bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Samuel 14
2 Samuel 14
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 15 →
1
Nahafantatra i Joaba, zanak’i Zeroia, fa mbola nanana alahelo tamin’i Absaloma ihany ny fon’ny mpanjaka.
2
Dia nandefa iraka tany Tekoa nampaka vehivavy hendry iray tany i Joaba ka nilaza taminy hoe: Miangavy anao aho, modia misaona ka miakanjoa akanjo fisaonana, ary aza mihoso-menaka ianao fa manaova tahaka ny vehivavy efa nisaona ela ny maty.
3
Dia mankanesa ao amin’ny mpanjaka ka lazao aminy araka izao. Dia nomen’i Joaba teny izy.
4
Rehefa hiteny tamin’ny mpanjaka ilay vehivavy avy any Tekoa dia niankohoka tamin’ny tany ary nitsaoka sady niteny hoe: Vonjeo, ry mpanjaka ô.
5
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Inona no nanjo anao? Dia hoy izy: Vehivavy mpitondratena tokoa aho, fa maty vady.
6
Izaho mpanompovavinao dia nanan-janaka roa lahy, ary nifandìtra tany an-tsaha izy mirahalahy ka tsy nisy nampisaraka azy. Dia namely ny rahalahiny ny iray ka nahafaty azy.
7
Ary indreo, ny mpianakavy rehetra nanangana ady tamiko mpanompovavinao ka niteny hoe: Atolory ilay namely ny rahalahiny fa hataonay maty izy noho ny ain’ny rahalahiny izay novonoiny ka hovonoinay koa ny mpandova; hovonoiny koa ny vainafoko sisa ka tsy hamelany anarana na zanaka ho an’ny vadiko etỳ ambonin’ny tany.
8
Ary hoy ny mpanjaka tamin-dRavehivavy: Modia ianao fa izaho no handidy ny amin’izany.
9
Hoy ilay vehivavy avy any Tekoa tamin’ny mpanjaka: Ry mpanjaka tompoko ô, aoka ho amiko sy ho amin’ny ankohonan’ny raiko ny heloka; fa ny mpanjaka sy ny sezafiandrianany dia aoka tsy hanan-tsiny.
10
Dia hoy ny mpanjaka: Na zovy na zovy manisy teny anao, ento etỳ amiko; dia tsy haninona anao intsony izy.
11
Ary hoy Ravehivavy: Trara antitra ianao, ry mpanjaka ô, aoka hahatsiaro NY TOMPO Andriamanitrao ianao, ary aoka ny mpamaly ra tsy hamono intsony, fandrao mamono ny zanako izy. Dia hoy ny mpanjaka: Raha velona koa NY TOMPO, tsy hisy ho latsaka amin’ny tany na dia singam-bolo iray akory aza amin’ny zanakao.
12
Ary hoy Ravehivavy: Trara antitra ianao, aoka ny mpanompovavinao mba hanao teny indraimbava monja amin’ny mpanjaka tompoko. Ary hoy izy: Lazao ary.
13
Dia hoy Ravehivavy: Nahoana ianao no nihevitra toy izany hamely ny olon’Andriamanitra? Fa amin’ny itenenan’ny mpanjaka izany zavatra izany dia toa mahavoa ny tenany ihany izy noho ny tsy fampodian’ny mpanjaka ilay noroahiny.
14
Tsy maintsy maty mantsy isika ka ho tahaka ny rano raraka amin’ny tany izay tsy azo raofina intsony; ary Andriamanitra tsy manala ain’olona fa mihevitra izay tsy hanariany ilay noroahiny.
15
Matoa aho tonga hilaza izany zavatra izany amin’ny mpanjaka tompoko dia satria nampitahotra ahy ny olona. Ary hoy aho mpanompovavinao: Mba holazaiko amin’ny mpanjaka izany; fa angamba ny mpanjaka hanatanteraka izay angatahin’ny mpanompovaviny.
16
Eny, hihaino ny mpanjaka ka hamonjy ny mpanompovaviny ho afaka amin’ny tanan’ny lehilahy izay ta hamongotra ahy mbamin’ny zanako hiala amin’ny lova nomen’Andriamanitra.
