bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Samuel 3
2 Samuel 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 4 →
1
Naharitra ela ny adin’ny taranak’i Saoly sy ny taranak’i Davida, nefa i Davida dia nihanahery, fa ny taranak’i Saoly kosa dia nihaosa.
2
Niteraka zazalahy tao Hebrona i Davida. I Amnona no lahimatoany, tamin’i Ahinoama jezirelita;
3
i Kileaba no lahiaivo, naterany tamin’i Abigaila, ilay novinadin’i Nabala karmelita; i Absaloma no fahatelo, zanak’i Maka, zanakavavin’i Talmay, mpanjakan’i Gesora;
4
i Adonia ny fahefatra, zanak’i Hagita; ny fahadimy dia i Sefatia, zanak’i Abitala;
5
ary i Jitreama no fahenina, zanany tamin’i Egla, vadin’i Davida. Ireo no naterak’i Davida tao Hebrona.
6
Raha mbola niady ny taranak’i Davida sy ny taranak’i Saoly dia nampiseho hery niandany tamin’ny taranak’i Saoly i Abnera.
7
Nanana vady tsindrano i Saoly, i Rizpa no anarany, zanakavavin’i Aia. Niteny tamin’i Abnera anefa Isboseta hoe: Nahoana no nalainao ny vady tsindranon’Ikaky?
8
Dia tezitra mafy i Abnera noho ny tenin’Isboseta ka hoy izy: Lohan’alika miandany amin’ny Joda va aho? E! Izato izaho manisy soa ny taranak’i Saoly rainao sy ny rahalahiny sy ny sakaizany izao ka tsy nanolotra anao ho eo an-tanan’i Davida, nefa izaho izao dia helohinao noho ny amin’iny vehivavy iny?
9
Hataon’Andriamanitra amin’i Abnera anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko aminy araka ny nianianan’NY TOMPO tamin’i Davida
10
ka hampiala ny fanjakana amin’ny taranak’i Saoly aho ary hampitoetra ny sezafiandrianan’i Davida amin’ny Israely sy amin’ny Joda hatrany Dana ka hatrany Bery-Sheba.
11
Dia tsy nahavaly an’i Abnera intsony izy noho ny fahatahorany azy.
12
Naniraka olona tany amin’i Davida niaraka tamin’izay i Abnera mba hisolo vava azy hiteny hoe: An’iza ny tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko dia indro homba anao ny tanako ka hampanaiky ny Israely rehetra anao.
13
Dia hoy i Davida: Tsara izany! Hanao fanekena aminao aho. Zavatra iray loha anefa no ilaiko aminao: Tsy hahazo mihaona amiko ianao raha tsy entinao atỳ i Mikala, zanakavavin’i Saoly.
14
Ary nandefa iraka nankany amin’Isboseta, zanakalahin’i Saoly i Davida hilaza hoe: Omeo ahy i Mikala vadiko, izay efa nifanekena ho vadiko tamin’ny mariky ny saron-tsotsòkan’ny Filistina zato lahy.
15
Ary Isboseta dia nandefa iraka haka an’i Mikala tany amin’i Paltiela vadiny, zanak’i Laisy.
16
Nanaraka azy io vadiny io ka nitomany teny aorianany hatrany Bahorima. Nefa hoy i Abnera taminy: Mandehana miverina! Dia niverina izy.
17
Dia niteny tamin’ny loholon’ny Israely i Abnera hoe: Efa ela izay no nitadiavanareo an’i Davida ho mpanjakanareo;
18
koa tanteraho izany ankehitriny, fa NY TOMPO efa nilaza an’i Davida hoe: Amin’ny tanan’i Davida mpanompoko no hamonjeko ny Israely oloko ho afaka amin’ny tanan’ny Filistina sy amin’ny tanan’ny fahavalony rehetra.
19
Niteny tamin’ny Benjaminita koa i Abnera, avy eo dia lasa izy hilaza amin’i Davida tao Hebrona izay rehetra tian’ny Israely sy ny taranak’i Benjamina rehetra hatao.
20
Dia tonga tany amin’i Davida tao Hebrona i Abnera sy olona roapolo lahy nanaraka azy. Ary nanao fanasana ho an’i Abnera sy ny olona nanaraka azy i Davida.
