bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Samuel 8
2 Samuel 8
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 9 →
1
Nony afaka izany dia nandresy ny Filistina i Davida ka nampietry azy; ary nesorin’i Davida tamin’ny tanan’ny Filistina ny fitondrana.
2
Nandresy ny Moabita koa izy dia nampandriany tamin’ny tany ireo ary norefesiny tamin’ny kofehy, koa ny indroan’ny kofehy dia novonoiny ary ny iray kofehy kosa dia novelominy; dia tonga mpanompon’i Davida ny Moabita ka nandoa hetra.
3
Dia resin’i Davida koa i Hadadezera, zanak’i Rehoba, mpanjakan’i Zoba, tamin’izy nampody ny fanjakany tany amoron’ny ony Eofrata.
4
Nahazo babo taminy i Davida, dia miaramila an-tsoavaly fitonjato sy arivo sy miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin’i Davida avokoa ny soavalin’ny kalesy fitondra miady rehetra, fa ny tokony ho amin’ny kalesy zato ihany no navelany.
5
Tonga hanampy an’i Hadadezera mpanjakan’i Zoba ny Arameana avy tany Damaskosy; dia nahafatesan’i Davida olona roa arivo sy roa alina koa ny Arameana.
6
Nametrahan’i Davida miaramila koa tany amin’ny Arameana any Damaskosy; dia tonga mpanompon’i Davida ny Arameana ka nandoa hetra. Fa NY TOMPO nampandresy an’i Davida tany amin’izay rehetra nalehany.
7
Nalain’i Davida ny ampinga volamena izay teny amin’ny mpanompon’i Hadadezera ka noentiny nankany Jerosalema.
8
Tao Beta sy Berotahy, tanànan’i Hadadezera i Davida mpanjaka no namabo varahina be dia be.
9
Nony ren’i Toy, mpanjakan’i Hamata fa efa naharesy ny miaramilan’i Hadadezera rehetra i Davida,
10
dia nirahin’i Toy hankany amin’i Davida mpanjaka i Jorama zanany mba hiarahaba azy sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin’i Hadadezera sy ny nandreseny azy; fahavalon’i Toy mantsy i Hadadezera. Nitondra fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fanaka varahina i Jorama.
11
Dia nohamasinin’i Davida mpanjaka ho an’NY TOMPO koa izany mbamin’ny volafotsy sy ny volamena izay nohamasininy avy tamin’ny firenena rehetra izay efa resiny,
12
dia tamin’i Arama sy i Moaba sy ny taranak’i Amona, ny Filistina, ny Amalekita ary ny babo azony tamin’i Hadadezera, zanak’i Rehoba, mpanjakan’i Zoba.
13
Ary nahazo laza i Davida nony niverina avy nandresy ny Arameana valo arivo sy iray alina teo amin’ny Lohasahantsira.
14
Nametrahany miaramila tany Edoma; eny, nametrahany miaramila i Edoma manontolo ka tonga mpanompon’i Davida ny mponina rehetra tany Edoma. Ary nampandresy an’i Davida NY TOMPO teny amin’izay rehetra nalehany.
15
Nanjaka tamin’ny Israely rehetra i Davida ka nitsara sy nitondra marina ny vahoakany rehetra.
16
I Joaba, zanak’i Zeroia, no komandin’ny miaramila; i Josafata, zanak’i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana;
17
i Zadoka, zanak’i Ahitoba, sy i Ahimeleka, zanak’i Abiatara, no mpisorona; ary i Seraia no mpitantsoratra;
18
ary i Benaia zanak’i Joiada, no komandin’ny Keretita sy ny Peletita ary ny zanak’i Davida no mpisorona.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24