bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Samuel 5
2 Samuel 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 6 →
1
Tonga tao amin’i Davida tao Hebrona ny firenen’Israely rehetra ka niteny hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao.
2
Fa hatry ny fahiny koa aza, raha mbola nanjaka taminay i Saoly dia ianao no efa mpitarika ny Israely nandeha niady sy niverina avy any; ary NY TOMPO efa nilaza taminao hoe: Ianao no ho mpiandry ny Israely oloko, ianao no ho mpanapaka azy.
3
Eny, tonga tao amin’ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon’ny Israely rehetra ary nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan’NY TOMPO i Davida mpanjaka. Dia nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’ny Israely izy ireo.
4
Telopolo taona i Davida fony izy nanomboka nanjaka, ary efapolo taona no nanjakany.
5
Tao Hebrona no nanjakany tamin’ny Joda nandritra ny fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema no nanjakany tamin’ny Israely sy ny Joda rehetra nandritra ny telo amby telopolo taona.
6
Nankany Jerosalema hiady amin’ny Jebosita tompon-tany ny mpanjaka sy ny olony, ary hoy ireo tompon-tany tamin’i Davida: Tsy ho tafiditra ato ianao; fa na dia ny jamba sy ny mandringa aza dia hahasakana anao; ny heviny tamin’izany dia toy ny hoe: Tsy ho tafiditra ato i Davida.
7
Kanjo azon’i Davida ihany ny manda fiarovana, dia i Ziona, Tanànan’i Davida izany.
8
Ary hoy i Davida tamin’io andro io: Izay mamely ny Jebosita dia aoka hananika ny lalan-drano ka hamely ny mandringa sy ny jamba izay halan’ny fon’i Davida. Izany no nahatonga ny fitenenana hoe: Izay jamba sy mandringa tsy hiditra ao amin’ny Trano.
9
Dia nitoetra tao anatin’ny manda fiarovana i Davida ka ny anarany nataony hoe Tanànan’i Davida. Ary narafitr’i Davida ny manodidina, hatrany Milo, mbamin’ny ao anatiny.
10
Dia nandroso nisandratra i Davida, satria NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, no nomba azy.
11
Nandefa iraka tany amin’i Davida Hirama, mpanjakan’i Tiro, ka nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpandrafitra sy tambato; dia nanorina trano ho an’i Davida ireo.
12
Dia fantatr’i Davida fa NY TOMPO no nampitoetra azy ho mpanjakan’ny Israely ka nanandratra ny fanjakany noho ny amin’ny Israely olony.
13
Mbola naka vady tsindrano sy vady hafa tany Jerosalema koa i Davida rehefa tonga avy tany Hebrona; ary nisy zanakalahy sy zanakavavy koa naterak’i Davida.
14
Izao no anaran’ny naterany tany Jerosalema: Samoa, Sobaba, Natana, Solomona,
15
Jibara, Elisoa, Nafega, Jafia,
16
Elisama, Eliada ary Elifeleta.
17
Nony ren’ny Filistina fa efa nohosoran’ny olona ho mpanjakan’ny Israely i Davida dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra. Rehefa ren’i Davida anefa izany dia nidina tao amin’ny manda fiarovana izy.
18
Dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin’ny Lohasahan’ny Refaìta.
19
Nanontany NY TOMPO i Davida hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy NY TOMPO tamin’i Davida: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistina.
20
Ary tonga tao Baala-Perazima i Davida ka namely ireo tao; dia hoy izy: NY TOMPO efa namaky ny fahavaloko teo anoloako hipariaka toy ny rano vaky, koa izany no nanaovany ny anaran’izany tany izany hoe Baala-Perazima.
21
Nilaozan’izy ireo tao ny sampiny ka lasan’i Davida sy ny olony.
22
Niakatra indray ny Filistina ka nihahakahaka teny amin’ny lohasahan’ny Refaìta.
23
Ary nanontany NY TOMPO i Davida ka novaliny hoe: Aza mandeha; fa hodidino avy eo aoriana izy ka ho tonga eo aminy tandrifin’ny hazo balisama ianao.
24
Ary raha mahare fingadongadon’ny olona eny amin’ny tendron’ny hazo balisama ianao dia haingàna; fa amin’izay no efa miainga mialoha anao NY TOMPO hamely ny miaramilan’ny Filistina.
25
Dia nanatanteraka araka ny nandidian’NY TOMPO azy i Davida ka namely ny Filistina hatrany Geba ka hatrany akaikin’i Gezera.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24