bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Samuel 24
2 Samuel 24
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
1
Nirehitra tamin’ny Israely indray ny fahatezeran’NY TOMPO; dia nanome saina an’i Davida Izy mba hanao izay hahatonga loza amin’ny vahoakany hoe: Mandehana, isao ny Israely sy ny Joda.
2
Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Joaba, komandin’ny miaramila, izay teo aminy: Mandehana mitety ny fokon’Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bery-Sheba, ary alaminonareo ny vahoaka mba ho fantatro ny isany.
3
Fa hoy i Joaba tamin’ny mpanjaka: NY TOMPO Andriamanitrao anie hampitombo ny vahoaka ho injato toy izao, na firy na firy izy, ka ho hitan’ny mason’ny mpanjaka tompoko izany; fa inona no antony itiavan’ny mpanjaka tompoko hanao izany zavatra izany?
4
Nefa tsy azon’i Joaba sy ny komandin’ny miaramila nolavina ny tenin’ny mpanjaka. Dia niala teo anatrehan’ny mpanjaka i Joaba sy ny komandin’ny miaramila mba handamina ny lehilahin’ny Israely.
5
Ary nita an’i Jordana izy ireo ka nitoby tao Aroera eo ankavanan’ilay tanàna afovoan’ny lohasahan-driakan’i Gada ary nankany Jazera.
6
Tonga tany Gileada, tany amin’ny tanin’i Tatima-Hodsy izy, ary tonga tany Dana-Jana ka nanodidina hatrany Sidona,
7
ary tonga tao Tiro, tanàna mimanda, sy tany amin’ny tanànan’ny Hivita sy ny Kananita rehetra; dia nankany Negeva any Joda hatrany Bery-Sheba izy.
8
Nony efa nitety ny tany rehetra izy dia tonga tany Jerosalema, rehefa afaka sivy volana sy roapolo andro.
9
Dia natolotr’i Joaba ny mpanjaka ny isan’ny vahoaka voalamina ka nisy valo hetsy ny lehilahy mahery, mpanatsoaka sabatra tamin’ny Israely, ary dimy hetsy ny lehilahy tamin’ny Joda.
10
Namely azy ny eritreritr’i Davida rehefa voaisany ny olona. Koa hoy i Davida tamin’NY TOMPO: Efa nanota be aho tamin’izao nataoko izao; koa ankehitriny, mifona aminao aho, TOMPO ô, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe aho.
11
Nony nifoha maraina i Davida dia tonga tamin’i Gada mpaminany, mpahitan’i Davida, ny tenin’NY TOMPO hoe:
12
Mandehana ka lazao amin’i Davida hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Zavatra telo no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao.
13
Dia nankany amin’i Davida i Gada ka nanambara izany taminy ary niteny hoe: Mosary fito taona va no tianao ho tonga aminao eto amin’ny taninao? Sa handositra mandritra ny telo volana eo anoloan’ny fahavalonao ianao, satria henjehiny? Sa areti-mandringana mandritra ny hateloana eto amin’ny taninao? Koa saino sy hevero izay valiny hoentiko miverina any amin’Izay naniraka ahy.
14
Dia hoy i Davida tamin’i Gada: Indrisy! Tery loatra aho! Aleontsika ho azon’ny tanan’NY TOMPO, satria lehibe ny famindrampony, toy izay ho azon’izay tanan’olona.
15
Dia nasian’NY TOMPO areti-mandringana ny Israely nony maraina ka hatramin’ilay fotoana voalaza; ary nahafatesana fito alina ny olona hatrany Dana ka hatrany Bery-Sheba.
16
Ary nanatsotra ny tanany tamin’i Jerosalema Ilay Anjely handringana azy; fa nanenina NY TOMPO ny amin’ny loza ka niteny tamin’Ilay Anjely izay nandringana ny olona hoe: Aoka izay! Atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin’NY TOMPO dia teo amin’ny famoloan’i Araona jebosita.
17
Nony hitan’i Davida Ilay Anjely namely ny olona dia niteny tamin’NY TOMPO izy hoe: Indro, izaho no nanota, ary izaho no nanao ratsy; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Koa mifona aminao re aho, aoka hamely ahy sy ny ankohonan’ny raiko ny tananao!
18
Nankany amin’i Davida i Gada tamin’iny andro iny ka niteny taminy hoe: Miakara ka manangàna alitara ho an’NY TOMPO ao amin’ny famoloan’i Araona jebosita.
19
Dia niakatra i Davida, araka ny tenin’i Gada, araka izay nandidian’NY TOMPO.
20
Nitazana i Araona ka nahita ny mpanjaka sy ny mpanompony manatona azy; dia nidina izy ka niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny mpanjaka.
21
Ary hoy i Araona: Inona no antony ahatongavan’ny mpanjaka tompoko atỳ amin’ny mpanompony? Dia hoy i Davida: Hividy ny famoloana aminao mba hanorenako alitara ho an’NY TOMPO mba hitsaharan’ny areti-mandringana tsy hamely ny olona intsony.
22
Fa hoy i Araona tamin’i Davida: Aoka ny mpanjaka tompoko haka izay sitrany ka hanolotra izany ho fanatitra. Indreo ny omby ho fanatitra dorana manontolo ary ny fivelezam-bary sy ny hazo amin’ny zioga hatao kitay.
23
Izany rehetra izany, ry mpanjaka dia omen’i Araona ny mpanjaka. Hoy ihany i Araona tamin’ny mpanjaka: NY TOMPO Andriamanitrao anie hankasitraka anao.
24
Hoy ny mpanjaka tamin’i Araona: Tsia, fa tsy maintsy hovidiko aminao araka izay tokony ho vidiny ireo, satria tsy hanolotra fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO Andriamanitro amin’izay azoko maimaimpoana aho. Dia novidin’i Davida volafotsy sekela dimampolo ny famoloana sy ny omby.
25
Ary nanorina alitara ho an’NY TOMPO teo i Davida ka nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana. Dia neken’NY TOMPO ny fifonana natao ho an’ny tany ka nitsahatra tsy namely ny Israely intsony ilay areti-mandringana.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24