bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Job 4
Job 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 5 →
1
Dia nandray fitenenana i Elifaza temanita hoe:
2
Raha misy sahy miteny aminao dia ho sosotra va ianao? Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no hahavita izany?
3
Indro, efa nananatra ny maro ianao ary ny tanana miraviravy dia efa nampaherezinao;
4
efa nanohana izay efa saika lavo ny teninao ary efa nampatanjahinao ny lohalika malemy.
5
Nefa ankehitriny, mba manjo anao izany dia kivy ianao! Mihatra aminao izany ka raiki-tahotra ianao!
6
Tsy ny fivavahanao va no tokinao? Ary tsy ny fahitsian’ny lalanao va no fanantenanao?
7
Miangavy anao aho, tsarovy fa iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana?
8
Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany;
9
ny fofonain’Andriamanitra no andringanana azy; eny, ny fofonain’ny fahatezerany no mandevona azy.
10
Ny fieron’ny liona; eny, ny feon’ny liona masiaka ary ny nifin’ny liona tanora dia tapaka;
11
maty ny liona noho ny tsy fahitany remby ary mihahaka ny zanaky ny liom-bavy.
12
Nisy teny tonga tamiko mangingina ary ny sofiko dia nahare siosio avy taminy,
13
tamin’ny eritreritra avy amin’ny tsindrimandry alina, raha sondrian-tory ny olona,
14
dia azon-tahotra sy hovitra aho ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany;
15
nisy tso-drivotra nandalo teo amin’ny tavako ka nampitsangam-bolo ny tenako.
16
Nijanona izy nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho; nisy endri-javatra teo anoloan’ny masoko; nisy fahanginana, dia nandre feo aho hoe:
17
Ho marina noho Andriamanitra va ny zanak’olombelona? Ho madio noho ny Mpanao azy va ny olona?
18
Indro, na ireo mpanompony aza dia tsy itokiany; eny, ireo irany aza dia ahitany fahadisoana,
19
koa mainka izay mitoetra amin’ny trano tanimanga sady avy tamin’ny vovoka no niaviany ary mora poretina noho ny kalalao izy!
20
Indray andro monja dia montsana izy; tsy misy misaina azy na dia levona mandrakizay aza izy.
21
Tsy voaongotra va ny kofehin-dainy ao aminy? Maty tao amin’ny tsy fananana fahendrena izy.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42