bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Job 30
Job 30
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 31 →
1
Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay mbola zandriko aza, dia ny zanak’ireo izay nolaviko tsy ho isan’ny amboa miandry ny ondriko akory.
2
Koa hataoko inona moa ny herin-tsandrin’ireo? Efa very ny fahatanjahany.
3
Kaozatra noho ny tsy fisian-kanina sy ny mosary izy ireo; homankomana foana any an-tany karankaina ao amin’ny haizin’ny loza sy ny faharinganana.
4
Mitsongo anana dia eny amin’ny kirihitrala ireny ary ny fototry ny anjavidy no sakafony.
5
Roahina tsy ho eo amin’ny olona izy sady akoraina toy ny mpangalatra,
6
koa eny an-davaka amin’ny moron’ny lohasahan-driaka no itoerany, dia any an-dava-tany sy any an-dava-bato.
7
Minananana eny amin’ny kirihitrala izy ary mitangorona eny ambanin’ny amiana.
8
Olom-poana izy ireny sady olona tsy manana anarana akory ka roahina tsy ho eo amin’ny tany.
9
Ankehitriny anefa dia ataony an-kira aho. Eny, ataony ambentinteniny aho.
10
Ataony toy ny zava-betaveta aho ka halaviriny ary tsy misalasala ny handrora ny tavako izy.
11
Koa satria noketrahin’Andriamanitra ny kofehin’ny tsipìkako ka nampietreny aho dia tsy nisy fetrany intsony ny famelezan’ireo ahy.
12
Mitangorona eo ankavanako izy ireo ka manosika ny tongotro hibolisatra ary manandratra tovon-tany hampidirany loza amiko;
13
mandrava ny lalako izy ary mitady lalana hanapotehana ahy na dia tsy misy manampy azy aza;
14
toy ny fiditra eo amin’ny banga lehibe no fiaviny ka avy ao amin’ny voarava izy no miriotra.
15
Nitodika hamely ahy ny fampitahorana; nopaohin’ny rivotra ny voninahitro ka levona tahaka ny rahona ny famonjena ahy.
16
Ary ankehitriny, miraraka ny aiko ato anatiko, azon’ny andro fahoriana aho.
17
Amin’ny alina dia samatsamahiny hiala amiko ny taolako ary tsy mitsahatra ireo manotahota ahy ireo.
18
Noho ny hery amelezany ahy dia simba ny akanjoko, manendaka ahy amin’ny vozon-dobaka Izy.
19
Nanipy ahy teo amin’ny fotaka Izy ka tahaka ny vovoka sy ny lavenona aho.
20
Mitaraina Aminao aho nefa tsy mihaino ahy Ianao; mijoro eo aho nefa jerenao foana.
21
Tonga lozabe amiko Ianao; ny herin’ny tananao no andrafianao ahy.
22
Aingainao ho eny amin’ny rivotra aho ka ampitaingeninao azy ary levoninao ao anatin’ny tafio-drivotra mifofofofo aho.
23
Fantatro fa hampodinao any amin’ny fahafatesana aho, dia any amin’ny trano ifamotoanan’ny olombelona rehetra.
24
Kanefa tsy manainga ny tanany va ny olona raha ianjeran’ny rava? Ary tsy mitaraina va izy raha tratry ny loza?
25
Tsy nitomany ny ory va aho? Tsy nangorakoraka ny mahantra va ny fanahiko?
26
Nanantena fahasambarana aho, kanjo ny ratsy no tonga; niandry ny mazava aho, kanjo ny maizina no tonga.
27
Tsy mitsahatra mandevilevy ny tsinaiko. Nitsena ahy ny andro fahoriana.
28
Mitsaitsaika mitafy lamba fisaonana aho sady tsy mahita masoandro; mitsangana eo am-pivorian’ny olona aho ka mitaraina.
29
Tonga rahalahin’ny amboadia aho ary naman’ny aotirisy.
30
Mivalomainty ny hoditro sady miendakendaka ary karankaina noho ny hafanana ny taolako.
31
Nanjary fisaonana ny lokangako ary feon’ny mitomany ny sodiko.
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 31 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42