bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Samuel 13
2 Samuel 13
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 14 →
1
Nony afaka izany dia izao no nitranga: Nanana anabavy tsara tarehy i Absaloma, zanak’i Davida, Tamara no anarany; ary tia azy i Amnona, zanak’i Davida.
2
Nararim-pitia noho ny amin’i Tamara anabaviny i Amnona, satria virijiny izy ka sarotra tamin’i Amnona ny haka azy.
3
Nana-namana i Amnona, Jonadaba no anarany, zanak’i Simea, rahalahin’i Davida; ary i Jonadaba dia olona fetsy tokoa.
4
Koa hoy izy taminy: Nahoana ianao, ry zanaky ny mpanjaka, no mihamahia isanandro isanandro? Tsy tianao hambara amiko va ny antony? Dia hoy i Amnona taminy: Tia an’i Tamara, anabavin’i Absaloma rahalahiko, aho.
5
Ary hoy i Jonadaba taminy: Mandria eo amin’ny fandriananao ianao ka modia marary; ary rehefa tonga mamangy anao ny rainao dia lazao aminy hoe: Trara antitra ianao, aoka i Tamara anabaviko mba ho avy hampihinan-kanina ahy ary hanamboatra ny sakafo eto imasoko mba ho hitako ka hihinanako ny avy eny an-tanany.
6
Dia nandry i Amnona ka nody narary; ary nony avy mamangy azy ny mpanjaka dia hoy izy taminy: Trara antitra ianao, aoka i Tamara anabaviko hankaty mba hanao mofo roa ho ahy eto imasoko hihinanako ny avy eny an-tanany.
7
Ary nandefa iraka nankany amin’i Tamara any an-tranony i Davida hiteny hoe: Mankanesa kely any an-tranon’i Amnona anadahinao ka manamboara sakafo ho azy.
8
Dia nandeha nankany an-tranon’i Amnona anadahiny i Tamara; ary nandry ny anadahiny. Dia naka koba Razazavavy, nofetafetainy ary nataony mofo teo imasony; ary nendasiny ny mofo.
9
Dia noraisiny ny fanendasana ka narosony teo anoloany. Tsy nety nihinana anefa i Amnona. Hoy izy: Avoahy ny olona rehetra! Dia nivoaka ny trano ny olona rehetra.
10
Ary hoy i Amnona tamin’i Tamara: Ento atỳ an’efitrano ny sakafo hihinanako ny avy eny an-tananao. Dia nalain’i Tamara ny mofo nataony ka noentiny tao amin’ny efitrano tao amin’i Amnona anadahiny.
11
Nony noentiny tao aminy hohaniny izany dia nihazona an’i Tamara izy ka niteny taminy hoe: Avia handry amiko, Ranabaviko.
12
Ary hoy ny anabaviny: Sanatria, Ranadahy! Aza misavika ahy fa tsy fanao eto amin’ny Israely izany; aza manao izany hadalana izany ianao.
13
Ary ny amiko, hoentiko aiza moa ny henatro? Ianao koa dia ho toy ny iray amin’ny adala eto amin’ny Israely. Koa trara antitra ianao, lazao amin’ny mpanjaka; fa tsy hisakana ahy tsy ho anao izy.
14
Nefa tsy nety nihaino ny feon-dRazazavavy izy fa natanjaka noho izy; dia nanolana azy izy ka nandry taminy.
15
Dia tonga halan’i Amnona indrindra izy ka ny fankahalany azy dia be lavitra noho ny fitiavany azy taloha. Dia hoy i Amnona taminy: Mitsangàna, mandehana!
16
Ary hoy izy taminy: Aza dia manao ratsy mandroaka ahy ianao fa ratsy noho ny zavatra hafa nataonao izao. Nefa tsy nety nihaino azy izy.
17
Dia niantso ny zatovony izay nanompo azy izy ka niteny hoe: Esory hiala eto amiko ity vehivavy ity ka hidio ny varavarana rehefa tafavoaka izy!
18
Niakanjo akanjo misoratsoratra Razazavavy; fa izany no fanaon’ny zanakavavin’ny mpanjaka ho akanjo ambony, raha mbola virijiny izy. Dia navoakan’ilay mpanompon’i Amnona izy ka nohidiny ny varavarana nony tafavoaka izy.
19
Ary nasian’i Tamara lavenona ny lohany sady notriariny ny akanjo misoratsoratra izay nanaovany; dia niloloha tanana izy sady nitomany nidradradradra teny am-pandehanana.
