bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Samuel 18
2 Samuel 18
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 19 →
1
Nandamina ny olona izay nomba azy i Davida ka nanendry mpifehy arivo sy mpifehy zato hitarika azy.
2
Ary nampandeha ny olona i Davida, koa ny ampahatelony dia nofehezin’i Joaba, ny ampahatelony dia nofehezin’i Abisay, zanak’i Zeroia, rahalahin’i Joaba, ary ny ampahatelony sisa kosa dia nofehezin’Itahy gatita. Ary hoy ny mpanjaka tamin’ny vahoaka: Izaho koa dia tsy maintsy handeha hiaraka aminareo.
3
Fa hoy ny vahoaka: Tsy avelanay handeha ianao! Fa raha mandositra izahay dia tsy hahoany; ary na matiny sasaka aza izahay dia tsy hahoany akory; fa ianao no tahaka ny iray alina aminay; koa tsara raha avy ao an-tanàna ianao no mamonjy anay.
4
Hoy ny mpanjaka taminy: Izay sitrakareo ary no hataoko. Dia nitsangana teo anilan’ny vavahady ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra dia niainga hiady, isan-jato sy isan’arivo.
5
Ary nandidy an’i Joaba sy Abisay ary Itahy ny mpanjaka hoe: Noho ny amiko dia mamindrà fo amin’i Absaloma zatovo! Ny olona rehetra koa dia nahare ny nandidian’ny mpanjaka ny mpifehy rehetra ny amin’i Absaloma.
6
Dia nandeha teny an-tsaha ny vahoaka hiady amin’ny Israely ka rafitra tao amin’ny alan’i Efraima ny ady.
7
Resy teo anoloan’ny mpanompon’i Davida tao ny lehilahin’ny Israely ka be dia be no ringana androtr’izay: Olona roa alina.
8
Fa nihahakahaka teny rehetra teny ny ady; koa ny maty tao anaty ala tamin’io andro io dia be noho ny matin’ny sabatra.
9
Nifanehatra tamin’ny mpanompon’i Davida i Absaloma. Nitaingina ampondra izy ary nandeha teo ambanin’ny rantsan-kazo mikirindro tamin’ny hazo terebinta ny ampondra. Voahazon’ny hazo terebinta ny lohan’i Absaloma ka nikiraviravy teo anelanelan’ny lanitra sy ny tany izy, satria lasa ny ampondra nitaingenany.
10
Nisy lehilahy iray nahita izany ka nanambara tamin’i Joaba hoe: Indro, hitako mihantona amin’ny hazo terebinta i Absaloma.
11
Ary hoy i Joaba tamin’ilay lehilahy nilaza taminy: Koa nahoana, raha nahita azy ianao, no tsy nasianao izy hianjera amin’ny tany? Tsy maintsy ho nomeko sekela volafotsy folo sy fehikibo ianao raha nanao izany.
12
Fa hoy Ralehilahy tamin’i Joaba: Na dia efa tonga eo an-tanako aza ny sekela volafotsy arivo dia tsy hanainga ny tanako hamely ny zanaky ny mpanjaka aho; fa teo anatrehanay no nandidian’ny mpanjaka anao sy i Abisay ary Itahy hoe: Samia mitandrina an’i Absaloma zatovo.
13
Koa raha nanao zavatra am-pitaka taminy hahavery ny aiko aza aho dia tsy misy zavatra azo afenina amin’ny mpanjaka; ary na ianao io aza dia ho nihatakataka tamiko.
14
Dia hoy i Joaba: Tsy handany andro foana eto aminao aho. Ary nitondra lefona telo teny an-tanany izy ka natsatony tamin’ny fon’i Absaloma, tamin’izy mbola velona teo amin’ny hazo terebinta iny.
15
Nisy koa zatovo folo, mpitondra ny fiadian’i Joaba, nanodidina an’i Absaloma ka namely azy ho faty.
16
Dia nitsoka ny anjomara i Joaba ka nitsahatra tsy nanenjika ny Israely intsony ny vahoaka, satria nandrara azy ireo i Joaba.
17
Dia nalain’ny olona i Absaloma ka natsipiny tao an-davaka lehibe iray tao anaty ala; dia nasiany antontam-bato lehibe teo amboniny; ary samy nandositra ho any amin’ny tranolainy avy ny Israely rehetra.
