bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Chronicles 6
1 Chronicles 6
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 7 →
1
Ny zanakalahin’i Levỳ dia i Gersôna sy i Kehata ary i Merarỳ.
2
Ireto avy no anaran’ny zanakalahin’i Gersôna: i Libnỳ sy i Simehỳ.
3
Ny zanakalahin’i Kehata dia i Hamrama sy i Jitsehara ary i Hebrôna sy i Hoziela.
4
Ny zanakalahin’i Merarỳ dia i Mahilỳ sy i Mosỳ. Ireto ny tarika ao anatin’ny fokon’i Levỳ, araka ny razana nipoirany:
5
Avy amin’i Gersôna; i Libnỳ zanakalahin’i Gersôna, i Jahata zanakalahin’i Libnỳ, i Zimà zanakalahin’i Jahata,
6
i Jôà zanakalahin’i Zimà, i Hidao zanakalahin’i Jôà, i Zera zanakalahin’i Hidao, ary i Jeôtray zanakalahin’i Zera.
7
Taranak’i Kehata: i Jitsehara zanakalahin’i Kehata, i Kôra zanakalahin’i Jitsehara, i Asiry zanakalahin’i Kôra
8
i Elkanà zanakalahin’i Asiry, i Abiasafa zanakalahin’i Elkanà,
9
i Tahata zanakalahin’i Abiasafa, i Oriela zanakalahin’i Tahata, i Hozià zanakalahin’i Oriela, ary i Saoly zanakalahin’i Ozià.
10
Taranak’i Elkanà: i Hamasay sy i Mahata mirahalahy,
11
dia i Elkanà zanakalahin’i Mahata, i Tsofo zanakalahin’i Elkanà, i Tôa zanakalahin’i Tsofo,
12
i Eliela zanakalahin’i Tôa, i Jerôhama zanakalahin’i Eliela, (ary i Samoela zanakalahin’i Jerôhama).
13
Ny zanakalahin’i Samoela dia i Jôela ny zokiny ary i Abià ny zandriny.
14
Taranak’i Merarỳ: i Mahilỳ zanakalahin’i Merarỳ, i Libnỳ zanakalahin’i Mahilỳ, i Simehỳ zanakalahin’i Libnỳ, i Hozà zanakalahin’i Simehỳ,
15
i Simehà zanakalahin’i Hozà, i Hagià zanakalahin’i Simehà, ary i Hasaià zanakalahin’i Hagià.
16
Taranak’i Levỳ no voatendrin’i Davida hihira tao an- tranon’ny TOMPO, niantomboka hatramin’ny nametrahana tao ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanana.
17
Ambara-panorin’i Salômôna ny tranon’ny TOMPO tao Jerosalema, dia nanao ny raharahan’ny mpihira teo anoloan’ny tranolay atao hoe Tranolay fihaonana ireo, ary nanatontosa ny fanompoany araka ny filaharany avy.
18
Ireto àry no mpanatontosa izany fanompoana izany ombàn’ny antokom-pihirany: Avy amin’ny taranak’i Kehata: i Hemàna mpiventy hira, zanakalahin’i Jôela sy zafin’i Samoela
19
sy zafiafin’i Elkanà sy zafin-dohalik’i Jerôhama sy zafin-kitrokelin’i Eliela sy zafim-paladian’i Tôa
20
ary zafin-dorian’i Tsofo, dia i Tsofo zanakalahin’i Elkanà sy zafin’i Mahata sy zafiafin’i Hamasay
21
sy zafin-dohalik’i Elkanà sy zafin-kitrokelin’i Jôela sy zafim-paladian’i Hazarià ary zafin-dorian’i Tsefanià,
22
dia i Tsefanià zanakalahin’i Tahata sy zafin’i Asiry sy zafiafin’i Abiasafa sy zafin-dohalik’i Kôra
23
sy zafin-kitrokelin’i Jitsehara sy zafim-paladian’i Kehata ary zafin-dorian’i Levỳ, dia i Levỳ zanakalahin’i Jakôba.
24
Teo ankavanan’i Hemàna no nipetrahan’i Asafa mpiventy hira namany. I Asafa dia zanakalahin’i Berekià sy zafin’i Simehà
25
sy zafiafin’i Mikaela sy zafin-dohalik’i Bahaseià sy zafin-kitrokelin’i Malkià
26
sy zafim-paladian’i Jeôtray ary zafin-dorian’i Zera, dia i Zera zanakalahin’i Hadaià
27
sy zafin’i Etàna sy zafiafin’i Zimà sy zafin-dohalik’i Simehỳ
28
sy zafin-kitrokelin’i Jahata sy zafim-paladian’i Gersôna ary zafin-dorian’i Levỳ.
29
Teo ankavian’i Hemàna kosa i Etàna mpiventy hira naman-dry i Hemàna sy i Asafa. Avy amin’ny taranak’i Merarỳ izy, fa zanakalahin’i Kisy sy zafin’i Habdỳ sy zafiafin’i Malòka
30
sy zafin-dohalik’i Hasabià sy zafin-kitrokelin’i Amatsià sy zafim-paladian’i Hilkià
31
sy zafin-dorian’i Ametsỳ, dia i Ametsỳ zanakalahin’i Banỳ sy zafin’i Semera
32
sy zafiafin’i Mahilỳ sy zafin-dohalik’i Mosỳ sy zafin-kitrokelin’i Merarỳ ary zafim-paladian’i Levỳ.
33
Ary ny levîta naman’ireo no nanankinana ny fanompoana hafa rehetra momba ny Tranolay fihaonana, tao an-tranon’Andriamanitra.