20
Hoy i Absaloma anadahiny taminy: Efa niaraka taminao va i Amnona anadahinao? Mangìna ihany aloha, Ranabavy, fa anadahinao izy; fa aza malahelo noho izany. Dia nitoetra tao an-tranon’i Absaloma anadahiny i Tamara sady ory.
21
Nony ren’i Davida mpanjaka kosa izany zavatra rehetra izany dia nirehitra ny fahatezerany.
22
Ary tsy niteny na inona na inona intsony tamin’i Amnona rahalahiny i Absaloma satria halan’i Absaloma izy noho ny nanolanany an’i Tamara anabaviny.
23
Nony afaka roa taona dia nampanety ondry teo Baala-Hazora ao akaikin’i Efraima i Absaloma ka nanasa ny zanakalahin’ny mpanjaka rehetra.
24
Nankao amin’ny mpanjaka i Absaloma ka niteny hoe: Indro, mampanety ondry ny mpanomponao; koa trara antitra ianao, aoka ny mpanjaka sy ny mpanompony handeha hiaraka amiko mpanomponao.
25
Fa hoy ny mpanjaka tamin’i Absaloma: Tsia, anaka! Aoka tsy handeha avokoa izahay rehetra, fandrao mahavaky tratra anao. Fa nanery azy ihany i Absaloma; nefa tsy nety nandeha izy fa nitsodrano azy ihany.
26
Dia hoy i Absaloma: Raha tsy izany ary, trara antitra ianao, aoka i Amnona rahalahiko no handeha hiaraka aminay. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana no handeha hiaraka aminao izy?
27
Nanery azy anefa i Absaloma ka nalefany hiaraka aminy i Amnona sy ny zanakalahin’ny mpanjaka rehetra.
28
Ary nanome teny ny zatovony i Absaloma hoe: Miomàna tsara, fa rehefa faly ny fon’i Amnona azon’ny divay ka lazaiko aminareo hoe: Asio i Amnona! Dia vonoy ho faty izy, nefa aza matahotra; tsy izaho va no nanome teny anareo? Matokia, aoka hiseho ho lehilahy mahery ianareo!
29
Ary ny zatovon’i Absaloma nanatanteraka tamin’i Amnona ny teny nomen’i Absaloma azy. Dia nitsangana avokoa ny zanakalahin’ny mpanjaka rehetra ary samy nitaingina ny ampondrany ka nandositra.
30
Raha mbola teny an-dalana izy ireo dia tonga tao amin’i Davida ny filazana hoe: Novonoin’i Absaloma avokoa ny zanakalahin’ny mpanjaka ka tsy nasiany miangana na dia iray akory aza.
31
Dia nitsangana ny mpanjaka ka nandriatra ny fitafiany ary nandry tamin’ny tany; ny mpanompony rehetra kosa nitsangana teo, samy voatriatra avokoa ny fitafiany.
32
Ary i Jonadaba, zanak’i Simea, rahalahin’i Davida, niteny hoe: Aoka ny tompoko tsy hilaza hoe: Matiny avokoa ny zatovo rehetra, zanakalahin’ny mpanjaka; fa i Amnona ihany no maty; satria i Absaloma efa nifofo azy hatramin’ny andro nanolanany an’i Tamara anabaviny.
33
Koa aoka ny mpanjaka tompoko tsy hieritreritra am-po fa maty avokoa ny zanakalahin’ny mpanjaka rehetra; fa i Amnona ihany no maty.
34
Dia nandositra i Absaloma. Ary nanopy ny masony ny zatovo mpitily ka nahita fa indreo, nisy olona maro avy tao aorianany, teo anilan’ny tendrombohitra.
35
Dia hoy i Jonadaba tamin’ny mpanjaka: Indreo, avy ny zanakalahin’ny mpanjaka; dia araka ny nolazain’ny mpanomponao tokoa.
36
Nony efa voalazany izany teny izany dia indreo, tonga ny zanakalahin’ny mpanjaka ka nanandratra ny feony nitomany; ary mba nitomany mafy dia mafy koa ny mpanjaka sy ny mpanompony.
37
Fa i Absaloma kosa dia nandositra nankany amin’i Talmay, zanakalahin’i Amihoda, mpanjakan’i Gesora. Ary nisaona ny zanany naharitra i Davida.
38
Nandositra nankany Gesora i Absaloma ka nitoetra tany nandritra ny telo taona.
39
Dia nitsahatra tsy nanenjika an’i Absaloma intsony i Davida mpanjaka satria nionona izy noho ny amin’i Amnona izay efa maty.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24