bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Samuel 22
2 Samuel 22
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 23 →
1
Nanao izao hira izao ho an’NY TOMPO i Davida tamin’ny andro namonjen’NY TOMPO azy tamin’ny tanan’ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ny tanan’i Saoly.
2
Hoy izy: NY TOMPO no harambatoko sy manda fiarovana ho ahy ary mpanafaka ahy,
3
Andriamanitro vatolampiko, Izy no ialofako, ampingako sy tandroka famonjena ahy Izy ary fiarovana avo ho ahy sy toeram-pandosirako; ry Mpamonjy ahy, manafaka ahy amin’ny fampahoriana Ianao.
4
Miantso NY TOMPO izay mendrika hoderaina aho ka vonjena ho afaka amin’ny fahavaloko.
5
Satria nihodidina tamiko ny onjan’ny fahafatesana ary ny riaky ny faharatsiam-panahy dia naha raiki-tahotra ahy.
6
Nihodidina tamiko ny famatoran’ny fitoeran’ny maty, nanoloana ahy ny fandriky ny fahafatesana.
7
Fony azom-pahoriana aho dia niantso NY TOMPO, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy ary ny fitarainako dia tonga eo an-tsofiny.
8
Nihozongozona sy nihorohoro ny tany ary ny fiorenan’ny lanitra dia nihorohoro; eny, nihozongozona ireo, satria tezitra NY TOMPO.
9
Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony ary afo avy teo am-bavany no nandevona sady nisy vainafo nidedadeda teo.
10
Naondriny ny lanitra ka nidina Izy ary haizim-pito no teo ambanin’ny tongony.
11
Nitaingina kerobima Izy ka nanidina; eny, niseho teo amin’ny ela-drivotra Izy.
12
Nanao ny haizina ho tranony manodidina Azy Izy, dia ranobe mihandrona sy rahona matevina.
13
Avy teo amin’ny famirapiratana teo anoloany dia nisy vainafo nidedadeda.
14
Nampikotroka tany an-danitra NY TOMPO, niloa-peo ny Avo Indrindra.
15
Dia nandefa zana-tsipìka Izy ka nampiely ny fahavaloko ary nampandeha tselatra ka nampifanaritaka azy.
16
Dia niseho ny fanambanin’ny ranomasina ary nihanjahanja ny fanorenan’ny tany, noho ny teny mafy nataon’NY TOMPO, noho ny fifofofofon’ny fofonain’ny vavorony.
17
Nanatsotra ny tanany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nisintona ahy niala tamin’ny ranobe Izy.
18
Nanafaka ahy tamin’ny fahavaloko mahery Izy sy tamin’izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny.
19
Nisakana ahy ireny tamin’ny andro nahitako loza, nefa NY TOMPO no nanohana ahy.
20
Namoaka ahy ho any amin’ny malalaka Izy; nanafaka ahy Izy satria tiany aho.
21
Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako NY TOMPO; araka ny fahadiovan’ny tanako no namaliany ahy.
22
Fa nitandrina ny lalan’NY TOMPO aho ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin’Andriamanitro;
23
ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako ary ny didiny dia tsy mba nialako;
24
tsy nanan-tsiny Taminy aho sady niaro tena tsy ho azon’ny fahotako.
25
Koa namaly ahy araka ny fahamarinako NY TOMPO, araka ny fahadiovako teo imasony.
26
Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; ny tena olona marina no isehoanao fa marina;
27
ny madio no isehoanao ho madio; ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao ho miolikolika.
28
Vonjenao ny olona ory; ary ny masonao dia manohitra ny mpiavonavona ka aetrinao ireny.
29
Fa Ianao no jiroko, TOMPO ô; mampahazava ny fahamaizinako NY TOMPO.
30
Ianao no ahazoako mihazakazaka hamely miaramila andiany iray; Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.
31
Raha ny amin’Andriamanitra dia marina ny lalany; ny tenin’NY TOMPO dia voazaha toetra amin’ny memy; NY TOMPO no ampingan’izay rehetra mialoka Aminy.
32
Fa iza no Andriamanitra afa-tsy NY TOMPO? Iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
33
Izany Andriamanitra izany no fiarovana mafy ho ahy; mitondra ahy amin’ny lalana tanteraka Izy.
34
Manao ny tongotro ho tahaka ny an’ny dieravavy Izy; mampitoetra ahy eo amin’ny havoana Izy.
35
Mampianatra ny tanako hiady Izy ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.
36
Omenao ahy ny ampingan’ny famonjenao ary mahalehibe ahy ny fahamoram-panahinao.
37
Halalahinao ny lalana diaviko ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.
38
Manenjika ny fahavaloko aho ka mandripaka azy ary tsy miverina aho mandra-pahalany ritra azy.
39
Mandringana sy mandripaka azy aho ka tsy maharina izy; lavo eo ambanin’ny tongotro izy.
40
Ianao no mampisikina hery ahy mba hiady; aripakao ho eo ambaniko izay mitsangana hamely ahy.
41
Ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; ampanginiko izay mankahala ahy.
42
Miherikerika izy nefa tsy misy mpamonjy; eny, maniry NY TOMPO izy nefa tsy mamaly azy Izy.
43
Torotoroiko madinika tahaka ny vovoka izy; hoseko tahaka ny fotaka eny an-dalana izy ka aeliko.
44
Manafaka ahy amin’ny fifanoheran’ny oloko Ianao sady mitahiry ahy ho lohan’ny firenen-tsamihafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.
45
Ny hafa firenena dia mikoy ahy; raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy dia manoa ahy.
46
Ny hafa firenena dia mihaketraka ka miala amin-kovitra avy ao amin’ny manda fiarovany mafy.
47
Velona NY TOMPO; isaorana anie ny Vatolampiko! Hasandratra anie Andriamanitry ny vatolampy famonjena ahy,
48
dia Andriamanitra izay manao famaliana ho ahy ka mampietry firenena ho ambaniko,
49
dia Ilay mitondra ahy ho afaka amin’ny fahavaloko; eny, manandratra ahy ho ambonin’izay mitsangana hanohitra ahy Ianao ary manafaka ahy amin’ny mpampihorohoro.
50
Koa izany no hiderako Anao eny amin’ny firenen-tsamihafa, TOMPO ô, sy hihirako ho an’ny anaranao.
51
Manao famonjena lehibe ho an’ny mpanjaka voatendriny Izy ary mamindra fo amin’ny voahosony, dia amin’i Davida sy ny taranany mandrakizay.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24