bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Job 28
Job 28
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 29 →
1
Fa misy tany fihadiana volafotsy ary misy toerana fandiovana volamena.
2
Ny vy dia alaina avy amin’ny vovoka ary ny varahina dia arendrika avy amin’ny vato.
3
Ny mpihady vola dia mampisava ny maizina ka mikaroka hatrany amin’ny faran’ny lalina any ny vato any anatin’ny haizim-pito sy ny aloky ny fahafatesana;
4
mihady lavaka lavitry ny fonenan’ny olona izy; mievingevina ny tongony, mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona any.
5
Ny tany no iavian’ny hanina, nefa any anatiny ambany any izy dia avadika toy ny amin’ny afo.
6
Toeran’ny safira ny vatony ary misy vovo-bolamena ao aminy.
7
Tsy fantatry ny vorona mpihaza ny lalana mankany ary tsy hitan’ny mason’ny voromahery;
8
tsy nodiavin’ny mpiremby ary tsy mba nalehan’ny liona masiaka.
9
Manatsotra ny tanany amin’ny vatokaranana ireo ary mamadika ny tendrombohitra hatramin’ny fotony;
10
ny vatolampy dia tatahany hatao lalan-drano ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan’ny masony avokoa.
11
Tampenany ny lalan-drano mba tsy hisy mitete ary izay zavamiafina dia avoakany ho amin’ny mazava.
12
Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? Ary aiza ny fitoeran’ny fahalalana?
13
Tsy misy zanak’olombelona mahalala ny vidiny ary tsy hita eo amin’ny tanin’ny velona izy.
14
Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy. Ary hoy ny ranomasina: Tsy ato amiko izy.
15
Tsy azo atakalo volamena tsara izy ary ny volafotsy dia tsy azo lanjaina ho vidiny;
16
ny volamena avy any Ofira dia tsy ampy ho tombany, na ny berila sarobidy na ny safira aza.
17
Ny volamena sy ny fitaratra dia tsy azo ampitahaina aminy ary tsy azo atakalo firavaka volamena tsy miharo izy.
18
Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato kristaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy.
19
Ny topaza avy any Kosy dia tsy azo ampitahaina aminy ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena tsara.
20
Dia avy aiza ary ny fahendrena? Ary aiza ny fitoeran’ny fahalalana?
21
Miafina amin’ny mason’ny velona rehetra izany ary takona amin’ny voromanidina.
22
Hoy ny Fandringanana sy Rafahafatesana: Ny sofinay ihany no nandrenesanay ny filazana azy.
23
Andriamanitra ihany no mahalala ny lalana ho any aminy ary Izy no mahafantatra ny itoerany;
24
fa Izy no mitsinjo hatrany amin’ny faran’ny tany ary mahatazana manerana izao ambanin’ny lanitra rehetra izao
25
ka manendry ny lanjan’ny rivotra ary mamatra ny rano amin’ny famarana.
26
Tamin’ny nanaovany lalàna ho an’ny ranonorana sy lalana halehan’ny tselatry ny kotrokorana
27
dia nahita azy Izy ka nanambara azy; eny, nametraka ny fanorenany Izy sady namantatra azy.
28
Dia hoy Izy tamin’ny olombelona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena ary ny fialana amin’ny ratsy no fahalalana.
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 29 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42