bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Samuel 10
2 Samuel 10
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 11 →
1
Rehefa afaka izany dia maty ny mpanjakan’ny taranak’i Amona ka i Hanona zanany no nanjaka nandimby azy.
2
Ary hoy i Davida: Hanisy soa an’i Hanona, zanak’i Nahasy, aho, toy ny soa nataon’ny rainy tamiko. Ary naniraka ny mpanompony i Davida mba hitsapa alahelo azy ny amin’ny rainy. Dia tonga tany amin’ny tanin’ny taranak’i Amona ny mpanompon’i Davida.
3
Hoy anefa ireo mpanapaka ny taranak’i Amona tamin’i Hanona tompony: Moa heverinao ho fanajana ny rainao va no anirahan’i Davida olona hitsapa alahelo anao? Moa tsy hizaha ny tanàna sy hisafo azy ary handrava azy va no nanirahan’i Davida ireo mpanompony ireo hankaty aminao?
4
Dia nosamborin’i Hanona ny mpanompon’i Davida ka noharatany ny ila somony sady notapahiny hatreo amin’ny foto-peny ny akanjony; dia nalefany hody izy ireo.
5
Nisy lasa nanambara izany tamin’i Davida ka nandefa iraka izy hitsena azy ireo satria afa-baraka loatra ireo lehilahy ireo; ary hoy ny tenin’ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin’ny somotrareo, amin’izay vao mody ianareo.
6
Nony hitan’ny taranak’i Amona fa tonga mangidy hoditra eo anatrehan’i Davida izy dia nanakarama ny Arameana any Bety-Rehoba sy ny Arameana any Zoba izy, dia miaramila an-tongotra roa alina, ary olona arivo lahy tamin’ny mpanjakan’i Maka, ary roa arivo sy iray alina tamin’ny olona tany Toba.
7
Nony ren’i Davida izany dia naniraka an’i Joaba sy ny miaramila rehetra izy, dia ny lehilahy mahery.
8
Dia nivoaka hiady ny taranak’i Amona ka nilahatra teo anoloan’ny vavahady; ary ny Arameana avy any Zoba sy Rehoba sy ny olona avy tany Toba ary Maka kosa dia nitokana teny an-tsaha.
9
Rehefa hitan’i Joaba fa teo anoloany sady teo aorianany ny fahavalo dia nifidy olona tamin’ireo voafantina tamin’ny Israely rehetra izy ka nalahany hiady tamin’ny Arameana.
10
Ny olona sisa kosa dia nomeny hoentin’i Abisay rahalahiny mba halahany hiady amin’ny taranak’i Amona.
11
Ary hoy izy: Raha tsy tohako ny Arameana dia vonjeo aho; fa raha tsy tohanao kosa ny taranak’i Amona dia hovonjeko ianao.
12
Mahereza ary, koa aoka hitomban-dahy isika ho an’ny firenentsika sy ny tanànan’Andriamanitsika; ary aoka NY TOMPO hanao izay sitrapony.
13
Dia nandroso hiady tamin’ny Arameana i Joaba sy ny olona nanaraka azy ka nandositra niala teo anoloany ireo.
14
Nony hitan’ny taranak’i Amona fa nandositra ny Arameana dia mba nandositra niala teo anoloan’i Abisay koa izy ka niditra tao an-tanàna. Ary niverina avy namely ny taranak’i Amona i Joaba ka tonga tany Jerosalema.
15
Nony hitan’ny Arameana fa resy teo anoloan’ny Israely izy dia nivory izy ireo.
16
Ary nandefa iraka haka ny Arameana izay tany andafin’ny ony Eofrata i Hadadezera ka tonga tany Helama izy ireo. I Sobaka, komandin’ny miaramilan’i Hadadezera, no nitarika azy.
17
Nony nambara tamin’i Davida izany dia nampamory ny Israely rehetra izy ka lasa nita an’i Jordana dia tonga tany Helama. Ary nilahatra hiady amin’i Davida ny Arameana ka rafitra ny ady.
18
Vaky nandositra teo anoloan’ny Israely ny Arameana. Nahafaty fitonjato an-kalesy fitondra miady sy efatra alina an-tsoavaly tamin’ny Arameana i Davida sady namely an’i Sobaka koa, ilay komandin’ny miaramila, ka nahafaty azy teo.
19
Nony hitan’ny mpanjaka rehetra izay nanoa an’i Hadadezera fa resy teo anoloan’ny Israely izy dia nanao fihavanana tamin’ny Israely izy ireo ka nanompo azy. Dia natahotra ny Arameana ka tsy nety namonjy ny taranak’i Amona intsony.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24