bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Job 1
Job 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 2 →
1
Nisy lehilahy iray tany amin’ny tany Oza, Joba no anarany. Marina sy mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra an’Andriamanitra ka nifady ny ratsy.
2
Niteraka fito lahy sy telo vavy izy.
3
Ny fananany dia ondry aman’osy fito arivo, rameva telo arivo, omby arivo, borikivavy dimanjato ary mpanompo marobe. Nanankarena be mihoatra noho ny zanaky ny Atsinanana rehetra izany lehilahy izany.
4
Fanaon’ny zanany lahy ny nifanasa ka nitety ny tranony avy, ary nandefa iraka naka ny anabaviny telo mirahavavy izy hiara-mihinana sy misotro aminy.
5
Ary isaky ny tapitra nitsingerina ireo andro fanasana ireo dia nandefa iraka haka azy i Joba ka nanamasina ireny. Nifoha vao maraina izy ka nanolotra fanatitra dorana manontolo araka ny isan’izy rehetra; fa hoy i Joba: Fandrao nanota ny zanako ka nandà an’Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon’i Joba mandrakariva.
6
Indray andro, nony avy ireo zanak’Andriamanitra mba hiseho teo anatrehan’NY TOMPO, dia mba tonga teo koa i Satana tafaharo taminy.
7
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Satana: Avy taiza ianao? Dia namaly NY TOMPO i Satana hoe: Avy nivezivezy teny ambonin’ny tany aho, nandehandeha teny.
8
Hoy NY TOMPO tamin’i Satana: Efa nandinika an’i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy.
9
Ary i Satana dia namaly NY TOMPO hoe: Moa tsy fanantenan-javatra ihany va no atahoran’i Joba an’Andriamanitra?
10
Tsy Ianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan’ny tanany ka manenika ny tany ny omby aman’ondriny.
11
Fa atsory ange ny tananao ka tendreo izay ananany rehetra raha tsy handa Anao eo imasonao aza izy e!
12
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Satana: Indro, eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza kasihin’ny tananao. Dia niala teo anatrehan’NY TOMPO i Satana.
13
Indray andro, raha nihinana sy nisotro divay tao an-tranon’ny zokiny lahimatoa ny zanany lahy sy ny zanany vavy,
14
dia nisy iraka tonga tany amin’i Joba ka nilaza hoe: Teo am-piasana ny omby ary nandrasana teo anilany ny borikivavy;
15
nisy Sabeana namely azy tampoka ka namabo azy ary ny mpanompo dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra. Izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
16
Raha mbola niteny izy dia nisy iray koa tonga ka nilaza hoe: Nilatsaka avy tany an-danitra ny afon’Andriamanitra ary nandoro ny ondry aman’osy sy ny mpanompo ka nandevona azy. Izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
17
Raha mbola niteny izy dia nisy iray koa tonga ka nilaza hoe: Nisy Kaldeana nanao telo toko, niroatra nankeny amin’ny rameva izy ireo ka namabo azy ary ny mpanompo dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra. Izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
18
Raha mbola niteny izy dia nisy iray koa tonga ka nilaza hoe: Ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon’ny zokiny lahimatoa;
19
ary indro, nisy rivotra mahery avy tany an-tany efitra ka namely ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin’ny zatovo ny trano ka maty izy rehetra. Izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
20
Dia nitsangana i Joba ka nandriatra ny akanjobeny ary nanaratra ny lohany dia niankarapoka tamin’ny tany
21
sady niteny hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon’Ineny ary mitanjaka no hiverenako any; NY TOMPO no nanome ary NY TOMPO no nanaisotra; isaorana anie ny anaran’NY TOMPO!
22
Tamin’izany rehetra izany dia tsy nanota i Joba na nanome tsiny an’Andriamanitra.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42