bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Samuel 2
2 Samuel 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 3 →
1
Rehefa afaka izany dia nanontany NY TOMPO i Davida hoe: Hiakatra ho any amin’ny tanana iray any Joda va aho? Dia hoy NY TOMPO taminy: Miakara! Hoy i Davida: Aiza no hiakarako? Dia hoy Izy: Any Hebrona.
2
Dia niakatra nankany i Davida mbamin’ny vadiny roa, dia i Ahinoama jezirelita sy i Abigaila, ilay novadin’i Nabala karmelita.
3
Ny olona izay tao amin’i Davida mbamin’ny ankohonan’ireo koa dia samy noentiny niakatra ary nonina tao amin’ny tanànan’i Hebrona izy ireo.
4
Dia avy ny lehilahin’ny Joda ka nanosotra an’i Davida tao mba ho mpanjaka amin’ny taranak’i Joda. Ary nisy nanambara tamin’i Davida hoe: Ny olona any Jabesy-Gileada no nandevina an’i Saoly.
5
Dia nandefa iraka hankany amin’ny mponina any Jabesy-Gileada i Davida hilaza aminy hoe: Hotahin’NY TOMPO anie ianareo noho ny soa nataonareo tamin’i Saoly tomponareo tamin’ny nandevenanareo azy.
6
Koa haneho famindrampo sy fahamarinana aminareo anie NY TOMPO, sady izaho koa dia efa manao izao soa izao aminareo noho ny nanaovanareo izany zavatra izany.
7
Ary ankehitriny, aoka hampaherezina anie ny tananareo, ary aoka hatanjaka ianareo; fa maty i Saoly tomponareo, koa izaho no nohosoran’ny fokon’i Joda ho mpanjaka eo aminy.
8
Fa i Abnera, zanak’i Nera, komandin’ny miaramilan’i Saoly kosa, dia naka an’Isboseta, zanakalahin’i Saoly, ka nitondra azy nankany Mahanaima
9
dia nampanjaka azy tamin’ny Gileada sy ny Asorita sy i Jezirela sy i Efraima ary i Benjamina ary tamin’ny Israely rehetra.
10
Efapolo taona no nahaveloman’Isboseta, zanak’i Saoly, fony izy nanomboka nanjaka tamin’ny Israely, ary roa taona no nanjakany. Ny fokon’i Joda ihany no nomba an’i Davida.
11
Fito taona sy enim-bolana no nanjakan’i Davida tao Hebrona tamin’ny taranak’i Joda.
12
Ary i Abnera, zanak’i Nera, sy ny mpanompon’Isboseta, zanak’i Saoly, dia niala tao Mahanaima ka nankany Gibeona.
13
I Joaba, zanak’i Zeroia, sy ireo mpanompon’i Davida kosa dia nandeha ka tafahaona tamin’ireo teo amoron’ny kamory tao Gibeona; dia samy nipetraka teo amin’ny lafin’ny kamory avy izy.
14
Ary hoy i Abnera tamin’i Joaba: Miangavy anao aho, aoka hitsangana ny zatovo hanao kilalao eto anatrehantsika. Hoy i Joaba: Aoka ary izy hitsangana.
15
Dia nisy nitsangana ka nita, roa amby folo lahy tamin’ny Benjamina, izay an’Isboseta, zanak’i Saoly, ary roa amby folo lahy koa tamin’ny mpanompon’i Davida.
16
Samy nifampisavika izy rehetra sady nifampihazon-doha ka nifandefon-tehezana tamin’ny sabatra dia niara-niankarapoka; koa izany no nanaovana izany toerana ao Gibeona izany hoe Helkata-Hazorima.
17
Mafy ny ady tamin’izany andro izany ka resy teo anoloan’ny mpanompon’i Davida i Abnera sy ny lehilahin’ny Israely.
18
Mba teo koa izy telo lahy zanak’i Zeroia, dia i Joaba sy i Abisay ary i Asahela. I Asahela dia haingam-pandeha tahaka ny gazela any an-tany efitra.
19
Nanenjika an’i Abnera i Asahela ka ny fandehany nanenjika an’i Abnera dia tsy nivily mihitsy na tamin’ny ankavanana na tamin’ny ankavia.
20
Ary niherika i Abnera ka niteny hoe: Ianao moa izany, ry Asahela? Dia hoy izy: Izaho ity.
21
Dia hoy i Abnera taminy: Mivilia ianao, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia; zatovo iray no sambory ka baboy ho anao izay eny aminy rehetra. Tsy nety nivily anefa i Asahela fa nanenjika azy ihany.
22
Hoy indray i Abnera tamin’i Asahela: Mivilia ianao fa aza manenjika ahy; fa nahoana moa aho no hamely anao hiankarapoka amin’ny tany, ary hataoko ahoana no fijery an’i Joaba rahalahinao?
23
Nefa tsy nety nivily ihany izy ka nasian’i Abnera ny vodilefona ny kibony dia niboroaka teo an-damosiny ny lefona ka niankarapoka teo izy ary maty niaraka tamin’izay. Ary izay rehetra tonga teo amin’ilay niankarapohan’i Asahela sy nahafatesany dia nijanona.
24
Nanenjika an’i Abnera i Joaba sy i Abisay ka nony tonga teo amin’ny havoanan’i Ama izay tandrifin’i Gia amin’ny lalana mankany amin’ny tany efitr’i Gibeona izy dia maty ny masoandro.
25
Dia niangona teo amin’i Abnera ny taranak’i Benjamina ka nivondrona ho andiany iray ary nijanona teo an-tampon’ny havoana iray.
26
Ary niantso an’i Joaba i Abnera hoe: Dia handany mandrakizay va ny sabatra? Tsy fantatrao va fa hangidy no hiafaran’izany? Mandra-pahoviana no tsy hampivereninao tsy hanenjika ny rahalahiny ny olona?
27
Hoy i Joaba: Raha velona koa Andriamanitra, raha tsy ilay teninao iny dia efa lasa nody androany maraina avokoa ny olona ka tsy nanenjika ny rahalahiny akory.
28
Dia nitsoka ny anjomara i Joaba ka nijanona ny olona rehetra ary tsy nanenjika ny Israely na niady taminy intsony izy.
29
Rehefa nandeha nandritra ny alina namakivaky ny tany ngazana i Abnera sy ny olony dia nita an’i Jordana sy namakivaky an’i Bitirona manontolo ka tonga tao Mahanaima.
30
Nony niverina avy nanenjika an’i Abnera i Joaba dia novoriny ny olona rehetra; sivy amby folo lahy ihany mbamin’i Asahela no tsy teo ny mpanompon’i Davida.
31
Ny mpanompon’i Davida kosa dia nahafaty enimpolo sy telonjato lahy tamin’ny Benjaminita sy ny olon’i Abnera.
32
Ary noentiny i Asahela ka naleviny tao amin’ny fasan-drainy izay tao Betlehema. Ary nandeha mandritra ny alina i Joaba sy ny olony ka tonga tao Hebrona raha vao nazava ratsy ny andro.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24