bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Samuel 7
2 Samuel 7
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 8 →
1
Rehefa nipetraka tao an-tranony ny mpanjaka sady efa nampiadanin’NY TOMPO tamin’ny fahavalony rehetra manodidina azy
2
dia hoy ny mpanjaka tamin’i Natana mpaminany: Endrey, izaho ity dia mitoetra amin’ny trano sedera, nefa ny vata misy ny faneken’Andriamanitra kosa mitoetra ao anaty tranolay!
3
Dia hoy i Natana tamin’ny mpanjaka: Andeha, ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa NY TOMPO no momba anao.
4
Ny alin’iny ihany dia tonga tamin’i Natana ny tenin’NY TOMPO hoe:
5
Andeha lazao amin’i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Ianao va no hanorina trano hitoerako?
6
Tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin’ny nitondrako ny Zanak’Israely niakatra avy tany Ejipta ka mandraka androany fa nifindrafindra tranolay sy nifindrafindra fonenana.
7
Ary tamin’izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin’ny Zanak’Israely, moa nisy nitenenako akory va ny mpitsaran’ny Israely izay notendreko ho mpiandry ny Israely oloko ka nilazako hoe: Nahoana no tsy manorina trano sedera ho Ahy ianareo?
8
Koa lazao amin’i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Izaho no naka anao avy tany an-tsaha dia avy tamin’ny fiandrasana ondry, mba ho mpanapaka ny Israely oloko.
9
Ary nomba anao tamin’izay nalehanao rehetra Aho ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra ary homeko anarana malaza tahaka ny anaran’izay lehibe ambonin’ny tany ianao.
10
Hifidy tany ho an’ny Israely oloko Aho sady hamponina azy ka handry fehizay ao amin’ny fonenany izy ary tsy hanana ahiahy intsony; ny ratsy fanahy dia tsy hampahory azy intsony tahaka ny taloha,
11
tamin’ny nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Israely oloko; ary hampiadana anao ho afaka amin’ny fahavalonao rehetra Aho. Nolazain’NY TOMPO taminao koa fa hanao trano ho anao Izy.
12
Koa rehefa tapitra ny andronao ka hodimandry any amin’ny razanao ianao dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao ary hampitoeriko ny fanjakany.
13
Io no hanao trano ho an’ny anarako, ary Izaho kosa hampitoetra ny sezafiandrianan’ny fanjakany ho mandrakizay.
14
Izaho ho rainy, ary izy dia ho zanako. Raha manao izay meloka izy dia hanariko amin’ny tsorakazon’ny olona sy ny kapoky ny zanak’olombelona;
15
nefa ny famindrampoko dia tsy mba hiala aminy, tahaka ny nanesorako izany tamin’i Saoly izay nesoriko teo alohanao.
16
Ary ny taranakao sy ny fanjakanao dia hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny sezafiandriananao dia hitoetra mandrakizay.
17
Araka izany teny rehetra izany sy araka izao fahitana rehetra izao no nolazain’i Natana tamin’i Davida.
18
Dia niditra i Davida mpanjaka ka nipetraka teo anatrehan’NY TOMPO ary niteny hoe: Zinona moa aho, TOMPO Andriamanitra ô? Ary zinona ny fianakaviako, no novimbininao ambaraka ankehitriny aho?
19
Mbola ataonao ho zavatra kely ihany aza izany, TOMPO Andriamanitra ô; fa indro, efa voalazanao koa ny amin’ny taranaky ny mpanomponao hatramin’ny mbola any aoriana lavitra aza. Ary izany no fanaon’ny olona, RY TOMPO Andriamanitra ô.
20
Koa inona intsony no holazain’i Davida aminao? Fa Ianao, RY TOMPO Andriamanitra ô, no mahalala ny mpanomponao.
21
Noho ny teninao sy araka ny sitraponao no nanaovanao ireo zavatra lehibe rehetra ireo, hampahalalanao ny mpanomponao.
22
Koa amin’izany dia lehibe Ianao, RY TOMPO Andriamanitra! Tsy misy tahaka Anao; tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao raha araka izay rehetra ren’ny sofinay.
23
Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Israely olonao, izay nalehan’Andriamanitra mba havotana ho olony sy hanaovany anarana ho Azy, ary hanaovany zavatra lehibe ho azy sy zava-mahatahotra ho an’ny taninao teo anatrehan’ny olonao, izay navotanao ho Anao avy tamin’ny firenen’i Ejipta sy ny andriamaniny?
24
Dia nampitoerinao ho olonao mandrakizay ny Israely olonao; ary Ianao, TOMPO ô, no efa tonga Andriamaniny.
25
Ankehitriny, TOMPO Andriamanitra ô, ilay teny nolazainao ny amin’ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay ary ataovy araka izay nolazainao.
26
Aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely! Aoka hampitoerina eo anatrehanao ny taranak’i Davida mpanomponao.
27
Fa Ianao, ry Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely, efa nilaza tamin’ny mpanomponao hoe: Izaho hanome taranaka anao; koa izany no nampahasahy ny fon’ny mpanomponao hanao izao vavaka izao aminao.
28
Noho izany, RY TOMPO Andriamanitra ô, satria Ianao no Andriamanitra, ary marina ny teninao, ary Ianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin’ny mpanomponao,
29
dia aoka ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao mba haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa efa niteny izany Ianao, RY TOMPO Andriamanitra ô; eny, aoka ny fitahianao no hitahianao ny taranaky ny mpanomponao mandrakizay.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24