bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Samuel 20
2 Samuel 20
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 21 →
1
Sendra nisy lehilahy iray tena ratsy fanahy teo, i Seba no anarany, zanak’i Bikry benjaminita; nitsoka ny anjomara izy sady niantsoantso hoe: Isika dia tsy manana anjara amin’i Davida na lova amin’ny zanak’i Jese! Samia mody any amin’ny tranolainy avy, ry Israely ô!
2
Dia samy niara-nandao an’i Davida ny lehilahin’ny Israely ka nanaraka an’i Seba, zanak’i Bikry; fa ny lehilahin’ny Joda no nifikitra tamin’ny mpanjakany hatrany Jordana ka hatrany Jerosalema.
3
Nony tonga tao an-tranony tany Jerosalema i Davida mpanjaka dia nalainy ny vady tsindranony folo vavy izay navelany hiandry trano tao ka nataony tao an-trano fiambenana ary nomeny fivelomana, fa tsy nandriany intsony. Dia nambenana tao mandra-pahafatiny ireo ka velona tsy nanambady intsony.
4
Hoy ny mpanjaka tamin’i Amasa: Vorio ho eto amiko ao anatin’ny hateloana ny lehilahin’ny Joda, ary aoka mba ho eto koa ny tenanao.
5
Dia lasa namory ny Joda i Amasa, nefa nandiso ny fotoana nifanaovana taminy izy.
6
Ary hoy i Davida tamin’i Abisay: Ankehitriny izao dia i Seba, zanak’i Bikry, no ahitantsika loza mihoatra noho i Absaloma; koa ento ny mpanompon’ny tomponao ka enjeho izy, fandrao mahazo tanàna mimanda ka tsy ho azontsika.
7
Dia niainga hanenjika azy ny olon’i Joaba mbamin’ny Keretita sy ny Peletita ary ny lehilahy mahery rehetra; nivoaka avy tany Jerosalema ireo hanenjika an’i Seba, zanak’i Bikry.
8
Nony tonga tao amin’ilay vato lehibe tao Gibeona izy dia avy i Amasa nitsena azy. Niakanjo fanamiana fitondra miady i Joaba ka nafehy azy teo an-tsikinany ny fehikibony mbamin’ny trano-tsabany; ary nony nandeha izy dia latsaka ny sabatra.
9
Ary hoy i Joaba tamin’i Amasa: Tsara ihany va ianao, ry rahalahy? Dia noraisin’i Joaba tamin’ny tanany havanana ny somotr’i Amasa horohany.
10
Tsy nanahinahy ny sabatra teny an-tanan’i Joaba anefa i Amasa ka nasiany tamin’ny kibony dia nivaroraka tamin’ny tany ny tsinainy, ary tsy nasiany intsony izy, fa matiny tamin’izay ihany. Ary nanenjika an’i Seba, zanak’i Bikry i Joaba sy i Abisay rahalahiny.
11
Dia nijanona teo anilan’ny faty ny zatovon’i Joaba iray ka niteny hoe: Izay miandany amin’i Joaba sy i Davida dia aoka hanaraka an’i Joaba.
12
Ary nihosin-dra teo anaty lalambe i Amasa ka nony hitan-dRalehilahy fa nijanona ny olona rehetra dia nafindrany niala teo amin’ny lalambe ho any an-tsaha ny fatin’i Amasa ary nosaronany lamba, satria hitany fa nijanona izay rehetra mandalo azy.
13
Rehefa nafindrany niala teo amin’ny lalambe izy dia nizotra nanaraka an’i Joaba ny olona rehetra hanenjika an’i Seba, zanak’i Bikry.
14
Nandeha namakivaky ny fokon’ny Israely rehetra hatrany Abela-Bety-Maka sy ny Berita rehetra izy; ary nivory ireo ka mba lasa nanaraka azy.
15
Dia tonga izy ireo ka nanao fahirano azy teo Abela-Bety-Maka, ary nanandratra tovon-tany teo anilan’ny tanàna izy ka teo ivelany manolotra ny manda no niankinany; ary ny olona izay nomba an’i Joaba dia namely ny manda mba handrava azy.
16
Ary nisy vehivavy hendry tao an-tanàna niantso hoe: Mihainoa, mihainoa e! Miangavy anareo aho, lazao amin’i Joaba hoe: Mankanesa erỳ aminy, hono, ianao, fa misy holazainy aminao!
17
Nony tonga teo akaiky izy dia hoy Ravehivavy: Ianao va no Joaba? Dia hoy izy: Eny, izaho no izy! Hoy Ravehivavy taminy: Mihainoa ny teniko mpanompovavinao. Dia hoy izy: Mihaino aho izao.
18
Ary hoy Ravehivavy: Izao no fitenin’ny olona taloha: Aoka hanadina ao Abela izy; koa araka izany no nahavitany ny raharaha.
19
Izaho dia isan’ny tia fihavanana sady olona mahatoky eto amin’ny Israely, fa ianao kosa dia mitady handrava renivohitra eto amin’ny Israely. Koa ahoana no hamongoranao ny lovan’NY TOMPO?
20
Ary namaly i Joaba hoe: Sanatria dia sanatria amiko izay handripaka sy handringana!
21
Tsy izany tsy akory. Fa misy lehilahy avy amin’ny tany be havoana any Efraima, Seba no anarany, zanak’i Bikry, izay efa nanainga tanana hikomy amin’i Davida mpanjaka; koa izy ihany no atolory ahy; dia hiala amin’ny tanàna aho. Ary hoy Ravehivavy tamin’i Joaba: Indro, ny lohany dia hatsipy any aminao any ambadiky ny manda.
22
Dia lasa nanatona ny vahoaka Ravehivavy ka nanome azy izany torohevitra feno fahendrena izany. Dia notapahin’ireo ny lohan’i Seba, zanak’i Bikry, ka natsipiny teny amin’i Joaba. Ary nitsoka ny anjomara i Joaba ka niala tamin’ny tanàna samy ho any amin’ny tranolainy avy ny olona. Ary niverina nankany Jerosalema ho any amin’ny mpanjaka i Joaba.
23
I Joaba no komandin’ny miaramila rehetra tamin’ny Israely; i Benaia, zanak’i Joiada, no mpifehy ny Keretita sy ny Peletita;
24
i Adorama no lehiben’ny mpanao fanompoana; i Josafata, zanak’i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana;
25
i Seva no mpanoratra; i Zadoka sy i Abiatara no mpisorona;
26
ary Ira jairita koa no mpisorona ho an’i Davida.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24