bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Samuel 4
2 Samuel 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 5 →
1
Nony ren’ny zanakalahin’i Saoly fa maty tany Hebrona i Abnera dia niraviravy tanana izy ary raiki-tahotra ny Israely rehetra.
2
Ary nisy roa lahy, lehiben’ny mpiadin’ny zanakalahin’i Saoly; i Bana no anaran’ny iray ary Rekaba no anaran’ny iray, samy zanak’i Rimona berotita tamin’ny taranak’i Benjamina ireo satria i Berota koa natao ho isan’ny an’i Benjamina;
3
ary nandositra nankany Gitaima ny Berotita dia nivahiny tany mandraka androany.
4
Nanan-janakalahy malemy tongotra i Jonatana, zanak’i Saoly. Dimy taona izy fony tonga avy tany Jezirela ny filazana ny nahafatesan’i Saoly sy i Jonatana; ary noentin’ny mpitaiza azy nandositra izy; ary raha noentiny nandositra tamin’ny fahatairana izy dia nianjera ka tonga malemy tongotra; i Mefiboseta no anarany.
5
Ary nandeha i Rekaba sy i Bana, zanak’i Rimona berotita; koa rehefa nafana ny andro dia tonga tao an-tranon’Isboseta izy ireo, tamin’ilay izy nandrinandry tamin’ny antoandro iny.
6
Dia niditra tao an-trano i Rekaba sy i Bana rahalahiny haka vary ka namely azy tamin’ny kibony dia lasa nandositra.
7
Fa niditra tao an-trano izy roa lahy raha iny nandry teo am-pandrianany tao amin’ny efitrano fandriany iny Isboseta. Dia namely azy izy roa lahy ka nahafaty azy. Notapahiny ny lohany ka noentiny ary nandeha nandritra ny alina namakivaky ny tany ngazana izy.
8
Nitondra ny lohan’Isboseta tany amin’i Davida tao Hebrona izy ka niteny tamin’ny mpanjaka hoe: Indro ny lohan’Isboseta, zanak’i Saoly fahavalonao izay nitady ny ainao; fa NY TOMPO efa namaly an’i Saoly sy ny taranany androany noho ny amin’ny mpanjaka tompoko.
9
Ary hoy i Davida tamin’i Rekaba sy i Bana rahalahiny, zanak’i Rimona berotita: Raha velona koa NY TOMPO, izay namonjy ahy tamin’ny fahoriana rehetra,
10
ilay nanambara tamiko hoe: Indro, maty i Saoly, ka nihevitra ny tenany ho mpitondra teny mahafaly dia nohazoniko ka novonoiko tao Ziklaga mba hanomezako azy ny valin’ny teny mahafaly noentiny!
11
Koa mainka raha misy olon-dratsy mamono lehilahy marina ao an-tranony, eo am-pandrianany; moa tsy hadiniko eo an-tananareo va ny rany, ary tsy hofongorako tsy ho amin’ny tany intsony va ianareo?
12
Dia nandidy ny zatovony i Davida hamono azy ireo ka notapahiny ny tanany sy ny tongony dia nahantony teo anilan’ny kamory tao Hebrona. Fa ny lohan’Isboseta kosa dia noentina ka nalevina tao am-pasan’i Abnera tao Hebrona.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24