bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Job 15
Job 15
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 16 →
1
Dia nandray fitenenana i Elifaza temanita:
2
Tokony handahatra hevi-dravina va ny olon-kendry ka hameno ny kibony amin’ny rivotra avy any atsinanana?
3
Hamaly amin’ny teny tsy mahasoa sy ny teny tsy mahatsara va izy?
4
Eny, foananao ny fahatahorana an’Andriamanitra ary tampenanao ny dinika eo anatrehany;
5
fa ny helokao no manesika ny vavanao ary mifidy ny fitenin’ny olom-petsy ianao.
6
Ny vavanao ihany no manameloka anao fa tsy izaho ary ny molotrao ihany no mamely anao.
7
Ianao va no olombelona nateraka voalohany? Sa, naloaky ny kibo talohan’ny havoana va ianao?
8
Ianao va nihaino teo amin’ny filankevitra teo amin’Andriamanitra ka voarombakao ho anao irery ny fahendrena?
9
Inona no fantatrao ka tsy mba fantatray koa na saina azonao ka tsy ato aminay koa?
10
Ny zokiolona sy ny fotsy volo dia misy ato aminay; eny, olona ela niainana noho ny rainao aza.
11
Ataonao ho tsinontsinona va ny fampiononana avy amin’Andriamanitra sy ny teny natao taminao amin’ny halemem-panahy?
12
Nahoana no dia entin’ny fonao ianao? Ary nahoana no mikimpikimpy foana ny masonao
13
ka miefonefona amin’Andriamanitra ianao sady miteniteny foana ny vavanao?
14
Inona ny zanak’olombelona no mba hadio izy? Ary izay tera-behivavy no mba ho marina?
15
Indro ireo masiny aza dia tsy mahatoky Azy ary ny lanitra aza dia tsy madio eo imasony;
16
koa mainka fa izay vetaveta sy tena ratsy, dia ny olona izay misotro heloka toy ny rano!
17
Hanambara aminao aho ka mihainoa ahy, fa izay efa hitako no hotantaraiko,
18
dia zavatra notorin’ny olon-kendry fa tsy nafeniny, dia izay azony avy tamin’ny razany.
19
Ireny ihany no nomena ny tany ary tsy nisy olona hafa firenena nisisika teo aminy.
20
Mijalijaly amin’ny androny rehetra ny ratsy fanahy, na firy na firy ny taona voatendry ho an’ny mpampihorohoro.
21
Feo mampitahotra no ren’ny sofiny ary na dia miadana aza izy dia avy hamely azy ihany ny mpandroba.
22
Tsy manantena ho afaka amin’ny maizina izy; miandry azy ny sabatra.
23
Mirenireny hitady izay hohaniny izy ka miteny hoe: Aiza re? Fantany fa antomotra azy ny andro maizina.
24
Fahoriana sy fahaporetana no mampitahotra azy. Mandresy azy ireo tahaka ny mpanjaka efa vonona ho amin’ny ady
25
satria nanatsotra ny tanany hanohitra an’Andriamanitra izy ary nirehareha hanohitra ny Tsitoha.
26
Mimaona amin’ny hamafian-katoka izy hamely Azy, dia amin’ny vohon’ny ampingany matevina.
27
Rakotry ny tavy ny tarehiny ary mivalon-kotraka ny andilany;
28
nefa honina ao amin’ny tanàna rava izy, dia ao amin’ny trano tsy tokony hitoeran’olona, izay voatendry ho korontam-bato.
29
Tsy hanankarena intsony izy sady tsy haharitra ny heriny ka tsy ho vokatra ambonin’ny tany ny fananany.
30
Tsy ho afaka hiala amin’ny maizina izy; ny solofony dia hikainkona azon’ny lelafo; ho levon’ny fofonain’Andriamanitra izy.
31
Aoka tsy ho voafitaka hatoky zava-poana izy, fa zava-poana no ho valiny homena azy.
32
Raha mbola tsy tonga aza ny fetrandrony dia manjo azy izany ary tsy ho maitso ny sampany.
33
Ho tahaka ny voaloboka manintsana ny voany manta izy ary ho tahaka ny hazo oliva mampiraraka ny voniny.
34
Fa tsy ho vanona ny ankohonan’ny mpihatsaravelatsihy ary ho lanin’ny afo ny tranolain’ny mpitoroka.
35
Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fasiahana ary ny kibony dia mamorom-pitaka.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42