21
Ary hoy i Abnera tamin’i Davida: Hiainga aho dia handeha hamory ny Israely rehetra ho etỳ aminao mpanjaka tompoko, mba hanaovany fanekena aminao ary hanjakanao amin’izay rehetra irin’ny fonao. Dia nampandeha an’i Abnera i Davida ka lasa soa amantsara izy.
22
Indreo, tonga avy niady ny mpanompon’i Davida sy i Joaba ka nitondra babo maro; ary efa tsy teo amin’i Davida tao Hebrona intsony i Abnera satria efa nalefany ka lasa soa amantsara.
23
Nony tonga i Joaba sy ny miaramila rehetra izay nanaraka azy dia nisy nanambara tamin’i Joaba hoe: Tonga tao amin’ny mpanjaka i Abnera, zanak’i Nera, nefa nalefany, ka lasa soa amantsara.
24
Dia nankao amin’ny mpanjaka i Joaba ka niteny hoe: Inona izany nataonao izany? Nahoana no efa tonga teto aminao i Abnera ka nalefanao fotsiny ary afaka soa amantsara?
25
Fantatrao anefa ny amin’i Abnera, zanak’i Nera, fa hamitaka anao no nahatongavany mba hahafantarany ny fihetsikao rehetra sy hahafantarany izay rehetra ataonao.
26
Dia niala teo amin’i Davida i Joaba ka nandefa iraka hanaraka an’i Abnera ary nitondra azy niverina avy tany amin’ny lavaka famorian-drano atao hoe Siraha ireo, nefa tsy fantatr’i Davida izany.
27
Nony niverina tao Hebrona i Abnera dia noentin’i Joaba nitanila tao anaty vavahady mba hiresaka aminy mangingina, kanjo nasiany tamin’ny kibony ka matiny ho valin’ny ran’i Asahela rahalahiny.
28
Rehefa afaka izany dia nahare i Davida ka hoy izy: Tsy manan-tsiny mandrakizay eo anatrehan’NY TOMPO ny amin’ny ran’i Abnera, zanak’i Nera izaho sy ny fanjakako.
29
Hitsingerina amin’ny lohan’i Joaba sy ny tarana-drainy rehetra anie ny todin’izany; ary tsy ho tapaka amin’ny taranak’i Joaba anie ny marary mitsika, ny boka, ny mamahatra amin’ny tehina, ny lavon-tsabatra, ary ny tsy manan-kohanina.
30
Toy izany no namonoan’i Joaba sy Abisay rahalahiny an’i Abnera noho ny namonoany an’i Asahela rahalahiny tamin’ny ady tao Gibeona.
31
Hoy i Davida tamin’i Joaba sy ny olona rehetra izay teo aminy: Triaro ny fitafianareo ary misikìna lamba fisaonana ka aoka hisaona eo anoloan’i Abnera ianareo. Dia nanaraka ny tranovorona i Davida mpanjaka.
32
Nalevina tao Hebrona i Abnera; ary nanandratra ny feony ny mpanjaka ka nitomany teo amin’ny fasan’i Abnera; nitomany koa ny vahoaka rehetra.
33
Nanao hira fisaonana an’i Abnera ny mpanjaka hoe: Tahaka ny fahafatesan’ny adala va no tokony ho nahafatesan’i Abnera?
34
Ny tananao dia tsy nifatotra ary ny tongotrao dia tsy nigadra; fa tahaka ny fiankarapok’izay asian’ny olon-dratsy no niankarapohanao. Ary mbola nitomany azy indray ny vahoaka rehetra.
35
Dia avy hampihinan-kanina an’i Davida izy rehetra raha mbola antoandro nefa nianiana i Davida hoe: Hataon’Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha mba hanendry hanina na inona na inona akory aho mandra-pilentiky ny masoandro.
36
Azon’ny vahoaka rehetra ny hevitr’izany ka nankasitrahany, tahaka ny nankasitrahany izay rehetra nataon’ny mpanjaka.
37
Fantatry ny vahoaka rehetra sy ny Israely rehetra ary tamin’io andro io fa tsy avy tamin’ny mpanjaka no nahafaty an’i Abnera, zanak’i Nera.
38
Hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: Tsy fantatrareo va fa mpitari-tafika sady lehilahy malaza no maty androany tao amin’ny Israely?
39
Tsy mbola manan-kery loatra aho izao na dia mpanjaka efa voahosotra aza; mafy loatra noho izaho ireo zanak’i Zeroia ireo; NY TOMPO anie hamaly izay nanao izao ratsy izao araka ny ratsy nataony.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24