bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Samuel 11
2 Samuel 11
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 12 →
1
Rehefa niherina ny taona ka tonga ny andro fandehanan’ny mpanjaka hiady dia naniraka an’i Joaba sy ny mpanompony ary ny Israely rehetra i Davida; nandringana ny taranak’i Amona ireo sady nanao fahirano an’i Raba. I Davida kosa dia nijanona tany Jerosalema ihany.
2
Nony harivariva dia niala tao am-pandrianany i Davida ka nitsangantsangana teo an-tampon’ny lapa; ary raha teo izy dia nahatazana vehivavy mandro; ary Ravehivavy dia tsara tarehy maha te hijery.
3
Dia nandefa iraka hanontany ny amin-dRavehivavy i Davida. Ary nolazaina taminy hoe: Iny no Batseba, zanakavavin’i Eliama, sady vadin’i Oria hetita.
4
Naniraka olona haka azy i Davida. Dia tonga tao aminy izy ka nandriany kanefa vao avy nanamasina ny tenany ho afaka tamin’ny fahalotoany. Nody tany an-tranony Ravehivavy nony avy eo.
5
Dia nanana anaka Ravehivavy ka nandefa iraka hilaza tamin’i Davida hoe: Manana anaka aho.
6
Nandefa iraka tany amin’i Joaba i Davida hilaza hoe: Asaivo mankaty amiko kely i Oria hetita. Dia nasain’i Joaba nankany amin’i Davida i Oria.
7
Nony tonga teo amin’i Davida izy dia nanontaniany ny momba an’i Joaba sy ny olona ary ny fizotry ny ady.
8
Ary hoy i Davida tamin’i Oria: Andeha ary mody ka sasao ny tongotrao. Dia niala tao an-tranon’ny mpanjaka i Oria ary nampanarahina fanomezana avy tao amin’ny mpanjaka izy.
9
Nandry teo am-baravaran’ny tranon’ny mpanjaka, teo amin’ny mpanompon’ny tompony rehetra anefa i Oria fa tsy nidina nody tany an-tranony akory.
10
Ary nisy nanambara tamin’i Davida hoe: Tsy nidina nody tany an-tranony i Oria. Dia hoy i Davida tamin’i Oria: Tsy avy lavitra va ianao? Koa nahoana ianao no tsy midina mody any an-tranonao?
11
Fa hoy i Oria tamin’i Davida: Ny vata misy ny Fanekena sy ny Israely ary ny Joda dia mitoetra amin’ny trano rantsan-kazo; ary i Joaba tompoko sy ny mpanompon’ny tompoko dia mitoby any an-tsaha, koa izaho kosa va dia hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin’ny vadiko? Raha velona koa ianao, ary raha velona koa ny ainao, dia tsy hanao izany aho.
12
Hoy i Davida tamin’i Oria: Mitoera ihany ary atỳ anio fa rahampitso ianao dia halefako. Dia nitoetra tany Jerosalema i Oria androtr’izay sy ny ampitson’iny.
13
Ary nasain’i Davida izy dia nihinana sy nisotro teo anatrehany ka nomamoiny. Nony hariva dia nivoaka avy tao izy ka nandry teo amin’ilay nandriany teo amin’ny mpanompon’ny tompony ihany fa tsy nidina nody tany an-tranony.
14
Nony maraina dia nanoratra taratasy ho any amin’i Joaba i Davida ka nampitondrainy an’i Oria izany.
15
Izao no soratra nataony tao amin’ny taratasy: Arosoy amin’ny ady mafy i Oria; dia ilaozy izy mba ho voa ka ho faty.
16
Raha mbola nanao fahirano ny tanàna i Joaba dia nanendry an’i Oria ho eo amin’izay hitany misy lehilahy mahery.
17
Ary ny mponina tao an-tanàna dia nivoaka hiady amin’i Joaba ka nahafatesana ny mpanompon’i Davida, ary maty koa i Oria hetita.
18
Dia nandefa iraka hitatitra any amin’i Davida ny toetry ny ady i Joaba;
19
ary nandidy ilay iraka izy hoe: Rehefa voalazanao tsara amin’ny mpanjaka ny toetry ny ady
20
ka tezitra ny mpanjaka ary miteny aminao hoe: Nahoana no nanakaiky ny tanàna toy izany ianareo raha niady? Tsy fantatrareo va fa hisy hitifitra avy eny amin’ny manda?
21
Fa iza no namely an’i Abimeleka, zanak’i Jerobeseta? Moa tsy vehivavy va no nanjera vato fikosoham-bary taminy avy teo amin’ny manda ka maty tao Tebeza izy? Koa nahoana no nanakaiky ny manda ianareo? Dia ataovy hoe: Maty koa i Oria hetita mpanomponao.
22
Dia nandeha ilay iraka ka tonga tany amin’i Davida ary nanambara taminy izay rehetra nanirahan’i Joaba azy.
23
Hoy ilay iraka tamin’i Davida: Nahery noho izahay ireny, ary nandehanany tany an-tsaha izahay ka nenjehinay hatreo anoloan’ny vavahady kosa izy.
24
Ary ny mpitifitra teo amin’ny manda dia nitifitra ny mpanomponao; nahafatesana ny mpanompon’ny mpanjaka, ary maty koa i Oria hetita mpanomponao.
25
Dia hoy i Davida tamin’ny iraka: Izao no holazainao amin’i Joaba: Aza malahelo amin’izany ianao fa tsy mifidy hasiana ny sabatra; herezo ihany ny adinao amin’ny tanàna ka ravao izy. Ary ampaherezo i Joaba.
26
Nony ren’ny vadin’i Oria fa maty ny lahy dia nisaona azy izy.
27
Rehefa afa-tsaona izy dia nampanalain’i Davida ho any an-tranony ka tonga vadiny ary niteraka zazalahy taminy. Nefa tsy sitraky NY TOMPO izany nataon’i Davida izany.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24