bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Chronicles 13
1 Chronicles 13
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 14 →
1
Niarahan’i Davida nihevi-draharaha ny komandin-tafika mifehy arivo na mifehy zato ary ny mpanapaka rehetra;
2
ka taorian’izany, dia hoy i Davida tamin’ny Israelita rehetra tafangona teo: –Raha sitraky ny TOMPO Andriamanitsika, sady heverinareo fa tsara, dia andeha isika haniraka faingana ho any amin’ny mpiray firenena havantsika tavela manerana ny tanin’i Israely, indrindra amin’ny mpisorona sy ny levita any amin’ny tanànany sy ny kijanany avy, mba hitaona azy hikambana amintsika.
3
Dia halaintsika ho atỳ amintsika indray ny Vatamasina mirakitra ny Fanekempihavanan ’ilay Andriamanitsika, satria tsy nahoantsika izany tamin’ny andron’i Saoly.
4
Dia niombon-kevitra ny olona rehetra tafangona teo fa hanao araka izany satria teo imason’ny vahoaka rehetra dia mitombina ny fikasana.
5
Dia novorin’i Davida i Israely lafy valo, manomboka amin’ny sisin-tanin’i Ejipta ka hatrany Lebô-Hamàta, mba handeha haka ny Vatamasina, any Kiriata-Jeharima.
6
Ary niakatra niaraka tamin’ny Israelita rehetra i Davida ho any Bahalà, na hoe Kiriata-Jeharima, izay any Joda, mba hampakatra ilay Vatamasina fa eo amin’io Vatamasina io no iantsoana ny anaran’ny TOMPO Izay mipetraka eo ambonin’ny kerôbima.
7
Nalaina tao an-tranon’i Abinadaba ny Vatamasina, dia nataingina teo ambony sarety vaovao; ka i Hozà sy i Ahiao no mpandroaka ny sarety.
8
Ary i Davida sy ny Israelita rehetra dia niravoravo araka izay tratry ny heriny manontolo teo anatrehan’Andriamanitra, ka nihira niaraka tamin’ny lokanga sy ny valiha mbamin’ny amponga sy ny kipantsona ary ny trompetra.
9
Nony tonga teo akaikin’ny famoloan’i Kidôna izy ireo, dia naninji-tanana hihazona ny Vatamasina i Hozà satria saika hazeran’ny omby io.
10
Fa nirehi-pahatezerana tamin’i Hozà ny TOMPO ka namono nahafaty azy noho ny naninjirany tanana tamin’ny Vatamasina; dia teo anatrehan’Andriamanitra teo izy no maty.
11
Taitra i Davida satria tena namely mafy an’i Hozà ny TOMPO, koa io toerana io dia nantsoiny hoe «Peretsa-Hozà », ary mbola izany no fiantso azy mandraka androany.
12
Natahotra an’Andriamanitra i Davida tamin’izany andro izany ka nanao hoe: –Fomba ahoana no hitondrako ho atỳ amiko ny Vatamasin’Andriamanitra?
13
Koa tsy nafindran’i Davida ho any aminy, any an- tanànan’i Davida, ny Vatamasina; fa naviliny kosa izany ho ao an-tranon’i Hôbeda-Edôma, lehilahy avy any Gata.
14
Telo volana no nipetrahan’ny vatamasin’Andriamanitra niaraka tamin’ny ankohonan’i Hôbeda-Edôma, tanaty efitrano voatokana ho azy; ary dia notahîn ’ny TOMPO ny ankohonan’i Hôbeda-Edôma sy izay rehetra fananany.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29