bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Samuel 6
2 Samuel 6
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 7 →
1
Novorin’i Davida indray ny lehilahy voafantina rehetra tamin’ny Israely, telo alina no isany.
2
Ary niainga i Davida sy ny olona rehetra izay nanaraka azy ka niala tany Baala-Joda mba hampiakatra ny vata misy ny faneken’Andriamanitra izay niantsoana ny anaran’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izay mipetraka eo amin’ny kerobima.
3
Nataony teo amin’ny sarety vaovao ny vata misy ny faneken’Andriamanitra ka noentiny avy tao an-tranon’i Abinadaba teo an-kavoana; i Oza sy i Ahio, zanak’i Abinadaba, no nampandeha ny sarety vaovao.
4
Dia noentiny niala tao an-tranon’i Abinadaba teo an-kavoana niaraka tamin’ny vata misy ny faneken’Andriamanitra izany; i Ahio no nandeha teo alohan’ny vata misy ny Fanekena.
5
I Davida sy ny taranak’Israely rehetra kosa dia nitsinjaka teo anatrehan’NY TOMPO tamin’ny karazan-javamaneno samihafa natao tamin’ny hazo kipreso, dia tamin’ny lokanga, ny valiha, ny ampongatapaka, ny korintsana ary ny kipantsona.
6
Nony tonga teo amin’ny famoloanan’i Nakona izy ireo dia nanatsotra ny tanany tamin’ny vata misy ny faneken’Andriamanitra i Oza ka nihazona azy, satria nibolisatra ny omby.
7
Dia nirehitra tamin’i Oza ny fahatezeran’NY TOMPO ka namely azy teo Andriamanitra noho ny fahadisoany. Maty teo anilan’ny vata misy ny faneken’Andriamanitra izy.
8
Dia tezitra i Davida noho ny namelezan’NY TOMPO an’i Oza ka nataony hoe Pereza-Oza ny anaran’izany tany izany mandraka androany.
9
Natahotra NY TOMPO i Davida tamin’izany andro izany ka niteny hoe: Nahoana no hoentina atỳ amiko ny vata misy ny faneken’NY TOMPO?
10
Ary tsy nety namindra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ho ao aminy ao an-Tanànan’i Davida i Davida fa naviliny ho ao an-tranon’i Obeda-Edoma gatita izany.
11
Nipetraka telo volana tao an-tranon’i Obeda-Edoma gatita ny vata misy ny faneken’NY TOMPO; dia notahin’NY TOMPO i Obeda-Edoma sy ny ankohonany rehetra.
12
Ary nambara tamin’i Davida mpanjaka hoe: NY TOMPO efa nitahy ny ankohonan’i Obeda-Edoma sy izay nananany rehetra noho ny vata misy ny faneken’Andriamanitra. Dia nandeha i Davida ka nampiakatra ny vata misy ny faneken’Andriamanitra tamim-pifaliana avy tao an-tranon’i Obeda-Edoma ho any an-Tanànan’i Davida.
13
Rehefa namindra inenina ny mpitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia namono omby sy zanak’omby mifahy izy hatao fanatitra.
14
Ary nandihy tamin’ny heriny rehetra teo anatrehan’NY TOMPO i Davida sady nisalotra efoda vita tamin’ny lamba rongony.
15
Dia nampiakatra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO tamin’ny hoby sy ny feon’ny anjomara i Davida sy ny taranak’Israely rehetra.
16
Nony tonga teo an-Tanànan’i Davida ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nitsirika teo am-baravarankely i Mikala, zanakavavin’i Saoly, ka nahita an’i Davida mpanjaka nibitaka sy nandihy teo anatrehan’NY TOMPO. Dia nanabanty azy tao am-pony izy.
17
Ary nampidirina ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ka napetraka teo amin’ny fitoerany tao anatin’ny tranolay izay naorin’i Davida hitoerany; ary nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana teo anatrehan’NY TOMPO i Davida.
18
Nony voatolotr’i Davida ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanati-pihavanana dia nitsodrano ny vahoaka tamin’ny anaran’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izy.
19
Nomeny mofo iray sy hena didiny iray ary mofo voaloboka iray avy ny olona rehetra, izany hoe ny Israely rehetra, na lahy na vavy. Dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra.
20
Mba nody koa i Davida hitsodrano ny ankohonany. Fa tonga nitsena an’i Davida i Mikala, zanakavavin’i Saoly ary hoy izy: Akory ity voninahitry ny mpanjakan’ny Israely androany! Ilay nanary lamba anikeheo teo imason’ny zanakavavin’ny mpanompony, tahaka ny adala manary lamba ka tsy manan-kenatra.
21
Hoy kosa i Davida tamin’i Mikala: Teo anatrehan’NY TOMPO, izay nifidy ahy fa tsy ny rainao sy ny ankohonany rehetra ka nanendry ahy ho mpanapaka ny Israely, olon’NY TOMPO, eny, teo anatrehan’NY TOMPO no nandihizako.
22
Ary mbola hidina ambany kokoa noho izany aza aho ka hataoko tsinontsinona ny tenako; nefa hiaraka hanam-boninahitra amin’ireo tovovavy lazainao ireo kosa aho.
23
Tsy nanan-janaka intsony i Mikala, zanakavavin’i Saoly, mandra-pahafatiny.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24