bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Samuel 9
2 Samuel 9
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 10 →
1
Ary hoy i Davida: Mbola misy sisa ihany va ny taranak’i Saoly mba hanisiako soa azy noho ny amin’i Jonatana?
2
Ary nisy mpanompon’ny fianakavian’i Saoly, i Ziba no anarany. Nantsoina hankany amin’i Davida izy ka hoy ny mpanjaka taminy: Ianao moa no Ziba? Ary hoy izy: Izaho mpanomponao no izy.
3
Hoy ny mpanjaka: Mbola misy sisa ihany va ny taranak’i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon’Andriamanitra? Dia hoy i Ziba tamin’ny mpanjaka: Mbola misy zanakalahin’i Jonatana iray ihany ao, nefa malemy tongotra izy.
4
Hoy ny mpanjaka taminy: Aiza anefa izy? Dia hoy i Ziba tamin’ny mpanjaka: Indro ao an-tranon’i Makira, zanak’i Amiela, ao Lo-Debara izy.
5
Dia nandefa iraka haka azy tao an-tranon’i Makira, zanak’i Amiela, tao Lo-Debara, i Davida mpanjaka.
6
Nony tonga teo amin’i Davida i Mefiboseta, zanak’i Jonatana, zanak’i Saoly dia niankohoka sy nitsaoka azy izy. Ary hoy i Davida: Ry Mefiboseta! Dia hoy izy: Inty ny mpanomponao.
7
Ary hoy i Davida taminy: Aza matahotra, fa hasiako soa tokoa ianao noho ny amin’i Jonatana rainao ka hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an’i Saoly rainao, ary ianao dia hihinana eo amin’ny latabatro mandrakariva.
8
Dia niankohoka izy ka niteny hoe: Zinona moa aho mpanomponao izay toy ny alika maty, no mba jerenao?
9
Dia niantso an’i Ziba, mpanompon’i Saoly, ny mpanjaka ka niteny taminy hoe: Izay rehetra nananan’i Saoly sy ny ankohonany rehetra dia nomeko ny zanakalahin’ny tomponao.
10
Koa ianao sy ny zanakao lahy ary ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra hanina ho an’ny zanakalahin’ny tomponao; fa i Mefiboseta, zanakalahin’ny tomponao, dia hihinana eo amin’ny latabatro mandrakariva. Nanana zanakalahy dimy amby folo sy mpanompo roapolo i Ziba.
11
Hoy i Ziba tamin’ny mpanjaka: Araka izay rehetra nandidianao mpanjaka tompoko no hataon’ny mpanomponao. Fa ny amin’i Mefiboseta, hoy i Davida, dia hihinana eo amin’ny latabatro toy ny iray amin’ny zanakalahin’ny mpanjaka izy.
12
Nanan-janakalahy tanora i Mefiboseta, i Mika no anarany. Ary izay rehetra nitoetra tao an-tranon’i Ziba dia nanompo an’i Mefiboseta avokoa.
13
Nonina tany Jerosalema i Mefiboseta satria teo amin’ny latabatry ny mpanjaka mandrakariva izy no nihinana. Nalemy moa ny tongony roa.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24