17
Dia hoy ny mpanompovavinao: Hahazoako fiononana anie ny tenin’ny mpanjaka tompoko; fa tahaka ilay Anjelin’Andriamanitra ny mpanjaka tompoko ka mandinika izay soa sy ratsy; koa ho aminao anie NY TOMPO Andriamanitrao.
18
Ary hoy ny mpanjaka tamin-dRavehivavy: Aza afenina ahy izay zavatra hanontaniako anao. Dia hoy Ravehivavy: Aoka hiteny ny mpanjaka tompoko.
19
Ary hoy ny mpanjaka: Moa i Joaba va no nanosika anao hilaza izany rehetra izany? Dia hoy ny navalin-dRavehivavy: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka tompoko, tsy misy mivily izay rehetra nolazain’ny mpanjaka tompoko na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia; fa i Joaba mpanomponao tokoa no nandidy ahy sy nanome izany teny rehetra izany ny mpanompovavinao.
20
Ny hanova endrika ny raharaha no nanaovan’i Joaba mpanomponao izany zavatra izany; fa hendry tahaka ilay Anjelin’Andriamanitra ny tompoko ka mahalala ny zavatra rehetra etỳ ambonin’ny tany.
21
Hoy ny mpanjaka tamin’i Joaba: Indro fa efa nekeko izany zavatra izany; koa andeha, alao hody i Absaloma zatovo.
22
Dia niankohoka tamin’ny tany i Joaba ka nitsaoka sy nisaotra ny mpanjaka; ary hoy i Joaba: Fantatry ny mpanomponao androany fa mahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko, amin’ny nanaovan’ny mpanjaka araka ny nangatahin’ny mpanompony.
23
Dia niainga i Joaba nankany Gesora ka noentiny nankany Jerosalema i Absaloma.
24
Nefa hoy ny mpanjaka: Aoka hody any an-tranony izy fa aza avela hahita ny tavako. Dia nankany an-tranony i Absaloma ka tsy nahita ny tavan’ny mpanjaka.
25
Tsy nisy lehilahy tsara tarehy izay noderaina fatratra tahaka an’i Absaloma teo amin’ny Israely rehetra, fa hatrany am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany dia tsy nisy tsiny izy.
26
Rehefa nanaratra ny lohany izy dia nolanjainy ny volon-dohany ka sekela roanjato no lanjany, araka ny fandanjan’ny mpanjaka; isaky ny fitsingerenan’ny taona mantsy no nanaratany azy satria nanavesatra azy ka noharatany.
27
I Absaloma dia niteraka zanaka telo mirahalahy sy vavy iray antsoina hoe Tamara izay vehivavy tsara tarehy.
28
Nitoetra roa taona ngarangidina tany Jerosalema i Absaloma, nefa tsy mbola nahita ny tavan’ny mpanjaka ihany izy.
29
Ary niantso an’i Joaba i Absaloma mba hanirahany azy ho any amin’ny mpanjaka, nefa tsy nety nankany aminy izy; ary mbola naniraka fanindroany indray i Absaloma, nefa mbola tsy nety nankany ihany i Joaba.
30
Koa hoy izy tamin’ny mpanompony: Indro, ny tanimbarin’i Joaba dia mifanakaiky amin’ny ahy, ary manana varimbazaha ao izy; andeha, doroy amin’ny afo izany. Ary nodoran’ny mpanompon’i Absaloma ny tanimbary.
31
Dia niainga nankany amin’i Absaloma tao an-tranony i Joaba ka niteny taminy hoe: Nahoana ny mpanomponao no nandoro ny tanimbariko tamin’ny afo?
32
Fa hoy i Absaloma tamin’i Joaba: Indro, nandefa iraka tany aminao aho ka niteny hoe: Mankanesa atỳ hirahiko ho any amin’ny mpanjaka hilaza hoe: Nahoana aho no niala tany Gesora? Tsara amiko raha nitoetra tany ihany mandraka ankehitriny. Koa ankehitriny, aoka re mba hahita ny tavan’ny mpanjaka aho, koa raha manan-keloka aho dia aoka hovonoiny.
33
Dia nankany amin’ny mpanjaka i Joaba ka nanambara izany taminy. Ary nampanalain’ny mpanjaka i Absaloma ka nankao aminy. Niondrika tamin’ny tany teo anatrehan’ny mpanjaka izy. Dia nanoroka an’i Absaloma ny mpanjaka.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24