho amin’i Israely?
4
Saingy tsy azon’i Jôaba nolavina ny didin’ny mpanjaka; ka niainga ry i Jôaba nitety an’i Israely manontolo, ary niverina tao Jerosalema.
5
Dia natolotr’i Jôaba an’i Davida ny tarehimarika vokatry ny fanisam-bahoaka: i Israely manontolo dia nisy 1 100 000 ny lehilahy matanjaka mahatam-piadiana, ary i Joda dia nisy 470 000.
6
Fa ny fokon’i Levỳ sy i Benjamîna dia tsy mba nanaovan-dry i Jôaba fanisana niaraka tamin’ireo, satria tena tsy nankasitrahin’i Jôaba ny didin’ny mpanjaka.
7
Tsy sitrak’Andriamanitra izany zavatra izany, ka nasiany mafy i Israely.
8
Ary hoy i Davida tamin’Andriamanitra: –Efa nanao fahotana lehibe aho tamin’izao nataoko izao. Koa ankehitriny, mifona aminao aho mpanomponao, mba avelao ny heloko fa efa nanao fahadalana lehibe tokoa aho!
9
Ary hoy ny TOMPO tamin’i Gada, mpanolotsainan’i Davida:
10
–Ndeha mitenena amin’i Davida hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Famaizana telo no ataoko eto anoloanao, koa fidio izay iray hampihariko aminao».
11
Dia nankany amin’i Davida i Gada ka nanao taminy hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Mifidiana ianao:
12
telo taona hisian’ny mosary ve; sa telo volana haharesy anao eo anatrehan’ny mpiady aminao sy hahatraran’ny sabatry ny fahavalonao anao; sa telo andro hamelezan’ny TOMPO amin’ny sabatra, dia ny aretina pesta, ka ny anjeli n’ny TOMPO no hanao fandringanana eran’ny tanin’i Israely? Koa hevero tsara izay valin-teny hoentiko any amin’Ilay naniraka ahy.
13
Ary hoy i Davida tamin’i Gada: –Sanganehana mafy aho; nefa aleoko ho azon’ny tanan’ny TOMPO toy izay ho azon’ny tanan’olombelona, satria lehibe tokoa ny famindrampon’ny Tompo!
14
Dia aretina pesta no nalefan’ny TOMPO hamelezana an’i Israely, ka nahafatesana fito alina ny Israelita.
15
Ary nirahin’Andriamanitra hankany Jerosalema ilay anjely mba handringana azy; saingy, raha iny nandringana tao iny ilay anjely, ny TOMPO kosa nijery ka nanenina ny amin’izany loza izany sady niteny tamin’ilay anjely mpandringana hoe: –Aoka izay! Aketraho ny tananao ankehitriny! Tamin’izay ity anjelin’ny TOMPO dia nitsangana teo anilan’ny famoloan’ilay Jebosita atao hoe Araonà.
16
Nony natopin’i Davida ny masony, dia ilay anjelin’ny TOMPO no hitany nitsangana teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka izay natondrony manandrify an’i Jerosalema. Dia niankohoka i Davida sy ny loholona, izay efa samy nitafy lamba fisaonana rahateo.
17
Ary hoy i Davida tamin’Andriamanitra: –Tsy izaho ve no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho mihitsy no nanota sy tena nanao izany zava-dratsy izany; fa ireo vahoaka andianondriko ireo kosa, inona moa no mba nataony? Ry TOMPO Andriamanitro ô, mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny fianakaviako; fa aza dia ny vahoakanao no asianao amin’ny areti-mandringana.
18
Dia hoy ilay anjeli n’ny TOMPO tamin’i Gada: –Lazao i Davida mba hiakarany hanangana alitara ho an’ny TOMPO eo amin’ny famoloan’i Araonà izay Jebosita.
19
Dia niakatra i Davida, araka ny teny nolazain’i Gada tamin’ny anaran’ny TOMPO.
20
I Araonà dia nively vary tamin’izay. Ary niherika izy ka nahita an’ilay anjely; ny zanany efa-dahy izay niaraka taminy kosa dia lasa niery.
21
Ary nanatona an’i Araonà i Davida; vao nijery kosa i Araonà ka nahita an’i Davida, dia niala teo amin’ny famoloana ka nihohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Davida.
22
Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Araonà: –Mba omeo ahy ny tokotany misy ity famoloana ity, mba omeo ahy araka izay tena vidiny haloa vola; fa hanorenako alitara ho an’ny TOMPO izany mba hitsaharan’ny areti-mandringana tsy hamely ny vahoaka.
23
Fa hoy i Araonà tamin’i Davida: –Ento ho anao ny tokotany, ry andriamanjaka, ary ataovy izay sitrakao; indreto ny ombiko omeko anao koa ho sorona dorana manontolo, ny rambaramba ho kitay, ary ny vary ho fanatitra. Omeko anao avokoa ireo rehetra ireo.
24
Hoy kosa i Davida mpanjaka tamin’i Araonà; –Tsia, fa hovidiko mihitsy ny tokotany, araka ny tena vidiny haloa vola; fa tsy izay anao no halaiko ho an’ny TOMPO ary tsy zavatra azoko maimaim-poana no hataoko sorona dorana manontolo.
25
Dia nomen’i Davida sekela volamena eninjato i Araonà ho vidin’ny tokotany.
26
Teo no nanorenan’i Davida alitara ho an’ny TOMPO; ary nanolotra sorana dorana manontolo sy sorom-pihavanana izy sady niantso ny TOMPO, ka novaliany tamin’ny afo avy tany an-danitra, dia afo izay latsaka teo amin’ny alitara nisy ny sorona dorana manontolo.
27
Dia nodidian’ny TOMPO ilay anjely mba hampiditra ny sabany tamin’ny tranony.
28
Nony hitan’i Davida namaly vavaka azy ny TOMPO teo amin’ny famoloan’i Araonà izay Jebosita, dia nanjary nanolotra sorona teo izy isaky ny fotoanandro sahaza.
29
Tamin’izay ny tranolain ’ny TOMPO (tranolay nataon’i Mosesy tany an-taniefitra) sy ny alitara fanolorana sorona dorana manontolo dia teo amin’ny Toeramasina tao Gibehôna;
30
nefa tsy afaka nankany i Davida mba hanontany an’Andriamanitra, satria natahorany loatra ny sabatr’ilay anjelin’ny TOMPO.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29