34
I Aharôna sy ny taranany no mampanetona ny sorona dorana manontolo eo ambony alitara fisoronana sy mampanetona ny vovo-javamanitra eo ambony alitara fandoroana azy; ka nanatanteraka ny raharaha rehetra tao amin’ny Toeramasina Indrindra izy ireo ary nanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny vahoaka Israely, araka izay rehetra nandidian’i Mosesy mpanompon’Andriamanitra.
35
Ireto avy ny taranak’i Aharôna: i Elehazara zanakalahin’i Aharôna, i Pinehasa zanakalahin’i Elehazara, i Abisoa zanakalahin’i Pinehasa,
36
i Bokỳ zanakalahin’i Abisoa, i Hozỳ zanakalahin’i Bokỳ, i Zerahià zanakalahin’i Hozỳ,
37
i Meraiôta zanakalahin’i Zerahià, i Amarià zanakalahin’i Meraiôta, i Ahitoba zanakalahin’i Amarià,
38
i Tsadôka zanakalahin’i Ahitoba, ary i Ahimahatsa zanakalahin’i Tsadôka.
39
Ireto no fonenan’ny taranak’i Levỳ, araka ny toerana nisy azy tao amin’ny zara taniny avy. Ny taranak’i Aharôna, avy amin’ny tarik’i Kehata, no voatendrin’ny antsapaka ho voalohany,
40
ka dia nomena ny tanàna Hebrôna mbamin’ny kijàna manodidina azy tao amin’ny Joda;
41
fa ny saha sy ny tanàna kely miankina amin’i Hebrôna kosa efa nomena an’i Kaleba zanakalahin’i Jefonè.
42
Ny nomena ny taranak’i Aharôna dia ireto tanàna fialofana ireto: i Hebrôna sy i Libnà, i Jatîra sy i Estemôa, i Hilèna sy i Debira ary i Hasàna, sy i Bety-Semesy mbamin’ny kijàna samy manodidina azy;
45
ny avy tamin’ny fokon’i Benjamîna dia i Geba sy i Halemeta ary i Hanatôta mbamin’ny kijàna samy manodidina azy. Dia 13 izany no isan’ny tanàna rehetra anjaran’ny taranak’i Aharôna araka ny fianakaviany avy.
46
Ny an’ny taranak’i Kehata sisa, araka ny fianakaviany avy, dia tanàna folo no azony tamin’ny antsapaka: ireo tanàna ireo dia avy tamin’ny fokon’i Efraîma sy ny fokon’i Dana ary ny antsasa-pokon’i Manase.
47
Ny an’i taranak’i Gersôna, araka ny fianakaviany avy, dia tanàna 13 no azony tamin’ny antsapaka: ireo tanàna ireo dia avy tamin’ny fokon’i Jisakara sy ny fokon’i Asera ary ny fokon’i Naftalỳ mbamin’ny antsasa-pokon’i Manase any Basàna.
48
Ny taranak’i Merarỳ, araka ny fianakaviany avy, dia tanàna 12 no azony tamin’ny antsapaka: ireo tanàna ireo dia avy tamin’ny fokon’i Reobena sy ny fokon’i Gada ary ny fokon’i Zebolòna.
49
Nomen’ny Israelita ho an’ny Levita ireo tanàna ireo sy ny kijàna samy manodidina azy.
50
Tamin’ny antsapaka ihany koa no nanomezana ireo tanàna avy tamin’ny fokon’i Joda sy ny fokon’i Simehôna ary ny fokon’i Benjamîna, dia ireo tanàna efa voatanisa etsy aloha.
51
Ho an’ireo fianakaviana sasany anisan’ny taranak’i Kehata, dia nisy tanàna ho faritra fonenany avy tamin’ny fokon’i Efraîma;
52
ka nomena azy ireto tanàna fialofana ireto: dia i Sekema, teo amin’ny tendrombohitr’i Efraîma, i Gezera sy i Jôknehama, i Bety-Hôrôna sy i Aialôna ary i Gata-Rimôna mbamin’ny kijàna samy manodidina azy;
55
ny tanàna avy tamin’ny antsasa-pokon’i Manase kosa, izany hoe i Tahanàka sy i Jiblehama mbamin’ny kijàna samy manodidina azy, dia nomena an’ireo fianakaviana sisa anisan’ny taranak’i Kehata.
56
Ho an’ny taranak’i Gersôna, araka ny fianakaviany avy, dia nisy tanàna avy tamin’ny antsasa-pokon’i Manase: dia i Gôlàna any Basàna sy i Hastarôta mbamin’ny kijàna samy manodidina azy;
57
nisy avy tamin’ny fokon’i Jisakara: dia i Kisiôna sy i Daberata ary i Ramôta sy i Hanema mbamin’ny kijàna samy manodidina azy;
59
avy tamin’ny fokon’i Asera: dia i Masala sy i Habdôna ary i Hokôta sy i Rehôta mbamin’ny kijàna samy manodidina azy;
61
nisy avy tamin’ny fokon’i Naftalỳ: dia i Kedesa any Galilea sy i Hamôsa ary i Kiriataîma mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.
62
Ho an’ireo taranak’i Merarỳ, izany hoe ny Levita sisa, dia nisy tanàna avy tamin’ny fokon’i Zebolòna: dia i Rimôna sy i Tabôra mbamin’ny kijàna samy manodidina azy;
63
nisy avy tamin’ny fokon’i Reobena, eny andafy atsinanan’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao: dia i Betsera any an-taniefitra sy i Jahatsa ary i Kedemôta sy i Mefahata mbamin’ny kijàna samy manodidina azy;
65
nisy avy tamin’ny fokon’i Gada: dia i Ramôta any Gilehada sy i Mahanaîma ary i Hesbôna sy i Jahizera mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29