bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Samuel 23
2 Samuel 23
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 24 →
1
Izao no teny farany nataon’i Davida: Hoy i Davida, zanak’i Jese, dia ny lehilahy izay voasandratra ho ambony, ilay voahosotry ny Andriamanitr’i Jakoba sady mpanao hira mahafinaritra ho an’ny Israely:
2
Ny Fanahin’NY TOMPO no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin’ny lelako;
3
Andriamanitry ny Israely milaza, eny, ny Vatolampin’ny Israely miteny amiko hoe: Indro ny mpanapaka ny olona; marina izy sady manapaka amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra;
4
izy dia toy ny fahazavan’ny maraina, raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona iny; ny ahitra dia mandrobona amin’ny tany noho ny hainandro manarakaraka ny ranonorana.
5
Moa tsy toy izany indrindra va ny taranako amin’Andriamanitra? Satria fanekena mandrakizay no nataony tamiko, voalamina amin’ny zavatra rehetra sady voatandrina; moa tsy hampitsimohiny va ny famonjena ahy rehetra sy ny faniriako rehetra?
6
Ny tena ratsy fanahy rehetra kosa dia tahaka ny tsilo ariana, fa tsy azo raisin’ny tanana izy;
7
Ary ny olona izay mikasika azy dia tsy maintsy mitondra vy sy zaran-defona; ary hodorana amin’ny afo avokoa amin’izay itoerany ireny.
8
Izao no anaran’ireo lehilahy maherin’i Davida: i Joseba-Basebeta takemonita no lehiben’ny mpanafika malaza. Izy no ilay Edino eznita izay namely ny valonjato lahy ka nahafaty azy tamin’ny ady indray mandeha monja.
9
Ny manarakaraka azy dia i Eleazara, zanak’i Dodo, zanak’i Ahoha, iray amin’izy telo lahy mahery teo amin’i Davida, raha nihantsy ny Filistina izay niangona hiady ireo ka niakatra ny lehilahy tamin’ny Israely.
10
Izy no nitsangana ka namely ny Filistina mandra-pahavizan’ny tanany ka efa niraikitra tamin’ny sabatra. Ary NY TOMPO nanao famonjena lehibe tamin’io andro io. Ny haka babo ihany no sisa niverenan’ny olona hanaraka an’i Eleazara.
11
Manarakaraka azy dia i Sama, zanak’i Age hararita. Nony nivory ho andiany iray teo amin’ny tany nisy voanemba maniry ny Filistina dia nandositra azy ny olona.
12
Nijoro teo afovoan’io tany io kosa anefa i Sama ka nahazo azy ary namono ny Filistina. Nanao famonjena lehibe NY TOMPO.
13
Nisy telo lahy samy malaza avy tamin’ny telopolo lahy nidina koa ka tonga tao amin’i Davida tao amin’ny zohin’i Adolama nony fararano; ary ny miaramilan’ny Filistina dia nitoby teo amin’ny lohasahan’ny Refaìta.
14
Tao amin’ny toeram-piereny i Davida tamin’izay ary ny miaramilan’ny Filistina kosa dia tao Betlehema.
15
Dia nilaza ny faniriany i Davida hoe: Iza re no mba hampisotro rano ahy avy amin’ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin’ny vavahady e!
16
Dia namakivaky teo amin’ny miaramilan’ny Filistina ireo telo lahy mahery fo ka nanovo rano tamin’ny fantsakana tao Betlehema, izay teo anilan’ny vavahady, dia noentiny ho any amin’i Davida; kanjo tsy nety nisotro izy fa naidiny ho an’NY TOMPO iny.
17
Fa hoy i Davida: Sanatria, TOMPO ô, raha hanao izany aho; tsy ran’ny lehilahy izay nandeha nanao vy very ny ainy va ity? Dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon’ireo telo lahy mahery fo ireo.
18
I Abisay, rahalahin’i Joaba, zanak’i Zeroia, no lehibe tamin’izy telo lahy, namely ny telonjato lahy tamin’ny lefona izy ka nahafaty azy ireo, ary izy no nalaza tamin’izy telo lahy.
19
Izy no be voninahitra noho izy telo lahy. Izy no lehibeny; nefa tsy nahomby noho izy telo lahy ireo izy.
20
Ary i Benaia, zanak’i Joiada, zanaka lehilahy mahay tany Kabezela, izay nahavita asa be, izy no namono ny roa lahy mahery tany Moaba; izy no nidina ka namono ny liona tao an-davaka fantsakana tamin’ilay andro nisy orampanala iny;
21
ary izy koa no namono ilay Ejiptiana makadiry be. Nitondra lefona teny an-tanany ilay Ejiptiana, nefa nidina teny aminy tamin’ny tehina i Benaia ka nosarihany ny lefona teny an-tanan’ilay Ejiptiana, ary iny lefony iny ihany no namonoany azy.
22
Izany no nataon’i Benaia, zanak’i Joiada, ary tamin’izy telo lahy mahery dia izy no nalaza.
23
Nalaza noho ny telopolo lahy izy, nefa tsy nahatratra ny vitan’izy telo lahy teo. Ary nanendry azy ho isan’ny mpanolotsaina azy i Davida.
24
I Asahela, rahalahin’i Joaba kosa no iray amin’ny telopolo; i Elanana, zanak’i Dodo, avy any Betlehema,
25
i Sama harodita, i Elika harodita,
26
i Heleza paltita, Ira, zanak’Ikesy tekoita,
27
i Abiezera anatotita, i Mebonay hosatita,
28
i Zalmona ahohita, i Maharay netofatita,
29
i Haleba, zanak’i Bana netofatita, Itahy, zanak’i Ribay, avy any Gibean’ny taranak’i Benjamina,
30
i Benaia piratonita, i Hiday, avy any amin’ny lohasahan-driakan’i Gaasy,
31
i Aby-Albona arbatita, i Azmaveta baromita,
32
i Eliaba salbonita, i Bene-Jasena, i Jonatana,
33
i Sama hararita, i Ahiama, zanak’i Sarara hararita,
34
i Elifeleta, zanak’i Ahasbay, zanaky ny Makatita, i Eliama, zanak’i Ahitofela gilonita,
35
i Hezray karmelita, i Paray arbita,
36
i Jigala, zanak’i Natana, avy any Zoba, i Bany gadita,
37
i Zeleka amonita, i Naharay berotita, mpitondra ny fiadian’i Joaba, zanak’i Zeroia,
38
Ira jitirita, i Gareba jitirita,
39
i Oria hetita. Fito amby telopolo no isan’izy rehetra.
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24