bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Samuel 17
2 Samuel 17
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 18 →
1
Hoy i Ahitofela tamin’i Absaloma: Aoka aho hifantina lehilahy roa arivo sy iray alina ka hiainga hanenjika an’i Davida anio alina.
2
Ho tonga ao aminy aho amin’ilay izy mbola sasatra sy reraka iny; hotairiko izy ka handositra ny vahoaka rehetra izay any aminy fa ny mpanjaka ihany no hasiako.
3
Haveriko ho etỳ aminao ny vahoaka rehetra avy eo; miankina amin’io lehilahy tadiavinareo io ny hiverenan’ny vahoaka rehetra ka hiadana ny olona rehetra.
4
Dia sitrak’i Absaloma sy ny loholon’ny Israely rehetra izany.
5
Kanefa hoy i Absaloma: Mba antsoy kosa i Hosay arkita, ary aoka ho rentsika koa izay teniny.
6
Nony tonga teo amin’i Absaloma i Hosay dia hoy i Absaloma taminy: Izany no hevitr’i Ahitofela; koa hanatanteraka ny teniny va isika? Sa ahoana kosa no hevitrao?
7
Hoy i Hosay tamin’i Absaloma: Tsy mety ny hevitra nataon’i Ahitofela tamin’ity indray mandeha ity.
8
Hoy ihany i Hosay: Ianao mahafantatra ny rainao sy ny olony fa olona mahery izy sady masiaka tahaka ny bera very anaka any an-tsaha; ary lehilahy mpiady rainao ka tsy miara-mitoetra amin’ny vahoaka raha alina.
9
Fa indro, miery any amin’ny lavaka iray izy izao, na any amin’ny toeran-kafa ka raha misy resiny amin’ny voalohany, izay mandre izany dia hiteny hoe: Nahafatesana ny olona manaraka an’i Absaloma,
10
ary na dia izay mahery ka manana fo tahaka ny fon’ny liona aza dia ho ketraka tokoa; satria fantatry ny Israely rehetra fa lehilahy mahery rainao, sady lehilahy mahery koa ireny manaraka azy ireny.
11
Koa izao kosa no mba hevitro: Aoka hovorina ho eto aminao avokoa ny Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bery-Sheba fa toy ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, ary ny tenanao mihitsy no hiantafika.
12
Dia ho tonga ao aminy amin’izay fitoerana iray hahitana azy isika ka hilatsaka aminy toy ny filatsaky ny ando amin’ny tany; dia tsy hasiantsika miangana na iray akory aza izy mbamin’izay olona rehetra manaraka azy.
13
Fa raha miditra an-tanàna izy dia hitondran’ny Israely rehetra mahazaka izany tanàna izany ka hotarihintsika ho any amin’ny ony ambara-paha tsy hisy na dia vato kely iray aza ho hita ao.
14
Ary hoy i Absaloma sy ny lehilahy rehetra amin’ny Israely: Tsara noho ny torohevitr’i Ahitofela ny torohevitr’i Hosay arkita. Fa efa notendren’NY TOMPO ny hahafoana ny sain-dalina nataon’i Ahitofela mba hampidiran’NY TOMPO loza amin’i Absaloma.
15
Dia hoy i Hosay tamin’i Zadoka sy i Abiatara mpisorona: Izany sy izany no hevitra nomen’i Ahitofela an’i Absaloma sy ny loholon’ny Israely; ary izao sy izao kosa no hevitra nomeko azy.
16
Koa maniraha olona haingana izao ary ambarao amin’i Davida hoe: Aza mitoetra any amin’ny tanetin’ny tany efitra anio alina fa mità haingana, fandrao ho levona na ny mpanjaka na ny olona rehetra miaraka aminy.
17
Ary nitoetra tao Eny-Rogela i Jonatana sy i Ahimaza satria tsy sahy niseho tao an-tanàna. Nisy mpanompovavy iray nivezivezy nitatitra tamin’izy ireo; izy roa lahy kosa dia nanambara tany amin’i Davida mpanjaka.
18
Nisy zatovo iray nahita azy ireo ka nanambara tamin’i Absaloma; nefa lasa haingana izy roa lahy ka tonga tao an-tranon’olona tao Bahorima izay nisy lavaka fantsakana teo an-tokotaniny; dia nidina tao izy roa lahy.
19
Dia naka rakotra ny vadin-dRalehilahy ka novelariny teo am-bavan’ny lavaka fantsakana; dia nanahy koba teo amboniny izy ka tsy nisy nahafantatra.
20
Nony tonga tao amin-dRavehivavy tao an-trano ny mpanompon’i Absaloma dia niteny hoe: Aiza i Ahimaza sy i Jonatana teto? Fa hoy Ravehivavy taminy: Efa tafita ny renirano kely izy izay. Nony efa nitady izy ireo ka tsy nahita dia niverina nankany Jerosalema
21
Rehefa lasa ireo dia niakatra avy ao amin’ny lavaka fantsakana izy roa lahy ka lasa nandeha ary nanambara tamin’i Davida mpanjaka hoe: Miaingà ka mità haingana ny rano; fa izany no hevitra nataon’i Ahitofela hamelezana anareo.
22
Dia niainga i Davida sy ny olona nanaraka azy ka nita an’i Jordana; ary nony maraina ny andro dia tsy nisy tsy tafita an’i Jordana na dia olona iray aza.
23
Nony hitan’i Ahitofela fa tsy narahina ny hevitra nataony dia nasiany lasely ny borikiny, ary niainga izy ka nody tany an-tranony tany an-tanànany; ary nanafatra ny ankohonany izy dia nananton-tena ka maty ary nalevina tao amin’ny fasan’ny rainy.
24
Tonga tao Mahanaima i Davida. Ary nita an’i Jordana i Absaloma, dia izy sy ny lehilahy rehetra amin’ny Israely izay nanaraka azy.
25
I Amasa no notendren’i Absaloma ho komandin’ny miaramilany ho solon’i Joaba; i Amasa moa dia zanak’ilay Israelita antsoina hoe Jitira, ilay nandry tamin’i Abigaila, zanakavavin’i Nahasy sady rahavavin’i Zeroia, renin’i Joaba.
26
Nitoby tany amin’ny tany Gileada ny Israely sy i Absaloma.
27
Nony tonga tao Mahanaima i Davida dia indreo, tamy i Soby, zanak’i Nahasy, avy any Raban’ny taranak’i Amona sy i Makira, zanak’i Amiela, avy any Lo-Debara ary i Barizilay gileadita, avy any Rogelima,
28
avy mitondra fandriana sy lamba volonondry, vilany tany sy varimbazaha isan-karazany, koba, lango, tsaramaso, voanemba, voanemba voaendy,
29
tantely, rononomandry, ondry ary zanak’omby ho an’i Davida sy ny olona nanaraka azy; fa hoy izy: Noana sy sasatra ary mangetaheta atỳ an-tany efitra ny vahoaka.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24