bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Chronicles 17
1 Chronicles 17
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 18 →
1
Taorian’izany i Davida dia nipetraka tao amin’ny lapany; ka hoy izy tamin’i Natàna mpaminany: –Indro aho ity mipetraka amin’ny lapa vita hazo sedera kanefa ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO kosa ao anaty tranolay!
2
Dia hoy i Natàna namaly an’i Davida: –Tanteraho avokoa izay noeritreretinao hatao; fa momba anao Andriamanitra.
3
Tamin’ny alina iny ihany dia nisy tenin’Andriamanitra tamin’i Natàna nanao hoe:
4
–Ndeha lazao amin’i Davida mpanompoko fa Izaho TOMPO dia manambara izao hafatro izao: ‹Tsy ianao no hanao tempoly hitoerako.
5
Fa tsy mbola nitoetra an-tempoly aho hatramin’ny andro nampiakarako ny Israelita avy any Ejipta ka mandraka androany; fa Izaho dia nifindrafindra lay ary nifindrafindra fonenana.
6
Nandritra ny fotoana rehetra nifindrafindrako manerana an’i Israely, dia nanendry ireo mpitsaran’i Israely Aho mba ho mpiandry ny vahoakako; kanefa tsy nisy nomeko tsiny na dia anankiray tamin’ireo mpitsara ireo aza ka nilazako hoe: Nahoana Aho no tsy nanaovanareo trano vita hazo sedera?›
7
«Noho izany, lazao koa amin’i Davida mpanompoko fa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no mampita hafatra hoe: Izaho no naka anao tao am-piandrasana ondry tany an-kijàna mba hataoko mpanapaka eo amin’ny Israely vahoakako.
8
Nomba anao Aho tamin’izay rehetra nalehanao, ka nandripaka ny fahavalonao rehetra teo anoloanao; ary hataoko lehibe ny lazanao tahaka ny an’ireo olona ambony eto an-tany.
9
Ary handraiketako toerana iray hampiorenako azy ny Israely vahoakako, ka dia honina tsy hanana ahiahy amin’izany izy. Fa tsy hisy firenen-dozabe hampahory azy intsony tahaka ny taloha,
10
dia tamin’ny andro izay nanendreko ny mpitsara hifehy ny Israely vahoakako; ary haetriko ny fahavalonao. Ambarako aminao koa fa Izaho TOMPO no hanome taranaka ho anao.
11
Ary rehefa tapitra ny andronao ka lasa any amin’ny razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny anankiray amin’ireo zanakalahy naterakao ka haoriko mafy ny fanjakany.
12
Izy no hanao trano ho Ahy, ary haoriko mafy mandrakizay ny sezafiandrianany.
13
Izaho ho rainy, ary izy ho zanako; ka tsy hanesotra aminy na oviana na oviana ny fitiavako Aho tahaka ny nanesorako izany tamin’ilay mpanjaka talohanao.
14
Hataoko maharitra mandrakizay ao amin’ny tempoliko sy eo amin’ny fanjakako izy; ary ny sezafiandrianany tsy ho voahozongozona mandrakizay.»
15
Dia nambaran’i Natàna tamin’i Davida avokoa izay rehetra nolazain’Andriamanitra azy nandritra io fahitana io.
16
Ary nankeo anatrehan’ny TOMPO tao an-tranolay i Davida mpanjaka, ka nipetraka sady nivavaka hoe: –Ry TOMPO Andriamanitro ô, mba iza moa aho; ary mba inona ny fianakaviako no tonganao amin’ny toerana misy ahy izao?
17
Kanefa mbola kely izany eo imasonao, Andriamanitra ô, ka efa nanaovanao fampanantenana koa hatramin’ny taranako mbola any aoriana lavitra any; ary dia noheverinao ho olona ambony saranga aho. Ry TOMPO Andriamanitro ô,
18
inona no mbola azoko lazaina aminao momba ny voninahitra nomenao ahy satria Ianao no mahalala ahy mpanomponao?
19
TOMPO ô, noho ny amiko mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao izao asa lehibe manontolo izao mba hampahalalanao ny zava-dehibe rehetra vitanao.
20
TOMPO ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.
21
Ary iza moa no firenena hafa eto ambonin’ny tany tahaka ny Israely vahoakanao, ka nandehananao Andriamanitra mba havotanao ho vahoakanao? Eny, nampalaza Anao ireo zava-mahagaga sy mahatahotra vitanao mba handroahanao ny firenena hafa tsy ho eo anatrehan’ny vahoakanao izay navotanao avy tany Ejipta.
22
Ny Israely vahoakanao dia nataonao ho vahoakanao mandrakizay; ary Ianao kosa, TOMPO ô, no efa tonga Andriamaniny.
23
Ankehitriny, ry TOMPO, ny fampanantenana nolazainao momba ahy sy ny taranako dia aoka ho tanteraka hatrany hatrany, ka ataovy araka izay efa nampanantenainao.
24
Eny, aoka ho tanteraka izany, dia halaza mandrakizay ny anaranao, ka hatao hoe: «Ny TOMPOn’izao rehetra izao no Andriamanitra ho an’i Israely!»; ary aoka ny taranako haharitra tsy azo hozongozonina eo anatrehanao.
25
Satria Ianao, Andriamanitro ô, efa nanambara tamiko fa hanome taranaka ho ahy; koa izany no maha eto ahy mba hivavaka manatrika anao.
26
TOMPO ô, Ianao mihitsy no Andriamanitra, ary izaho mpanomponao no efa nampanantenainao izany zava-tsoa izany.
27
Koa dia ho sitrakao ny hitahy ireo taranako mba hitohy mandrakizay eo anatrehanao; satria raha Ianao no mitahy, TOMPO ô, dia ho voatahy mandrakizay izy.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29