18
Fony mbola velona i Absaloma dia efa naka vato izy ka nanao ilay tsangambato ho an’ny tenany tao an-dohasahan’ny mpanjaka, satria hoy izy: Tsy manan-janakalahy hamelo-maso ahy aho; dia nataony araka ny anaran’ny tenany ihany ilay tsangambato, koa ny anarany dia mbola antsoina hoe Fahatsiarovana an’i Absaloma mandraka androany.
19
Dia hoy i Ahimaza, zanak’i Zadoka: Aleo aho hihazakazaka hitondra teny mahafaly ho any amin’ny mpanjaka ny amin’ny nanomezan’NY TOMPO azy ny rariny ka nahafahany tamin’ny fahavalony.
20
Fa hoy i Joaba taminy: Tsy ho mpitondra teny mahafaly ianao raha mandeha anio satria maty ny zanakalahin’ny mpanjaka, fa amin’ny andro hafa dia mbola hitondra teny mahafaly ihany ianao.
21
Ary hoy i Joaba tamin’ity Kosita iray: Andeha, ambarao amin’ny mpanjaka izay efa hitanao. Ary niankohoka teo anatrehan’i Joaba ilay Kosita dia lasa nihazakazaka.
22
Fa mbola niteny tamin’i Joaba ihany i Ahimaza, zanak’i Zadoka hoe: Na inona na inona hitranga, aoka ihany aho mba hiezaka koa hanaraka ilay Kosita. Fa hoy i Joaba: Ahoana no hiezahanao, anaka; fa na dia mandeha aza ianao dia tsy hisy teny mahafaly hahazoanao fitia tsinona?
23
Na inona na inona hitranga, hoy izy, aoka ihany aho hiezaka. Dia hoy i Joaba taminy: Miezaha ary. Ary niezaka tamin’ny lalana eny amin’ny lemaka i Ahimaza ka nihoatra an’ilay Kosita.
24
Nipetraka teo anelanelan’ny vavahady roa i Davida; ary niakatra teo ambony vavahady teo amin’ny manda ny mpitily ka nanopy ny masony dia nahita fa indrỳ misy lehilahy iray mihazakazaka.
25
Dia niantso ny mpitily ka nilaza tamin’ny mpanjaka. Hoy ny mpanjaka: Raha irery izy dia ho teny mahafaly no entiny. Mbola nihananatona ihany Ralehilahy.
26
Nahita lehilahy iray nihazakazaka koa ny mpitily ka niantso ny mpiandry vavahady hoe: Indrỳ koa misy lehilahy iray tamy mihazakazaka. Dia hoy ny mpanjaka: Mitondra teny mahafaly ihany koa izy.
27
Ary hoy ny mpitily: Raha ny fahitako azy dia tahaka ny fihazakazak’i Ahimaza, zanak’i Zadoka, no fihazakazak’ilay aloha. Hoy ny mpanjaka: Lehilahy tsara fanahy iny, ka hitondra teny soa mahafaly no iaviany.
28
Ary niantso i Ahimaza ka niteny tamin’ny mpanjaka hoe: Fiadanana! Sady niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny mpanjaka izy no niteny hoe: Isaorana anie NY TOMPO Andriamanitrao, izay efa nanolotra ilay olona nanainga tanana hikomy amin’ny mpanjaka tompoko.
29
Dia hoy ny mpanjaka: Tsara ihany va i Absaloma zatovo? Fa hoy i Ahimaza: Tamin’ny nanirahan’i Joaba ny mpanompon’ny mpanjaka sy izaho mpanomponao koa dia nandre tabataba be aho, nefa tsy fantatro izay antony.
30
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mihataha kely ary ka mijoroa etsy. Dia nihataka izy ka nijoro teo.
31
Dia indro, avy ilay Kosita ka niteny hoe: Aoka ny mpanjaka tompoko hihaino teny mahafaly! Fa efa nanome anao ny rariny NY TOMPO ka nahafaka anao ankehitriny tamin’izay rehetra nitsangana hikomy aminao.
32
Ary hoy ny mpanjaka tamin’ilay Kosita: Tsara ihany va i Absaloma zatovo? Fa hoy ilay Kosita: Aoka ny fahavalon’ny mpanjaka tompoko sy izay rehetra mitsangana hanisy ratsy anao ho tahaka iny zatovo iny.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24